- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espana: Ny Tolon'ny 15 Oktobra Sy Ny Tatitr'ireo Haino Aman-jery

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Nandritra ny tolona maneran-tany tany amin'ny tanàna 1000 [1] sy firenena 82 [2] tamin'ny 15 Oktobra lasa teo, nivondrona teo ambany teny filamatra iray ny olona “Miombona ho an'ny fanovàna maneran-tany” mba hitaky ny zony sy demokrasia marina. Nitobatobaka tamin'ny aterineto ireo antso amin'ny alalan'ny lahatsary [3] [es] nataon'ireo olom-pirenena an'arivony izay mitsipaka ny politikan'ny sakantsakana ara-sosialy sy ny filavoana lefon'ny governemanta manoloana ny tsena sy ireo orinasa ara-pitantanam-bola

@democraciareal [4] ¿Piensas quedarte en casa y leer lo que ha sucedido en los libros de historia? ¿o quieres ser partícipe y vivirlo? # yosalgo15O [5] #15Oready [6]

@democraciareal [4] Mieritreritra hijanona ao an-trano ve ianao dia hamaky ny momba izay nitranga ao anaty bokin-tantara? Sa te-handray anjara sy hiaina izany ianao? # yosalgo15O [5] #15Oready [6].

Raha ny momba an'i Espana manokana, somary lava ihany ny lisitr'ireo toeram-pivoriana, araka ny hita amin'ity sary manaraka ity:

[7]

toeram-pivoriana #15O any Espana

Any amin'ireo tanàna voalohany any amin'ny firenena, maro dia maro ireo olona tonga, nahatratra 500 000 tany Madrid ary 350 000 tany Barcelone. Rakotra peta-drindrina, fanehoan-kevitra ary olona tezitra noho ireo lalàna “neolibéral” ny làlan'ireo tanàna voalaza ireo. Samy natao tam-pilaminana ireo fihetsiketsehana ireo ary nampitombo ny fahatsapana fiombonana ho an'ny fanovàna maneran-tany ireo toerana, fiovàna fomba fisainana.

Ny media mpifikitra amin'ny nentin-drazana indrindra any amin'ny firenena, izay nanome vaovao diso tamin'ireo mpamaky hatramin'izay nanombohan'ny hetsika #15O, dia nidina an-dalam-be niaraka tamin'ity pejy fanolorana ity:

[8]pejy fanoloran'ny ABC, 16 Okt. 2011 – “Mankalaza” ny tolony maneran-tany ireo mpitolona tezitra. 

[9]

Pejy fanoloran'ny El mundo manamaivana ireo fihetsiketsehaa ary milaza fa mahery setra ireo mpitolona.

 

@MikelSB [10] Acabo de ver la portada de #ABC [11]bit.ly/nAqieS [12] ¡Lamentable manipulación! Sacan la única manifestación con incidentes del #15o [13]

@MikelSB [10] Vao avy nahita ny pejy fanoloran'ny #ABC [11] aho. Fanendrikendrehana mahatsiravina!  Ny fihetsiketsehana #15o [13] iray hany nisy hery setra ihany no nalainy sary.

Ny talen'ny El Mundo [14] [es], Pedro J. Ramírez, dia nanao fanangonan-kevitra tao amin'ny Twitter izay manontany ny toerana tian'ny media mpifikitra amin'ny nentin-drazana omena ny hetsika maneran-tany ho amin'ny fanovàna; na apetrany any amin'ny farany ankavia ny 15M, na lazainy fa mahery setra, na tena manao tsinontsinona tanteraka ireo olona an'arivony nidina an-dalam-be.

@pedroj_ramirez [15] Q opináis? a) El 15M generará nuevo partido de izdas. b) El 15M derivará en violencia antiRajoy. c) El 15M seguirá lúdico e irrelevante.

@pedroj_ramirez [15] Inona no eritreretinao? a) hiteraka antoko vaovao miandany miankavia ny 15M. b) hiteraka hery setra manohitra an'i Rajoy ny 15M. c) hitohy ho fialamboly sy tsy matotra ny 15M
[16]

Ny pejy fanoloran'ny La Razón dia tsy nanasondagina ireo tolom-bahoaka.

Araka ny hita ao amin'ireo pejy fanolorana ny ampitson'iny, 16 Oktobra [17] [es], tsy ny gazety rehetra no mitovy lohateny lehibe na manivana ny vaovao araka izay azony atao, tahaka ireo notanisaina tetsy aloha.