- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Borondi, Cote d'Ivoire, Haiti, Kolombia, Palestina, R.D. Kongo, Timor Atsinanana, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Katroka 7 Miliara

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou [1] no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport [2], fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity.

Burundi : le centre sportif Peace & Sport de Gihanga  - Photo Peace and Sport [3]

Burundi : foibe fanatanjahantena Peace & Sport ao Gihanga – Saripika Peace and Sport

Any amin'ny firenena izay idirany an-tsehatra, miara-dia amin'ny mpandray anjara ao an-toerana eo amin'ny fandrafetana sy ny fametrahana fandaharan'asa ho an'ny tanora marefo ary amin'ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-panatanjahantena misy ao an-toerana sy izay efa potika nandritra ny fifandonana mitam-piadiana ny Peace and Sport.

Ao Burundi [4], ohatra, Peace & Sport no mamatsy vola ny fanavaozana ny kianjam-panatanjahantena, ny fampitaovana sy ny fanofanana ny mpanentana ara-tsosialy sy ara-panatanjahantena. Ankizy mpianatra na niala tamin'ny fianarana 300 ao Gitegha, kamboty noho ny ady ary ankizy tsy manan-kialofana avy amin'ny arabe manodidina, no nampianarina hilalao fandakabaolina, atletisma, karate, biathle [5](hatramin'ny 2008), judo, volleyball, basketball ary tennis madinika. Nisy ihany koa ny fikarakarana fifaninanana eo amin'ny samy fokontany ho amin'ny fampihavanana sy fanabeazana ary ho amin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana ihany koa.

Iray amin'izany andian-tanora izany i Pascal, 16 taona, mpialokaloka teo aloha ary mieritreritra ny hilalao baolina ao amin'ny ivotoeran'i Gihanga
:

Le sport, ça m’aère la tête. Quand je joue au football, je dépense beaucoup d’énergie : du coup, je ne pense plus à la mort de mes proches, je m’enlève les pensées noires de l’esprit. Ça me tranquillise. En plus, grâce au football, je peux mieux discuter avec les autres enfants : j’apprends à les guider, sans les commander forcément, j’aime bien ça. 

Manadio ny saina ny fanatanjahantena. Mandany angovo betsaka aho rehefa milalao fandaka baolina : eo noho eo ihany dia adino ny fieriteretana ny havako maty, esoriko ny eritreritra maizina ao an-tsaiko. Mampitony ahy ilay izy. Ankoatra izany, noho ny fandaka baolina dia afa-mifampiresaka amin'ny ankizy hafa aho : mianatra ny manoro lalana azy ireo, tsy voatery hibaiko, izay rahateo no tiako.

Tany Côte d’Ivoire [6], nandritra ny fikorontanana politika sy ny adim-poko tamin'ny fiandohan'ny taona 2011, dia niditra an-tsehatra ary mbola any amin'ireto tanàna manaraka ireto ny Peace & Sport : Bouake, Abidjan (Marcory), Daloa, Man ary Yamoussoukro amin'ny fanohanana ny ONG any an-toerana mba hahazoan'ankizy eo ho eo amin'ny 600 eo fandaharam-pampianarana sy famerenana ny ankizy eny anivon'ny fiaraha-monina (fampianarana mamaky teny sy manoratra, fahasalamana, fahaiza-miaina anivon'ny fiaraha-monina)

Nahoana ianao no nanangana ny Peace & Sport ?

Joël Bouzou miaraka amin i Nelson Mandela – Saripika: vohikala Peace & Sport

Joël Bouzou : Nanangana ny Peace and Sport aho tamin'ny 2007 satria , fantatrareo aho fa nahazo meday olaimpika, hitako ny fahafahan'ny fanatanjahantena mampiray hina ny olona na dia eo aza ny fahasamihafana eo amin'ny safidy politika, na ara-piarahamonina, na ara-poko na fivavahana, ary matetika na dia eo anivon'ny fifanandrinana anatin'ny planeta aza.

Aiza ny firenena efa niasanareo ?

JB : Efa nifandray sy nandrindra fandaharan'asa tamina firenena 7 izahay : Côte d’Ivoire, Burundi,  Timor Atsinanana [7],  Kolombia [8]Haïti [9]Isiraëly-Palestina [10] ary ny vao haingana teo ny tao R. D. Kongo.

Aiza ho aiza moa no ahafahanareo mieritreritra fa mampiroborobo ny fandriampahalemana ianareo ?

JB : Ho ahy ny fandriampahalemana tsy hoe rehefa tsy misy ady miseho : ampianarina, ianarana ary ifampitana ny fandriampahalemana. Fitaovam-pampianarana mahomby ny fanatanjahantena. mora aorina, na tsy misy foto-drafitr'asa aza. Efa misy rafitra ny mampianatra azy hanampy ny tanora marefo hitombina ara-tsaina sy hanana marika ifikirana. Mianatra ny te-hivoatra indray sy ny hahomby. Mahita indray ny lalan'ny fiaraha-mientana, ny fifampizakana ary ny firahalahiana indray ry zareo. Mianatra ny manatona ny hafa, mianatra ny mandresy ny fitsaratsara-poana ary mianatra ny hiresaka.

Peace & Sport, izay teo ambany fiarovan'ny Printsy Albert II de Monaco, manentana ihany koa ny ekipa Champions de la Paix [11], izay mampivondrona atleta avo lenta 56 manerantany, ery manome loka ihany koa ho an'ny fikambanana isan-toerana na hetsika ara-panatanjahantena, tahaka ny fikambanana Skateistan ohatra, izay mampianatra skate board amin'ny ankizy Afghana lahy sy vavy.

Ny 21 septambra, nandritra ny Andro Iraisampirenena momba ny Fandriampahalemana [12], dia nikarakara varavarana misokatra manokana ihany koa ny ivontoeran'ny Peace & Sport mba hampakarana ny sandan'ny fanatanjahantena.