Tantara tamin'ny 16 Oktobra 2011
Myanmar: Tsy Noraharahian'ny Praiminisitra Thailandey ve i Aung San Suu Kyi?
Nitsidika an'i Myanmar tamin'ny herinandro ny Praiminisitra Thailandey Yingluck Shinawatra fa nahalasa saina ny mpiserasera ny tsy nitsidihany ny olomangan'ny demokrasia Aung San Suu Kyi. Indreto ny sasantsasany amin'ny hevitra nivoaka nadika tamin'ny teny Birmana.
Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra
Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy
Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.
Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce

Phil Cash Cash dia mpandalina momba ny teny ary mpikambana amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra. Izy koa dia liana manokana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny web 2.0 ho fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ny teny Nez Perce, izay tombanany fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara azy sisa no tavela.
Etazonia: Nodimandry i Dennis Ritchie, Ilay Olo-malazan'ny Siansan'ny Solosaina
Ilay olo-malazan'ny siansan'ny solosaina, Dennis Ritchie dia nodimandry ny 8 Oktobra 2011 teo, tao an-tranony tany New Jersey teo amin'ny faha-70 taonany, namela lova misy fiantraikany goavana eo amin'ny fandrosoan'izao tontolo izao. Ritchie no namorona ny langage C fanoratana rindrambaiko, iray amin'ireo langages maro fanoratana rindrambaiko fantatra nandritry ny fotoana rehetra.