- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Misaona Ireo Mahery Fo Tamin'ny Maspero

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Niara-nisikina ny Ejypsianina taorian’ ilay herisetra tamin'ny 9 oktobra niseho tao amin'ny tranoben'ny fahitalavi-panjakana Maspero, izay natao fitaovana handrisihana ireo Miozolomana hanohitra ny Kristianina sy ny mifamadika amin'izany. Nitarika fahafatesan'olona 25 eo ho eo sy faharatrana 200 ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsiky ny Kopta nitakiana fanazavana mikasika ny fahamaizan'ny fiangonana ao Sohag sy Aswan.

Izay nokendrena ho fandrobana ataona antokom-pivavahana, sy teti-dratsy hamotehana ny firaisan-kinan'i Ejypsianina, no vao maika nampitambatra ny hery sy nampijoro tamboho hanaporofoana fa ady ataon'ny fitondrana ejipsianina amin'ny vahoaka ilay alin'ny Alahady Mainty [1] tao Ejipta fa tsy adin'ny Kristianina amin'n Miozolomana.

Na dia mbola misy aza ireo olona mankasitraka ny fifanavakavahana ara-pivavahana ary mino fa masina ny tafika ka tsy hanao ratsy mihitsy, mpiserasera maro no nanaiky fa famonoan'olona ny zava-nitranga tao Maspero no sady fanafihana ny Ejypsianina iray manontolo.

Bilaogera Ejyptiana Mahmoud Salem ni-tweet hoe:

@Sandmonkey [2]: Izaho no mety voalohany hanambara izao, aza milaza fa namono ireo Kristianina ny tafika. Lazao fa namono ireo Ejypsianina ny tafika. Tsy misy intsony ny vondrona madinika. #maspero

Araka ny fitantarana nataon”i Darwis mikasika ny fihetsiketsehana [3], nilamina tanteraka ny fihetsiketsehana, niaraka tamina Miozolomana maromaro tonga naneho firaisankina:

”القسيس المتحدث بيأكد ان المسيرة سلمية و بيحيي المسلمين المتضامنين.”
Nanamafy ny pretra nitarika ny diabe fa nilamina tanteraka izany diabe izany ary nankasitraka ireo Miozolomana tonga naneho firaisankina izy

Tonga tamin'ny toerana kinendry ihany ny diabe taorian'ny fifandonana natrehina teny antsefatsefan-dalana, ary nivadika sit-in izany araka ny filazan'i Adam Makary [4]:

@adamakary [5]:  #Kopta 1000 no nanatanteraka sit-in ao @ #Maspero mandra-pitondra ireo tompon'andraikitra tamin'ny fandorana fiangonana tao #Sohag sy #Aswan eny amin'ny fitsarana

Avy eo anefa, korontana no niseho; nivoara-mena ny hetsika milamina:

Image from blog.notesfromtheunderground.net [6]

Sary avy amin'ny blog.notesfromtheunderground.net

Nampahatsiahy ireo Ejyptiana ilay zava-niseho mahatsiravina nataona fiarana diplomaty izay nandona olona tamin'ny 28 Janoary, tamin'ny fiandohan'ny revolisiona Ejypta, ny fisian'ireo fiara mifono vy manafika olo-tsotra eny an'arabe.

Ahmed Mounir, vavolombelona nanatri-maso, nanamafy izany [7] :

فجأة وبدون مقدمات دخلت المدرعات في مشهد قريب من مشهد يوم الغضب 28 يناير ودهست اعداد كبيرة
واللي مش مصدق يشوف الفيديو دة
Tampoka teo, nohodidinin'ny fiara mifono vy ny toerana, saika mitovy tamin'ny Zoman'ny Fahatezerana , ary nandona olona maromaro. Ho an'ireo izay tsy mino ahy, jereo ity lahatsary [8] ity.
Tao amin'ny YouTube, Mounir nandefa ireto lahatsary manaraka ireto izay mampiseho ireo fiara mifono vy miezaka mandona mpanao fihetsiketsehana:

Ary nanampy trotraka ny fahitalavim-panjakana Ejipsianina nandefa vaovao mahamenatra miteraka fahatezerana, vaovao izay miampanga ireo Kristianina ho nanafika ny tafika.

Mahmood Salem nanao fanamarihana momba izany lainga izany. Ni-tweet izy hoe:

@Sandmonkey [9]: Lahatsary mahatsiravina ahitana an'i Rasha Maged nandainga sy namporisika ny mpijery hamely ny kristianina http://www.youtube.com/watch?v=E7m08JJdxao #maspero #egypt

Firenena mihoso-drà sy misaona no niseho ny ampitson'ny alin'ny fandatsahan-drà, maherin'ny 20 no namoy ny ainy ary maherin'ny 200 ireo naratra.

Tamin'ny Alatsinainy maraina, nandresy tamin'ny ady sasantsasany ilay mpisolo vava Khalid Ali [10], nahazo alalana hanatanteraka fandidiam-paty (fizahana ny anton'ny nahafatesana) izy mba tsy hamela ireo rà latsaka ho vita mora.

Tsy nahagaga ny maro ny valin'ny fandidiam-paty.

@MHassan [11]: Tamin'ireo 17 natao fandidiana; 10 no voahitsaky ny fiara. iray maty nisy nanindrona tamin'ny sabatra, ary ny ambiny kosa nisy nitifitra tamin'ny basy.

 

Bullets were shown by relatives of the victims of the October 9 massacre. Photo taken from Arabist Blogpost. [12]

Bala nasehon'ny fianakavian'ny niharam-boina tamin'ny famonoan'olona ny 9 Oktobra. Sary nalaina tamin'ny lahatsoratra bilaogy Arabista.

Nandritra ny fanatanterahina ny fandidiam-paty, nitangorona tao anaty sy teo ivelan'ny Katedraly Abbaseya ny olona, eo am-pikarakarana ny fanotronana manetriketrika ny fandevenana mba hanome voninahitra ny fanahin'ireo martiora. Nanaporofo ny fandevenana fa tsapan'ireo Ejypsianina na Miozolomana na Kristianina ny tetidrasy nentina hampifandrafiana azy ireo. Tao anatin'ny fotoam-pivavahana, nanakoako tanteraka tao amin'ny katedraly ny teny filamatra sy ny antsoantso mafy manohitra ny fitondran'ny tafika.

Taorian'ny filaharan'ny mpivavaka, nisy ny diabe miainga avy eo amin'ny kadetraly ho an'ny amin'ny kianjan'ny Tahrir mba hanomezam-boninahitra ilay mpitolona Mina Daniel [13] izay nangataka talohan'ny nahafatesany tao anaty fiara mpitondra marary mba hiainga eo amin'ny kianja Tahrir ao Kairo, (Ivotoeran'ny revolisiona Ejyptiana) ny fandevenena azy .

Khaled Ali [10] [ar] nahita ny renin'i Mina miresaka irery sy miresaka momba ny zanany lahy maty:

متخفش أنا قوية وفرحانه عشان انت فرحان كنت عايز تموت شهيد عشان مصر وبقيت شهيد
@Khaledali251 [14]: Aza manahy, sady mahery aho ny faly noho ianao. Te-ho faty mba ho maritioran'i Ejipta ianao, ary nataonao tokoa izany
Lahatsoratra fanampiny:

Ejypta: Deadly Crackdown on Coptic Protests [1](Fifandonana Nahamoiza an'ain'olona tamin'ny Fihetsiketsehana nataon'ireo Kristianina) nosoratan'ilay bilaogera Grika sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Online Asteris Masouras.