- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Frantsa : Fanalàna Azy Ho an'ny Tontolon'ny Tweet Ny Fampielezan-kevitra Hofidiana ho Filoha

Sokajy: Eoropa Andrefana, Frantsa, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Dia efa tena nanomboka tokoa moa izany ny fampielezan-kevitra ho fidiana ho filoham-pirenena 2012 ao Frantsa ary manaporofo izany ireo tambajotra sosialy toy ny Twitter.

Ireo fifidianana savaranonando ho an'ny kandidà avy amin'ny elatra havia dia nampanonjanonja tokoa ny tontolon'ny fanapariaham-baovao tato anatin'ireo herinandro faramparany teo sady namoaka an'i  François Hollande ho solontenan'ny antoko sosialista (PS).  Marobe ireo lohahevitra tena nifanakalozana niresaka momba ny fifidianana no mipongatra sy miteraka fanehoan-kevitra mahatsikaiky ao amin'ny twitter eo amin'ireo mpampiasa io tambajotra sosialy io.

Ao amin'ny bilaoginy,  Sarkofrance [1] dia miteny amintsika fa taorian'ireo fifidianana savaranonandon'ny antoko sosialista, dia naniry mafy i Nicolas Sarkozy ny mba hiresahana ny momba azy (indray) [2].

Sarkofrance [1] manohy fa mikasika izay indrindra , ny UMP, antokon'ny eo amin'ny fitondrana no sady maro an'isa, dia nanapa-kevitra :

Ny« hiditra an-kianja hifampitaha amin'ny kandidà avy amin'ny sosialista »

Ny Talata tolakandro ary dia nisy ny  ny fifanarahan'ny UMP [3]. Tomponandraikitra efapolo eo ho eo avy amin'ny maro an'isa, ka ny dimiambinifolo minisitra ary ny mpanolotsaina amin'ny fifandraisana an'Atoa Sarkozy, no nivory ny Talata alina mba hiresaka momba ny hiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Tao amin'ny twitter @MehdiYanis [4] avy amin'ny bilaogy Pudding à l’arsenic [5] dia nanapa-kevitra hamaly bontana amin'ny fandefasana ny tenifototra #UMPanique [6] izay tanaty ora vitsy dia efa tafapetraka ho eny antampon'ny tontolon'ny fandefasana bitsika ho an'ireo miteny frantsay [7] noho ny fifandimbiasan'ireo teny tsara sy ireo fanehoan-kevitra maneso. Ohatra:

@Pierre_C_Porter [8] :

Faly mahita ny #UMPanique [6] eo alohan'ny  #toiaussiparticipealaconventionump [9] – #ianaokoamandraisaanjaraaminfifanarahanaump (nalefan'ireo mpiandany amin'ny UMP)

Efa ela tokoa no tsy niàla liana toy izany ny tontolon'ny fandefasana bitsika frantsay araka ny anamafisan'i @mathieulinares [10] azy  :

Tena efa ela tokoa aho no tsy mba nihomehy toy izao teto amin'ny  Twitter !! Misaotra ny #UMPanique [6] sy ny  #conventionUMP [11]

Ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra :

@intox2007 [12]:

tsy ho ela eo amin'ny vata fahitalavitrareo #UMPanique [6]

@Isabellegachet [13]:

Andraso kely, tena mpanao hatsikana marina ireto #UMPanique [6], “Bond, je m'appelle [14]Euro Bond [15]” ireto

@Romain_Pigenel [16] :

“Te-hitsilo” ny làlana ny UMP => tetikasan'i Sarko ho an'ny 2012 : “ny làla-mazava” #UMPanique [6]

 

[17]

 

@_brahim_ [18] :

#UMPanique [6] Sahala amin'ny any aminà téléthon [19] izany ny tena miaraka amin'ny milina fanaovana kajin-dry zalahy

@_J_E_A_N_N_E [20]:

Arf, ny fitaovam-panisàna miaraka amin'ny feon'ny vata sarihana fampirimam-bola, sahala amin'ny hoe any amin'ny magazay  Juste Prix [21]. Hiato aho fa tsy vitako intsony. #UMPanique [6] #conventionUMP [11]

@Romain_Pigenel [16] :

Je n'ai pas suivi, le compteur qui s'affiche c'est le montant de la Valise RTL [22], heu, françafricaine [23] ?

@PierreKanuty [24] :

#UMPanique [6]“tsy azontsika avela ho an'ity fitondrana sosialista ity ny Frantsa-ntsika”. Fifangaroan-teny milaza zavatra betsaka

@nl_green [25]:

Miaraka amin'izay fahalalàna rehetra nahafantarako ny zanak'olombelona, ahoana no hihinana am-bolony izay lazaina ao amin'ny#UMPanique [6] ny mpikambana UMP

@1_rien [26]:

Ny hany fahombiazana tokona hitan'ny UMP tato anatin'ny 5 taona, dia ny olona rehetra nanjary nifantoka bebe kokoa amin'ny PS . #UMPanique [6] #ZéroBonneFoi [27]

@la_question [28]:

‘Zao e, apetratsika amin'ny fianaran-draharaha ny zava-drehetra, esorina amin'ny fanabezana izao rehetra izao. Ny mahantra tsy mila mampiasa saina. #UMPanique [6]

@ZeFML [29]:

Ny zavatra mety hampitokiky ahy, dia i Carlita mety ho teraka androany 🙂 #UMPanique [6] (Carla Bruni-Sarkozy izay antsoin'ny vadiny hoe Carlita dia efa miandry andro hahaterahana sisa)

Ny bitsika enti-mamarana dia azontsika avy amin'i @GillesBonMaury [30]

Mila manao fifanarahana amin'ny PS izao amin'ny fifanarahan'ny UMP momba ny tetikasa PS, mba ho afaka mihetsika amin'ireo fanehoan-kevitra avy amintsika ny UMP. #UMPanique [6]

Nefa, tsy ny tontolon'ny havia ihany no be kiana sy maneso, ilay bilaogera @ZeFML [29] dia nanoratra lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy izay ny lohateny dia mamaritra tsara ny toe-tsain'ny sasantsasany ao amin'ny elatra havanana :  Ci-git l’UMP [31]