Tantara tamin'ny 18 Oktobra 2011
Jordania: Governemanta vaovao, Faniriana sy Fanantenana!
Notendrena androany ny praiministra vaovao tany Jordania, taorian'ny nandefasan'ny ankamaroan'ny solombavambahoaka taratasy nankany amin'ny mpanjaka Abdallah, izay nitaraina noho ny nataon'ny governemanta notarihan'i Dr Marouf Bakhit. Nametra-pialana i Bakhit ary...
Koety: Rehefa Notanana Am-ponja Telo Volana, Nafahan'ny Fitsarana Ilay Mpampiasa Twitter
Ny Koetiana iray mpampiasa aterineto, Nasser Abul, dia nafahana tao am-ponja rehefa nahavita ny saziny nandritry ny telo volana raha niteny ratsy ny fitondrana Bahraini sy Saodiana. Nihetsika ireo mpampiasa aterineto taorian'ny famotsorana azy.
CIVICUS: Fandinihana ny tanjaky ny fiaraha-monim-pirenena
Nandritra ny telo andro dia solontena avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena maro no nivory tany Montreal, Canada nanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny CIVICUS hiady hevitra momba ny làlana rehetra hanairana ny olona, miainga avy...
Etazonia: Miha-matanjaka Ny “Occupy Wall Street”
Fony izahay namoaka ny lahatsoratra voalohany tao amin'ny "Occupy Wall Street," zara raha nipoitra tamin'ny pejy voalohany tamin'ny gazety tany an-toerana izany. Ankehitriny, miaraka amin'ny mpanaraka an'aliny maro, nahasarika ny sain'ny haino aman-jery nasionaly sy maneran-tany ny Occupy Wall Street, ary nihitatra tamin'ny tanàn-dehibe an-jatony hafa tany Etazonia ny tolona.
Yemen: Azizah Abdo Othman, Vehivavy Voalohany Maritioran'i Yemen
Maherin'ny 30 ireo olona mpitolona manohitra ny fitondràna no maty tany Yemen tamin'ny Sabotsy sy omaly, anisan'izany ny vehivavy maritiora voalohany tany an-toerana Aziza Abdo, izay maty voatifitry ny mpitifitra nandritry ny tolona tany Taiz. Maneho hevitra manoloana izany loza izany ireo Yemenita mpampiasa aterineto.