Tantara tamin'ny 21 Oktobra 2011
Madagasikara: Hataka fifidianana malalaka ataon'ny mpiblaogy iray amin'Ingahibe Noely
Amin'ny taratasiny hoan'Ingahibe Noely [fr], izay ao amin'ny blaoginy Toliara tsy miroro ny namana Andriamihaj dia mitanisa ireo vetso sy tsiahy manodidina ny fotoam-pifidianana am-pandriam-pahalemana sy izay mahamanina azy indrindra: J’aimerais bien vivre de nouvelles choses moi. Je veux vivre les propagandes (ça fait belle lurette). Je voudrais changer les...
Fahatsiarovana ny Rain'ny Fahaleovantena Mozambika, Samora Machel
Hankalaza ny faha 25 taona nahafatesan’ ilay rainy mpanangana dia ny Filoha Samora Machel i Mozambika ny 19 Oktobra 2011, namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tao Mbuzini, ao Afrika Atsimo tamin'ny 19 Oktobra 1986 izy. Nanambara ny governemanta fa “Taonan'i Samora Machel” ity taona 2011 ity. Lanonana no nanombohana ny...
Tonizia: Ny Fifidianana 23 oktobra Fitsapana Demokratika Lehibe
Andro vitsivitsy sisa no andrasana ka itsapana voalohany amim-pomba demokratika ny “Lohataona Arabo” izay nampianjera fitondrana jadona telo tany Tonizia, Ejipta ary Libya. Ny alahady 23 oktobra ho avy izao no hifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenana vaovao sy hanangana governemanta tetezamita ny Toniziana. Andrasana fatratra ny fifidianana any Tonizia, izay...
Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan
Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy...
Iran: Matahora Ry Mpanao Didijadona – Maty i Gaddafi
Maro koa ny mpamaham-bolongana Iraniana no niara-paly tamin'ny Libyana tamin'ny alakamisy, rehefa maty novonoina ilay mpitondra jadona Libyana nandritra ny fotoana maharitra Moammar Gaddafi. Maniry ny hamaranana ny fitondrana jadona any Iran ny mpamaham-bolongana sasany, raha mifampizara fifaliana amin'ny Libyana noho ny nanafahana firenena iray ry zareo.
Fihaonan'ny Jamba: Ny Goalball Sy Ny Fikarakarana Zaridaina
Toy ny ahoana ny fiainana ho an'ny fianakaviamben'ireo jamba any Thessaloniki, Gresy? Ireo bilaogera vaovao avy amin'ny tetikasa Blind Dates dia nanoratra lahatsoratra mikasika ny laàlam-baovao entin'ny teknolojia hanampiana azy ireo, hatramin'ny fomba andanian-dry zareo ny fotoam-pialamboliny, toy ny fikarakarana zaridaina na fanaovana fanatanjahan-tena toy ny goalball.
Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy
Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo - ary mampidera ny rantsan-tànany misy ranomainty izy tamim-pireharehana tokoa.