- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Hataka fifidianana malalaka ataon'ny mpiblaogy iray amin'Ingahibe Noely

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

Amin'ny taratasiny hoan'Ingahibe Noely [1] [fr], izay ao amin'ny blaoginy Toliara tsy miroro ny namana Andriamihaj [2] dia mitanisa ireo vetso sy tsiahy manodidina ny fotoam-pifidianana am-pandriam-pahalemana sy izay mahamanina azy indrindra:

J’aimerais bien vivre de nouvelles choses moi. Je veux vivre les propagandes (ça fait belle lurette). Je voudrais changer les posters de mon mur (pas facebook mais l’autre mur), avoir des stylos, de nouveaux t-shirts. … Bref je veux des élections!

« Maniry ny hiaina zava-baovao aho. Iriko ny hiatrika fampielezan-kevitra (mba efa ela tokoa izay). Iriko mba hovàna amin'izay ity peta-drindrina amin'ny efitranoko ity (tsy ilay karazana rindrina vohikala Facebook no ambarako eto), mba te hahàzo fanomezana penina sy tee-shirt miendrika hafa indray aho … Azonao e, maniry fifidianana aho! »