- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Mariazy Ara-Pombam-Panjaka Ao Yogyakarta

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Namatotra ny vona [Nanambady] ny printsesin'i Yogyakarta, Gusti Raden Ajeng (GRAj) Nurastuti Wijareni a.k.a Jeng Reni, tamin'ny talata 18 Oktobra 2011 ary nasaina nanatrika ny lanonana tamin'ny alalan'ny aterineto ny rehetra.

Jeng Reni, faravavin'ny Sultan Hamengkubuwono X, no nanambady an'i Achmad Ubaidillah, fantatra amin'ny hoe Yuda, ary sambany hatramin'izay no notaterina mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter ny Mariazy ara-pombam-panjaka.

Nialoha ny mariazy dia nakarina ho andriana i Ubai ary nomena anarana hoe Kanjeng Pangeran Haryo Yudanegara. Tahaka izany koa ny an'i Reni, ny voninahim-panjaka vaovao omena azy dia ny Gusti Kanjeng Ratu Bendara.

Miova araka ny sata misy azy amin'izao fotoana ny anaram-panjaka Javaney, na jerena ihany koa hoe lahy na vavy, tanora na lehibe, olona akaiky ny Sultan ve sy ny zavatra maro samihafa.

Ny fizotran'ny mariazy dia hita amin'ny alalan'ny Twiticker [1], Tumblr [2], Twitter amin'ny alalan'ny #kratonwedding [3] sy #kirab [4], na ao amin'ny kaonty Twitter ofisialy @kratonwedding [5].

Tamin'ny alalan'ny namana iraisana no nihaonan'i Ubai, taranaka Javaney teraka tany Jakarta, tamin'i Jeng Reni. Tsy nahalala i Ubai tamin'ny voalohany fa ny zazavavy izay nahalatsa-pitia azy dia printsesin'ny fianakaviam-panjaka ela indrindra Javaney ao amin'ny saikanosy. Niaraka nandritra ny efa-taona izy roa.

Nirotsadrotsaka ny fiarahabana sy ny firariantsoa ao amin'ny #kratonwedding sy ny #kirab (naotin'ny mpanoratra: diabem-piravoravoana amin'ny teny Javaney).

arieslukman [6]: This is how people in Yogyakarta loves their Sultan an Family! #kratonwedding http://instagr.am/p/Qkslv/

izany no fomba itiavan'ny vahoaka eto Yogykarta ny Sultan sy ny fianakaviany!

kikoadh [7]: #KratonWedding !!!! Malioboro is so crowded and everyone's sweating. But it was fun

Hipok'olona tokoa i Malioboro ka sempotsempotra ny olona. Saingy nahafinaritra

helloikun [8] : Turut berbahagia untuk pernikahan GKR Bendara & KPH Yudanegara semoga menjadi keluarga sakinah dan bahagia #kratonwedding

helloikun: Faly amin'ny mariazin'i GKR Bendara & KPH Yudanegara. Mirary ankohonana sambatra sy miadana ho azy roa.

ferrymbaldan [9]: Luar biasa….lautan manusia yg hadiri kirab dr Kraton ke Kepatihan….DIY: Memang Istimewa dan Harus Tetap Istimewa #kratonwedding

ferrymbaldan: Mahagaga… vahoaka mangoro-potsy miandry ny diabem-piravoravoana miainga avy any amin'ny Kraton (rova) mankany amin'ny Kesatriyan (Toera-ponenan'ny Andriana na Manamboninahitra). Tena miavaka manokana tokoa ny faritr'i Yogyakara ka tokony hijanona ho tahaka izay hatrany.

Misy mpisera Twitter vitsivitsy, tahaka an'i Dayu, izay diso fanantenana tamin'ny nataon'ny fahitalavitra be mpanaraka izay tsy dia niraharaha loatra ity hetsika anisan'ny lehibe indrindra tanatin'ny taona ity.

DayuWijanto [10]:
Kenapa hanya di BChannel? Kemana TV2 keren dan beken lainnya? Ini urusan warisan budaya bangsa lho.. *tetep ga trima*

DayuWijanto: Fa naninona no tao amin'ny BChannel ihany? Fa aiza ny TV tsara sy malaza? Resaka lovan-kolontsain'ny firenena anie ity e. Tsy azo ekena.

Malaza ho be fombafomba ny mariazy Javaney izay mety manomboka andro vitsivitsy mialoha ny fotoan-dehibe, ary maharitra fito andro. Misy fomba fiakanjo manokana tsy maintsy arahin'ny asaina sy izay rehetra avela hiditra ao amin'ny efitrano fanasana.

[11]

Ny mpiambina ny Mpanjaka. Saripika irwan_f3

Sambutan dari teman teman wartawan peliput #kratonwedding [12]

Ny mpaka sary manao akanjon-drazana Javaney. Saripika @kratonwedding ao amin ny Twitpic.

[13]

Miandry ny Printsy Yuda eo amin ny lapan ny manamboninahitra ny Yogyakartana. Saripika Bakpia Pia Djogdja ao amin ny Lockerz.

GKR Hemas beserta kerabat putri kraton memasuki Kesatriyan untuk siraman KPH Yudanegara [14]

Ny Mpanjakavavy Ambony GKR Hemas sy ny havany migadona eo amin ny lapan ny manamboninahitra. Saripika Kraton Wedding ao amin ny Tumblr.

Presiden RI mengucapkan selamat [15]

Sultan Hamengkubuwono X, izy roa ary ny Filoha Yudhoyono. Saripika @kratonwedding ao amin ny Twitpic.

[16]

Ny Mpandihy Bedhaya Sangaskara. Saripika @kratonwedding

Masyarakat mencintai kedua mempelai [17]

Fiarahabana ny Yogyakartana avy eny ambony kalesy tsy mitafo. Saripika @kratonwedding ao amin ny Twitpic.



Manaiky an'i Yogyakarta ho faritra manokana ao amin'ny saikanosy sy manaiky ny Sultan Hamengkubuono X miasa ho governorany ny fanjakana Indoneziana.

Tena hajain'ny mponina ao aminy tokoa ny Yogya Sultan. Raha iverenana ny tamin'ny 2009, dia notendren'ny Antoko Golongan Karya (Golkar) hirotsaka ho filoham-pirenena izy.