- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Vaovao Tsy Voamarina Fa Voasambotra i Gaddafi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Vaovao mahafaly no re avy any Libya tao anatin'ny minitra vitsivitsy izay, ka nahatonga ny mpisiokantsera Libyana sy Arabo hifaly, amim-pitandremana, manaraka ny fivoaran-draharaha. Honohono milaza fa voasambotra ny mpanao didijadona Libyana Muammar Al Gaddafi. Izao ny domberina hita voalohany.

Sherine Tadros avy ao amin'ny Al Jazeera no misiokantsera:

@SherineT [1]: Mitatitra ny TV Lybiana fa voasambotra i Muammar Gaddafi. mbola tsy voamarina #libya

Mamaly ny Libyana Jeel Ghathub:

@Libyan4life: [2] Notenenin'ny Reuters fa ny manampahefana avy ao amin'ny kongresin'ny tetezamita no nilaza ny nahasamborana ny Kolonely Gaddafi sy ny ratrany amin'ny tongony roa. F[manompa] Reuters. mpitati-baovao diso hatrany.

Nanamarika i Iyad El Baghdadi:

@iyad_elbaghdadi [3]: Tatitra milaza fa voasambotra i Gaddafi, tsy mazava hoe maty sa velona. #Libya

Miarahaba an'i Libya ny Ejipsiana Ahmed Sabry:

رويترز: القبض على القذافي مصابا في ساقيه الإثنتين ‎#Libya‏ ‎#MABROOK‏ ‎#Congratulations
@Sabrology [4]: Taterin'ny Reuters fa maratra amin'ny tongony roa i Gaddafi. Arahabaina i Libya.

Ho an'ilay Yemenita Al3ini, dia ny mpikiky (rongeur) lehibe indrindra eto ambonin'ny tany no azo. Ataon'ny mpanao fihetsiketsehana hoe mpikiky manko i Gaddafi noho ny kabariny lavareny. Hoy ny siokantserany:

الجرذ الكبير في ليبيا تم القبض عليه لم يتبقى الا جرذ اليمن عليه ان يسلم نفسه الى اقرب مركز شرطة


@al3ini
: Tratra ny mpikiky lehibe indrindra any Libya. Inona moa ankehitriny no sisa miandry ilay mpikiky Yemenita hitolo-batana ho any amin'ny paositry ny polisy akaiky indrindra. 

Ary mananihany, tahaka ny maro, ihany koa i Old Holborn:


@Old_Holborn
: Mitaky ny fahafaha-mihetsika i Gadaffi

Manampy koa ilay Ejipsiana Adel Abdel Ghafar:

@dooolism [5]: Raha marina ny tsaho fa voasambotra i #Qadaffi, mieritreritra aho raha naniry volombava tahaka ny nataon'i Sadam fony nandositra?

hajian-tsarin'i Muammar Gaddafi [6] (02/03/2011) avy amin'ny mpisera Flickr B.R.Q (CC BY 2.0).