- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo : Ireo Sary Avy Amin'ny Hetsi-panoherana “Bodoy i Wall Street” Tao Seola

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna

Ilay hetsika “Bodoy i Wall Street” dia natao tao an-drenivohitr'i Korea atsimo ao Seola. Na dia teo aza ny orambe mikija, ny tselatra sy ny kotroka, ary ny fidinan'ny mari-pana tampoka, dia olona teo amin'ny 300 teo ho eo no tonga tamin'ilay  hetsi-panoherana “Bodoy” tao Seola ny faha 15 Oktobra 2011. Voalohany aloha nivory teo ivelan'ny birao mpanara-maso ara-bola tao Yeoido izy ireo, ny sampan-draharaha ara-bola ao Seola ary avy eo nanao dia be ho any amin'ny toeran-kafa tany amin'ny tanànan'i Seola.

Ny tontolon'ny twitter dia henika bitsika sy sary maro nalefan'ny tanora sy mafana fo maro izay nanohitra ny tsy fitovian'ny ho enti-manana. Ny sary sasany koa dia nampiakarina [1][ko]tao amin'ny  Wiki Tree, vohikala famoaham-baovaon'ny mponina anaty aterineto ao Korea Atsimo.

Min Gyeong-chul (@mgc0909 [2]) dia nandefa bitsika mahakasika sary maro momba ilay hetsi-panoherana. Amin'ity sary manaraka ity, ny “lohateny kely” [3][ko] dia mivaky toy izao, ” eto anoloan'ny Foibe fanaraha-maso ny vola izahay izao. Avy be ny orana ary misy tselatra, kanefa isika, ny 99% dia mijoro manoloana ny fanararaotana ara-bola ataon'ireo 1%. ‘ Bodoy Yeouido ao Seola!'”.

 
Occupy Seoul Street in Rain [4]
Nampiakarinà mpampiasa Twitter @mgc0909

Indro misy  sary hafa [5]nalainy avy ao Yeiodo :

Occupy Wall Street at Seoul's Financial Sector [6]

Nampiakarinà mpampiasa Twitter @mgc0909

Ity  sary manaraka ity [7] dia avy aminà “sit-in” nataon'ireo niharan'ny tsy fahombiazan'ilay banky Busan Savings . Nisy tsy fahamendrehana [8] lehibe naely ankarihary nilazana fa ilay banky fitahirizana dia nampiasa vola maloto mba hanohanana ny fampielezan-kevitry ny mpitondra sy ny mpanao lalàna mba hanaronana ny tsy fanarahan-dalàn'izy ireo.

Occupy Wall Street in Seoul [7]

Nampiakarinà mpampiasa Twitter @mgc0909

Huh Jae-yeon (@welovehani [9]),mpanao gazety ary mpandefa bitsika arahin'ny olona maro indrindra ao Korea Atsimo, nampiakatra sary iray [10] fahitàna olona manao saron-tava ‘V for Vendetta’ [11] na ‘V ho Valifaty’.  Toy izao ny fivakin'ilay “lohateny kely”, ‘Nisy olona iray tonga mba hanaitra ny sain'ireo fikambanana tenda-kanina ara-bola ao Yeoido ireo .’

Occupy Wall Street in Seoul [12]

Nampiakarinà mpampiasa Twitter @welovehani

Nanao izay hanakànana ilay hetsi-panoherana ireo polisy tao Seola. Mpampiasa Twitter  @Bwolf96 [13] tweeted [14] [ko] :

역시 월가시위도 불법이라며 저지시키려한다 전세계인이하는데 왜 우리는 못하지

Araky ny efa nampoiziko…nanao izay hanakànana ny hetsi-panoherana “Bodoy i Wall Street” izy ireo, ary nilaza fa ara-dalàna ny ataony. Maninona isika no tsy afaka manao izany nefa izao tontolo izao manao ?

Tsy mahagaga, ny haino aman-jery mpitahiry ny mahazatra ao Korea Atsimo dia nanakiana be fahatany ilay hetsika ho mikonokonona zavatra ambadika, ka misy ambadika politika. Oh Jun-gyu (@ojkpop [15]) nandefa  bitsika [16][ko] ho fanoherana izany fanambarana izany :

월가시위는 순수한데 오늘 서울점령은 불순하다는 보수언론의 망발! 월가시위는 부자증세,공정사회화 등을 요구하는 “정치적” 시위다. 그리고 옳다. 서울시위도 옳을 것.

Rahoviana ireo haino aman-jery mpiaro ny mahazatra ireo vao hampitsahatra ny tabataba ! antsoin'izy ireo hoe hetsika (mahantra) tsotra izao ilay hetsi-panoherana “Wall Street”, raha etsy ankilany manakiana ny  “Bodoy” ao  Seola amin'ny  ‘fitarihana ahitana  (ambadika) katsahina’. Hitanao, ilay hetsi-panoherana  “Wall Street ” dia hetsika  ‘ara-politika’ mangataka ny andoavan'ny manankarena hetra ary mba hisian'ny rariny eo amin'ny fiarahamonina . Ary marina ny an'izy ireo. Izany no ” Bodoy i Seola”.

Na dia izany aza , misy ireo tanora izay tena nanakiana mafy ny hetsi-panoherana “Bodoy i Seola” , amin'ny fanazavana fa ny ” Bodoy Wall Street” any Etazonia sy ny  “Bodoy” ao Seola dia toy ny  paoma  sy  voasary [17] [ko]. Ny sasany aza lasa lavitra mihitsy  ary nampiakatra avo ny ompany . Oh mi-mi (@Mimi_nuna [18]) nandefa bitsika hoe [19][ko]:

월가 시위하는 것들! 평소에 반미 반미 외치면서 미국이 뭐만 하면 무조건 따라하다가 이젠 시위까지 따라하냐? 그러니 너네가 어디가서 대접도 못받는거야. 좀비들아!

Ianareo mpanao heloka be vava mpanao ny hetsi-panoherana “Wall Street”! Ianareo no olona voalohany nilaza fa ‘ mpanohitra an'i Amerika, mpanohitra an'i Amerika hatrany hatrany. Kanefa ianareo no mandika ny ataon'i Amerika ary ankehitriny dia mandika ny hetsi-panoherany ianareo ? Izany no anton'ireny fitondrana anareo tsy mitovy ireny any amin'ny faritra maro, Faty mitsangana ianareo!

Namaly tamim-pisainana kosa ny sasany, nanazava fa na dia ilay hetsi-panoherana ihany aza dia efa misy dikany, ary dia vitsy amin'ireo mpandray anjara no mahazo ny foto-kevitra ho entina amin ‘ilay izy.  Rhee Woong (@Rhee0403 [20]) nibitsika hoe [21][ko]:

한국서 월가시위를 지지한다는 사람들조차 그들의 의제를 제대로 파악하지 못하고 있습니다.자본주의에 대한 좌파들의 저항이라는 식으로 스스로 몰아가는데,이건 그런수준이 아니라 민중과 기득권 간의 거대한 싸움입니다.죽느냐 사느냐의 문제인것이죠

Ao Korea Atsimo, na ny mponina izay manohana tsy ampihambahambana ilay hetsi-panoherana “Wall Street” aza, dia tsy tena mahazo tsara ny programan'ilay hetsi-panoherana. Ny olona sasany nandray izany ho toy ny fanoheran'ny havia ny “kapitalisma”. kanefa dia mihoatra noho izany ilay izy. Ady goavana teo amin'ny olon-tsotra sy ny olona manan-katao ilay izy. Resaka fahavelomana sy fahafatesana ilay izy raha ho an'ireo olon-tsotra ireo.

Ny fikambanan'ireo mafana fo dia nilaza fa hisy hetsi-panoherana “Bodoy” hafa indray ao Seola izay ho karakaraina ny 21 Oktobra 2011.