Telo volana lasa izay, nahatratra ny fetra faran-tampony ny tsy fahaiza-mandefitra ara-pinoana tamin'ny raharaham-panjakana, taorian'ny fihetsiketsehana nataon'ny Bahraini, dia nisy Koetiana iray mpampiasa Twitter nantsoina hoe Nasser Abul (@NasserAbuL) nosamborina rehefa avy niteny ratsy ny fitondrana Bahraini sy Saodiana.
Tamin'ny voalohany, dia maro ny olona no nihevitra fa noho ireo bitsika manana fironana aminà sekta nataony no antony nisamborana an'i Abul, bitsika izay nahitàna ny fanehoany ny hatezerany ka nilazany ny zava-nitranga tamin'ireo mpikambana ao amin'ny sekta Shia ao Bahrain; nefa na dia izany aza dia tsy izay ihany no niampangàna azy. Nandany telo volana tao amin'ny polisim-pirenena sy ny fonja ao an-toerana i Abul ary ny fotoam-pitsarana azy dia nahemotra foana. Nony farany anefa, dia nanapa-kevitra ny fitsarana fa hafahana i Abul rehefa avy nanasazy azy nandritry ny telo volana, izay efa vitany rahateo, nonho ny fitenenana ratsy ny sekta Sunnite.
Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisina herinandro vitsivitsy taorian'ny nanasaziana telo taona an-trano maizina ny Sunnite iray mpandefa bitsika antsoina hoe Mubarak Al-Bathali (@mubaark) noho ny fitenenan-dratsy antokom-pivavahana iray sy noho ny fikatsahana “hanohintohina ny firaisam-pirenena”. Raha i Al-Bathali kosa, izay tsy toa an'i Abul, dia tsy nandà velively izay nosoratany tao amin'ny Twitter. Taty aoriana anefa ilay sazy dia nahena ho enim-bolana an-tranomaizina.
Ny filazam-baovao Koetiana dia tsy nanazava ny pitsopitsony momba ny raharaha Abul sy ny azo antoka fa iraisan'ny rehetra dia ny fandàvany ny tsy nanoratany ireo bitsika ireo, amin'ny alalan'ny filazàna fa nisy olona niditra antsokosoko tao amin'ny kaontiny ary nandefa ireo bitsika nampisavoritaka.
Tao amin'ny aterineto, dia nataon'ireo Koetiana mpampiasa aterineto fitaovana ireo lahatsoratra ara-pinoana mba hifampiitenenan-dratsy. Rehefa mijery ireo fanehoan-kevitra momba ny famotsorana an'i Abul, dia mety ho sarotsarotra ihany ny hahita olona mikirakira ity raharaha ity ho toy resaka zon'olombelona na ara-politika. Tao amin'ny Kuwaiti National Online Forum na Sehatra Nasionaly Koetiana Fiadian-kevitra ao amin'ny Aterineto, dia niantomboka ny resaka taorian'ny famotsorana an'i Abul rehefa nanoratra ireto teny manaraka ireto ny mpikambana iray antsoina hoe Al-Ashtar [ar] ao amin'ilay sehatra fiadiankevitra::
Nisy mpikambana iray hafa antsoina hoe “Bidoon Mojamala” [ar] tao amin'ilay sehatra fiadian-kevitra no namaly hoe:
Nanoratra valinteny hafa tao amin'ityy lahatsoratra ity i Al-Ashtar, izay nahitàna pejy maromaro, ka nilaza izy tamin'izany fa miroborobo fatratra ny resaka sekta ao Koety:
Nanandrana niteny tamim-pahendrena i Sager [ar] ka nilaza fa tokony hitovy tàntana ny fiarovan'ny olona ny Shia Nasser Abul sy ny Sunnite Mubarak Al-Bathali:
Vakiteny fanampiny:
Advox: Three Netizens Detained na Mpampiasa Aterineto Telo Voatàna