- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Fifaliana Fa Voamarina Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Maty ihany [1] ilay nanampahefana Libyana Muammar Al Gaddafi. Taorian'ny siokantsera sy ny vaovao ankamantatra an-hetsiny amin'ny filazana azy ho voasambotra, maratra, maty na izy telo miarala, dia nohamarinin'ny Antenimieram-pirenen'ny Tetezamita (NTC) mitondra ao Libya fa tena maty tokoa izy.

Samy nananihany i Sultan Al Qassemi, avy any Emirà Arabo Mitambatra, sy i Andy Carvin ao amin'ny NPR:

@acarvin: [2] Ary namelona azy indray. RT @SultanAlQassemi: indrindra moa fa somary ratsy ny fandraketan-tsarin'ny NTC, mety ho nentin-dry zareo teny an-tsehatra mihitsy ny vatana mangatsiaka

Tamin'ny fahafatesan'i Gaddafi ity, dia nitandrina tamin'ny fanambarana nataony ny NTC mandra-pitokisan-dry zareo fa maty tokoa izy. Efa nolazaina ihany koa teo aloha ny nahasamborana ny fianakavian'i Gaddafi hafa, ka ireo indray no mipoitra amin'ny fampahalalam-baovao mandiso izay nolazain'ny NTC.

Na izany na tsy izany, hita ho taona ratsy ho an'ny mpanao didijadona arabo ny taona 2011 fa tsara kosa ho an'ny vahoakany. Hoy ny fanamarihan'ilay Palestiniana Ahmed Shihab-Eldin:

@ASE [3]:Maty novonoina i #Gaddafi. izany hoe , 1 maty, 1 nandositra, 1 nampidirina hopitaly, 1 may ary 1 lasa adala …ankoatra ny hafa.

Ary nampitandrina i Al Qassemi:

@SultanAlQassemi [4]: Mijery ve ianao ry Bashar? Mijery ve ianao ry Saleh? #Gaddafi

Ny hafatra moa dia ho an'ny mpanao didijadona Syriana sy Yemenita Bashar Al Assad sy Ali Abdullah Saleh izay namono ny vahoakany ihany amam-bolana izao.

Mandritra izany fotoana izany dia miely manerana an'i Libya ny horakora-pifaliana.

Mitatitra i Moez avy ao Tripoli:

@libyanrevolt [5]: Horakora-pifaliana manerana ny lalamben'i #Tripoli amin'izao fotoana izao – tsy mampino! #libya #feb17

Manamafy i Ali Tweel:

@AliTweel [6]: Tsia eto Tripoli aho. tahaka ny ady satria tifitifi-pifaliana no misy. Tsy haiko azavaina.

Ary mitohy ny vazivazy.

Lasa fanaovana hatsikana ny fanononana isan-karazany ny anaran'i Gaddafi.

DJ Xpect mitsiky:

@djxpect [7]: Tahaka ny mbola velona i Gaddafi…voasambotra. Qaddafi no maty voavono. Mbola miteny amin'ny fampielezam-peo avy any Sirte kosa i Khaddafi

Mananihany i Naser Weddady:

@weddady [8]: Niongana i Botox? RT @SultanAlQassemi: VAOVAO MAFANA sarin'i Gaddafi maty voavono http://mun.do/p5pzgA via @Suanzes

Ary i Tom Gara no namehy:

@tomgara [9]: Gaddafi nohazaina tahaka ny biby rehefa nampanatena fa hihaza tahaka ny biby ny mpanohitra azy no iray amin'ny fivoaran-draharaha tsara indrindra tamin'ity taona 2011 ity.

Nilaza ny vahoakany ho biby sy mpikiky i Gaddafi ao anatin'ny kabary mitsamotsamona lava dia lava.

Voatatitra ora vitsivitsy izao ny fianjeran'i Sirte, toerana nifaharan'i Gaddafi farany. Nianjera teo ampelatanan'ny revolisionera roa volana lasa izay i Tripoli, renivohitra Libyana, ary nanomboka tamin'ny 16 febroary ny revolisiona Libyana, andro iray mialoha ny niheverana azy hanomboka ny 17 Febroary.