- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Haravoana Sy Hatezerana Mitohy Noho Ilay Fifanarahana Shalit

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Isan'ny fotoan-dehibe iray eo amin'ny tantara Israeliana ankehitriny  ny fiverenan'i Gilad Shalit.  Gilad Shalit, miaramilan'ny IDF (tafika Israeliana) dia nafahan'ny Hamas rehefa notanany nandritra ny 1.941 andro, ho takalon'ny gadra Palestiniana 1.027.

Notohanan'ny ankamaroan'ny Israeliana [1] ilay fifanarahana, toa an'i  Shalom Bogouslavsky izay nanazava tao anatin'ny bilaoginy Put Down the Scissors and Let's Talk About It [2] [he], na hoe “Ampirimo Aloha Ny Hety dia Andeha Isika Hiresaka”:

אני עם בני בגין, שאמר על עסקת שליט שאין בה שום היגיון, אבל הוא לא יכול להתנגד לה. אני מניח שהתמיכה שלי, ואולי של רוב הציבור, בעסקה הרעה והמבישה הזאת קשורה בעיקר לצורך קולקטיבי ברגע משחרר, חגיגה. אם היינו חיים במדינה שמתנהלת באופן סביר לטובת אזרחיה ולא בבית משוגעים רדוף רוחות, לא היינו חווים את התנודות המאניות-דפרסיביות האלו בהלך הרוח הציבורי והיינו יכולים להתייחס לעניין בפיכחון גדול מעט יותר
Iarahako amin'i Benny Begin [Ministra Likud ] izy ity, izay niteny fa tsy misy dikany ny raharaha Shalit, nefa koa izy tsy afaka ny hisakana. Heveriko fa ny fanohanako an'ity fifanarahana ratsy sy mahamenatra ity, ary angamba ny fanohanan'ny ankabeazan'ny olona dia avy amin'ny filantsika rehetra fotoana hanilihana izay mitambesatra ao an-tsaina sy firavoravoana iray. Raha toa isika miaina ao anaty firenena iray miasa tsara amin'ny fikatsahana izay tsara ho an'ny vahoakany fa tsy ity tranon'adala manangatra ity, tsy ho niaina akory an'ireto fivadibadihana adala ateraky ny aretin-tsaina ireto eny amin'ny endriky ny olona, sady ho azontsiuka natao ny niatrika ity olana [ilay fifanarahana] ity tamin'ny fahaizana mandanjalanja bebe kokoa.

Ireo vaovao momba ny famotsorana an'i Shalit no tena hany sisa zavatra ifanakalozana resaka betsaka eny anivon'ny tontolon'ny twitter sy ny bilaogy Israeliana hatramin'ny nanambaràna ilay fifanarahana. Supermodel Bar Refaeli no toy ny fitaratra namerina ireo fihetsehampon'ny olona tamin'ny alalan'ny bitsika nalefany[he]:

גלעד שליט בבית. יום היסטורי. מרגש. גאווה להיות ישראלי http://yfrog.com/nz982gfj [3]
@BarRefaeli [4]: Tafody i Gilad Shalit. Andro manan-tantara. Mampientanentana. Mampirehareha ahy ny maha-Israeliana ahy http://yfrog.com/nz982gfj [3]

Liron Teeny dia manoritsoritra ny fihetsehampo eny an-dalambe eny [he]:

ברחוב תל אביבי.צרחות שמחה מדירות.מכשירי טלוויזיה ורדיו צועקים את הבשורה.היסטוריה
@liront [5]: Eny an-dalamben'i Tel Aviv: hiakam-pifaliana avy any an-trano any. Vata fahitalavitra sy radio samy mamoaka ilay vaovao avokoa. Tantara.

Talohan'ny nodiany ho any Israely, dia tsy maintsy nanao tafatafa [6] tao amin'ny Fahitalavi-panjakana Ejiptiana (Nile TV) i Shalit. Tsy faly tamin'ilay tafatafa ireo Israeliana ao amin'ny Twitter, tafatafa izay natao teo ambany fiahian'ireo mpikatroka mavitriky ny Hamas sy ny sampam-pitsikilovana Ejiptiana. Diso ny fandikanteny ho amin'ny  teny Hebreo ny zavatra nambaran'i Shalit rehefa nilaza izy fa hoe tsy dia tsara loatra, ary ny nanao izay hahamora ny famotsorana ireo gadra Palestiniana no hany nataony, raha toa izy ireo tsy hiverina amin'ny fanaovana asa fampihorohoroana. Ho setriny, ny Israeliana sasany aza dia nanokatra pejy Facebook mihitsy mikasika ilay mpanao gazety Ejiptiana nanadihady an'i Shalit, nampitondraina ny anarana hoe Shahira Amin, henatra ho an'ny asa fanaovana gazety [7].

טוב, עד עכשיו הייתי צינית. עכשיו אני כועסת. הראיון הכפוי הזה לטלוויזיה המצרית, כשהוא חיוור, מפוחד, בקושי נושם, זו אכזריות לשמה
@vandersister [8]: Ka izao, hatreto aloha aho dia tsy nihaino izay voalaza.  Ankehitriny kosa tezitra. Ity tafatafa noterana hatao  ho an'ny fahitalavitra Ejiptiana ity, izy amin'izany valaka, matahotra sy zara raha raha miaina dia tena fanaovana tsinontsinona tanteraka tsotra izao

Ilay mpiangaly mozika, Noy Alooshe [9] (izay tao ambadiky ny fanavaozana ny “Zenga Zenga”) no toy ny fitaratra itarafana ny fihetsehampon'ireo Israeliana momba ilay tafatafa fony izy namorona ity sariben'i  Shahira Amin ity.

[10]

Taorian'ilay tafatafa, nalefa tamin'ny fiaramanidina ho any amin'ny tobin-tafika Tel Nof i Shalit, tany izy no nihaona tamin'ny ray aman-dreniny. Nararaotin'ny Praiminisitra Netanyahu ilay fotoana mba ho hakàna sary sy hanaovana kabary fiarahabana tena ho nahavita zavatra ary dia voakiana mafy tokoa sy tamin-keso [11] noho io izy, avy amin'ireo Israeliana eny anivon'ny aterineto.

מאיפה התמונה הזו של ביבי עם גלעד ונועם מוכרת לי? אה, מכרזת הבחירות של 2013
@TzlilAvraham: [12] Nahoana àry io sarin'i Bibi [anaram-petaka ho an'i Netanyahu] miaraka amin'i  Gilad sy Noam [rain'i Shalit] no toa sahala amin'ny efa mahazatra? Oay marina, avy amin'ny saribe fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana [Netanyahu] 2013
סנט בנימין, הקדוש הפטרון של השבויים הפדויים
@roee_r [13]: Saint Benjamin, ray mpiahy ny gadra nivalo
אם היו מחזירים את גלעד שליט תמורת ביבי נתניהו, אני בספק אם היו מתנגדים לעסקה.
@adigi [14]: Raha toa ry zareo nampody an'i Gilad Shalit ho takalon'i Bibi Netanyahu, tena mino aho fa tsy nisy na iray aza nitsivalana tamin'izany

Tamar nanoritsoritra ny fomba nandraisana ireo fihetsehampo mifangaro voraka nentin'ny fiverenan'i Shalit[he]:

בוכה מהדיסוננס שבין המתיקות של הבחור הזה לבין כל מה שקורה מסביבו. הוא מובלעת של תום בתוך ערימה גדולה מאד של כל מה שדפוק במין האנושי
@tamar_tamar: [15] Mitomany aho noho ny tsy fitovian'ny tadin-dokanga eo amin'ny fahatsoran'ity bandy ity [Shalit] sy ny zavatra rehetra mitranga manodidina an'lery. Gadran'ny tsy fahalalàna ao anaty antontan-javatra lehibe izay ratsy ho an'ny zanak'olombelona izy

Ny hafa nanakiana halafon'ny sandan'ilay fifanarahana [he]:

הרטוריקה שלכם מוזרה לי קצת. החמאס שחרר את שליט, לא ביבי. ביבי הוא זה ששיחרר טרוריסטים רצחניים עם דם ילדים על הידיים
@dkapuchino: [16] Somary hafahafa ilay kabary tsara lahatra. Namotsotra an'i Shalit ny Hamas, fa tsy i Bibi. Bibi no iray amin'ireo namela ny mpanao asa fampihorohoroana sy mpamono olona hilefa miaraka amin'ny ràn'ankizy marobe mamonto ny tànany.

Ilay bilaogera Yossi Gurevitz dia namelabelatra tao amin'ny bilaoginy, Orwell's Friends [17] [he]:

בין המחבלים שמשחרר נתניהו, כותב הבוקר אלכס פישמן במוסף לשבת של ידיעות אחרונות, יש 279 אסירי עולם. הם רצחו 599 ישראלים. משוחררי עסקת ג'יבריל רצחו, לשם השוואה, 178 ישראלים “בלבד”. השב”כ מעריך, שוב אליבא דפישמן, שכ-60% מהמחבלים המשוחררים יחזרו לבצע פיגועים. בהנחה שהם יהיו יעילים כמו בעבר, מחיר העסקה צפוי להיות 359 ישראלים הרוגים. אם השב”כ יהיה יעיל באופן קיצוני וימנע את פעילותם של 99% מהם – שיעור בלתי סביר, במיוחד אם היחסים עם הרשות הפלסטינית יקרסו – אז מספר ההרוגים צפוי להיות ארבעה. שהם, בספירה המקובלת, שלושה יותר מאשר אחד. הסתברותית, אנחנו מעלים ארבעה ישראלים לפחות למולך שליט. החמאס, נודע הבוקר, אפילו לא היה מוכן להתחייב להמנע מחטיפת חיילים בעתיד; עד כדי כך היה נתניהו נחוש, תקיף ומנהיגותי.
Anisan'ireo mpanao asa fampihorohoroana navelan'i Netanyahu hilefa, hoy i Alex Fishman manoratra ao anatin'ny pejy fanampiny isaky  ny faran'ny herinandro ao amin'ny Yediot Aharonot, dia ahitàna gadra 279 izay voaheloka ho faty. Izy ireo dia namono Israeliana 599. Ireo nafahana tamin'ny fifanarahana Jibril [18], dia tsy namono “afa-tsy” Israeliana 178 raha ampitahaina. Maminavina ny Shin Bet hoe, mbola araka ny lazain'i Fishman hatrany, fa manodidina ny 60%  amin'ireo mpampihorohoro nafahana no hiverina hanao asa fampihorohoroan. Raha heverina hoe hahavita tsaratsara kokoa noho ny taloha ry zareo, ny sandan'ity fifanarahana ity dia fahafatesana Israelina 359. Raha toa ka tena mahomby ny Shin Bet ka hahasakana ny 99 % amin'ny asan'ireo vao nafahana ireo – isa tsy azo antenaina loatra, indrindra fa raha tsy manjary ny fifandraisana amin'ny Manampahefana Palestiniana – dia heverina ho tafakatra avo efatra heny ny isan'ny ho faty, izay avy amin'ny fomba fania tranainy ary avo telo heny ambonin'izay tokana [Shalit]. Raha araka ny antontan'isa, nanao sorona Israeliana efatra isika ho an'i Shalit mahafatifaty. Ny Hamas, araka ny tatitra io maraina io, tsy mivonona akory ny hitsahatra tsy haka an-keriny miaramila Israeliana amin'ny hoavy; toy izany ireo  mpitantana be di-doha, hentitra sy ny tahaka an'i Netanyahu

Ilay bilaogera Haim Har Zahav, izay nanao raharaha miaramila tao amin'ny andiany niaraka tamin-dry Udi Goldwasser sy Eldad Regev, ireo miaramila izay ny fakàna an-keriny azy ireo no nitarika ny fipoahan'ny ady tamin'ny Hezbollah tamin'ny 2006, dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy [19] [he]:

הגיע הזמן שראש הממשלה יתייצב בפני אזרחי ישראל – לא בפני אויבי המדינה אלא בפני הישראלים! – ויודיע להם שגלעד שליט היה האחרון שלגביו יתקיים משא ומתן. שתדע כל אם עבריה שאם בנה או בתה נחטפים לצורכי מיקוח, ממשלת ישראל לא תשחרר יותר מקומץ מחבלים עבורם.
Fotoana izao ho an'ny Praiminisitra mba hijoroany manoloana ny vahoaka Israeliana – fa tsy manoloana ny fahavalom-pirenena akory fa manoloana ny Israeliana! – ka hanambarany fa i Gilad Shalit noho olon farany[nalaina an-keriny] izay ny famotsorana azy dia nilàna nanaovana fifampiraharahàna. Avelao ny reny Hebreo tsirairay hahafantatra fa raha toa ny zanany lahy na ny zanany vavy nalaina an-keriny mba hanaovana fangatahana, ny governemanta Israeliana tsy hanafaka afa-tsy mpampihorohoro isaina amin'ny rantsan-tànana  mba hanafahana azy ireny

Tsy ny tontolon'ny twitter Israeliana mihitsy no tsy hisy fanehoan-kevitra maneso sy mandratra. Rotem Biton dia nanoritsoritra ny sehatra nampidirana an'i Shalit, izay nalaina n-keriny talohan'ny namoahana ny iPhone, ho ny Angry Birds [20] (Avy amin'ny mpandika: lalao video) mitaingina angidimby avy any Ejipta:

אתה רואה, אתה צריך למשוך את הציפור ואז לשחרר ולהרוג כמה שיותר חזירים #שיחות.מהמסוק
@rotemism [21]: Hitanareo,  mila manàla ilay vorona ianareo ary manafaka azy sy mamono kisoa betsaka araka izay tratra. #talksFromTheChooper
סביב שולחן ארוחת החג, נושא השיחה: מה אם גלעד נדרס מחר.
@Elle_Yav [22]: Manodidina ny latabatra fihinanana rehefa fialantsasatra [Sukkoth], lohahevitry ny dinidinika: ary raha sanatria moa ka maty noho ny lozam-piarakodia i Gilad Shalit rahampitso.
Hajiantsary maneho lehilahy Israeliana manaraka amin'ny fahitalavitra ilay miaramila Israeliana Gilad Schalit vo avy nafahana. Sary avy amin'ny Pixsmedia Images [23], copyright Demotix (18/10/11)