- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Frantsa: Manokatra Ny “Fikambanan'ny Fanondro Manga” Ny Toniziana Any Am-pielezana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Tonizia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Toniziana  2011 [1].

Ny 20 hatramin'ny 22 Oktobra, nandritra ny telo andro natao hifidianana ho an'ireo Toniziana monina any ivelany [2], niditra tamin'ny “Fikambanan'ny Fanondro manga” ireo Toniziana mpifidy any Frantsa. Mitobatobaka amin'ny Facebook sy Twitter ny sarin'ireo rantsan-tanana miloko manga, porofo fa nandatsa-bato ry zareo – maro no sambany tamin'ny fiainany –  ary anatin'ny fikambanan'ireo mpifidy tany ampiandohan'ireo fifidianana ny “assemblée constituante” Toniziana manan-tantara izay faratampon'ny revolisiona Toniziana.

Faly dia faly i @Sonia_72 [3] [fr], iray amin'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny fikambanana :

A voté, le cœur léger, un ciel bleu d'espoirs au bout du doigt, Youhouuu !

Nifidy, maivana ny fo, ary lanitra manga mitondra fanantenana amin'ny tendron'ny fanondroko, Ieeeeee!

Sarin'i @sonia 72 ao amin'ny Twitter

Image by @Emnalamine on Twitter

Feno ireo vata fandatsaham-bato: Sary avy amin'i @Emnalamine ao amin'ny Twitter

Tsy nahazo nitondra finday nandritra ny fifidianana. Raha teo am-pilaharana, Emna Lamine [4] dia naka ity ary ity tao amin'ny birao nifidianany, tany amin'ny faritra avaratr'i Parisy. Manamafy ny fiovana lehibe izany ho an'ireo any am-pielezana:

 

Les urnes pleines!

Feno ireo vata fandatsaham-bato!

Vokatr'izany dia niroborobo tahaka ny holatra ny “Fanondro Manga” tamin'ireo tambajotra sosialy any Frantsa. Ity sary ity avy amin'ny raki-tsary Facebook an'i Emna Ben Jemaa, mitondra ny lohateny hoe “Nifidy aho. Ary ianao? [5]” dia nivoaka tamin'ny haino aman-jery maneran-tany. Mendrika teny an'arivony izany hanehoana ny fihetseham-po lalina tsapan'ireo Toniziana afaka mifidy anaty demokrasia tanteraka.

Toniziana latsa-dranomaso rehefa avy nifidy tany Frantsa

Toniziana iray miaraka amin'ny zanany vavy rehefa avy nifidy: Andro fireharehana

Tanora iray mampiseho ny safidiny ho an'i Tonizia. Sary avy amin' iEmna Ben Jemaa

Nisy blaogy Tumblr [6] ihany koa noforonina ho an'ireo mpifidy vaovao mba hamoahana ny sarin'ireo rantsan-tanany manga [7]. Indreto misy fandraisan'anjara vitsivitsy.

Nisy naka sary ny fanondrony manga teo akaikin'ny Tour Eiffel, mba hanaovany ny “Sary tsara indrindra nandritra ny taona”:

Fifidianana tany Parisy

V dia midika hoe Fandresena, sy fifidianana [8]:

V ho an'ny fandresena

Nisy nandefa hafatra manokana [9] ho an'ny filoha teo aloha Zeine Al Abedine Ben Ali:

Hafatra manokana ho an'i Ben Ali

Nahazo anaram-bositra ny andiana fanondro manga tany Frantsa:  “Stroumpfs” (Smurfs [10]). Mahatsapa tena ho toa ny zaza indray i Skydancer.

Miverina ny Stroumpfs

Ary nisy fampanantenana namboarina tamin'ny Photoshop [11] nalefa niampita ny ranomasina Mediteraneana ho any Tonizia, izay nanomboka  androany (23 Oktobra) ny fifidianana.

Fanamby fanantenana

Etsy andanin'izany, tanora roa mpitati-baovao, Lynda El Awadey sy Eléonore Bounhiol dia nandrakitra lahatsary ireo fijoroana vavolombelona [12] avy amin'ireo mpifidy tany Parisy [fr sy ar]:….

http://youtu.be/nmee8jR3Ygo

Tamin'ny Sabotsy dia nilaza ny faniriany i Zied Mhirsi (@Zizoo [13]):

Manantena aho fa ny tsirairay mandritra ny androm-piainany dia samy hiaina andro tahaka ity iray ity, volana tahaka izao, ary revolisiona tahaka ity iray ity #tunisia [14]# tnelec [15]

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Toniziana 2011 [1].