- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika: Sary tsy fahita matetika, filoham-pirenena eo am-pandihizana

Sokajy: Mozambika, Mediam-bahoaka

Nahoraka sy nieli-patrana vetivety monja anivon'ny serasera Facebook any Mozambika ny sarin'ny filoham-pirenena Mozambikana Guebuza eo am-pandihizana [1], hany ka tafahoatry ny 500 ireo mpankasitraka ary maherin'ny 440 kosa ireo hafatra naterak'izany izany sary izany. I Miguel Mangueze, izay mpakasarin-gajety @ Verdade [2] no naka izany sary tsy fahita matetika izany.