- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Ny Fifidianana 23 oktobra Fitsapana Demokratika Lehibe

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Andro vitsivitsy sisa no andrasana ka itsapana voalohany amim-pomba demokratika ny “Lohataona Arabo” izay nampianjera fitondrana jadona telo tany Tonizia, Ejipta ary Libya.

Ny alahady 23 oktobra ho avy izao no hifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenana vaovao sy hanangana governemanta tetezamita ny Toniziana.

Andrasana fatratra ny fifidianana any Tonizia, izay nahemotra telo volana [1], noho ny antony ara-pitaovana. Koa satria moa efa vonona ara-teknika ny firenena ary manantena ny tsirairay fa halalaka sy ho marina ny fifidianana, ahiana handiso fanantenana indray ny isan'ny mpifidy handrotsa-bato amin'ny andro fifidianana.

Passerby glances at election posters in central Tunis, Tunisia. Image by Jonathan Mitchell, copyright Demotix (12/10/11). [2]

Passerby glances at election posters in central Tunis, Tunisia. Image by Jonathan Mitchell, copyright Demotix (12/10/11).

@Arabasta1 mi-tweete [3] :

Ny nofiratsiko amin'ny 23/10 : vitsy ny mpandray anjara, tsy ny antoko no ho resy amin'izay fotoana izay fa i Tonizia, MANDEHANA MIFIDY!

Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ”Votez [4]” (Mifidiana) i Nadia handrisihana ny mpiray tanindrazana aminy handrotsa-bato.

Andro vitsivitsy sisa no manasaraka antsika amin'ilay andro manan-tantara. Tsy mbola misy na inona na inona azo antoka amin'izay ho valiny, efa nandrasan'ny sasany ampolo taonany izao. Tsy misy mahalala avy hatrany ny isan'ny Toniziana hifidy, sy ny ho fizotry ny fifidianana, ary ny antoko sy olona nanolo-tena naharesy lahatra sy ny mety ho endrikendriky ny antenimieram-panorenana rehefa vita ny fandrotsaham-bato.

Ny hany azoko lazaina dia fotoana ifanomezana io ary tsy tokony dinganina fotsiny

Tamin'ny 17 oktobra, namoaka izao fanambarana manaraka izao [5][en] tao amin'ny bolongany i Bassem Bouguerra:

“Revolisionera aho ahy hifidy”
Ilazao ny tanora, ilazao ny zokiolona,
Ilazao ny manan-kohariana, ilazao ny mahantra.
“Revolisionera aho ary hifidy”
Nahazo ny fonay ianareo ary namahana ny fanahinay
Nanafaka ny firenentsika sy nahatonga anay hanana hambom-po ianareo
Toniziana ianareo ary hifidy.

Niditra an-tsehatra ihany koa ny ONG handrisika ny Toniziana hifidy.

Ny lahatsary manaraka ao amin'ny YouTube, avy amin'ny fikambanana Engagement Citoyen, dia nalaina tany La Goulette (manodidina an'i Tunis). Ny marainan'ny 18 oktobra, Nahita ny tanànany voaravaky ny afisy goavan'ny filoha Zine El Abidine Ben Ali ny Toniziana teo am-pifohazana. Tezitra aoka izany ny mpandalo ka nanaisotra ny afisy goavana. Nivoaka amin'izay ny hafatra hoe : “Tandremo. Mety miverina ny jadona. Mifidiana amin'ny 23 oktobra”.

Bilaogera Amerikana monina any Tunis,  Erik Churchill, no nanombatombana ny taham-pandraisana anjara :

Araka ny fanombatombanako, hampisy fahadisoam-panantenana lehibe manerana ny firenena ny fandraisana anjara latsaky ny 60%. Mety hampisy olana goavana amin'ny maha-ara-dalàna ny antenimiera ny fandraisana anjara latsaky ny 50%. Fa raha toa kosa mihoatra ny 70% ny fandraisana anjara, izay mampiseho tsara ny pyramidan'ny taona, karazany (lahy sy vavy) ary ny fiparitahaka ara-jeografika, dia izay no hafatra mahery indrindra nalefa, manamarika fa miaro ny zony tokoa ny Toniziana ary hitaky  ny mangarahara amin'ny governemanta.

Na dia antomotra aza ny fotoana dia mbola misalasala ny atsasa-manilan'ny toniziana mpifidy, hoy ny nosoratan'i [6] Emna El Hammi :

Nisy fitsapan-kevitra notontosain'ny Institut de Sondage et de Traitement de l’Information Statistique (ISTIS) izay nampiseho fa manam-pikasana ny hifidy ny 72 % ny Toniziana amin'ny 23 oktobra, fa amin'ireo dia ny 34 % ihany no mahalala izay hofidiany fa ny 47 % amin'izy ireo kosa mbola tsy manana safidy raikitra.