- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eran-tany: Firohotan'ny Twitter Ho An'i #TroyDavis

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Any Etazonia, izay ara-dalàna ny sazy farantampony [1] afa-tsy any amina fanjakana 14, ny raharahan'i Troy Davis [2] dia nisarika ny hatezeran'ireo mafana fo mpandràra izany.  I Davis dia voaheloka ho namono mpitandro filaminana iray tamin'ny 1989 nandritra ny fitsarana izay tsy nisy porofona ADN [3] mahatafiditra azy amin'izany, fa fijoroana vavolombelona fotsiny, izay ny ankamaroany dia nanàla ny fanambaràny taty aoriana.

Nelohina ho faty i Davis, ary nokasaina hatao tamin'ny 17 Jolay  2007  ny famonoana azy voalohany. Taorian'ireo fampakàrana fitsarana nataon'ireo mpisolovavan'i Davis, ireo Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Fanjakana, sy ireo olo-malaza maro, nahazo fampiatoana ny fanamelohana ho faty azy i Davis. In-droa nahemotra ny famonoana azy ho faty [4], ary samy nahazoany fampiatoana avokoa izany; avy eo, taorian'ny fiantsoana fitsarana federaly tamin'ny 2010 – izay nolavina – mbola nokasaina hatao indray ny fanamelohana ho faty azy, ho amin'ny 21 Septambra 2011

https://twitpic.com/6og5wc [5]

Naka ny sary: BigBoi, Twitpic

Miaraka amin'ireo mpisolovavan'i Davis [6], nitaky ny fampiatoana ny fanamelohana azy ho faty ireo fikambanana tahaka ny Amnesty [7], nandrisika hatramin'ireo olo-malaza tahaka an'i Kim Kardashian [8] sy ilay mpiangaly rap BigBoi [9] mba hanao antso avo any amin'ireo mpanaraka ny Twitter-n'izy ireo

 

Tanatin'ireo ora sy minitra nialoha ny fanamelohana ho faty, voatondro hotanterahina amin'ny 7 ora hariva any an-toerana, ireo olon-tsotra manerana izao tontolo izao dia nanohy nidina an-dalambe mba hitakiana ny fampiatoana ny fanamelohana azy ho faty. Nampiasaina ny tenifototra #Troy Davis [10], #TooMuchDoubt [11], ary ny #TheWholeWorldIsWatching [12].

Avy any Grande Bretagne, @Rachel_McCormack dia nitoraka bitsika [13]:

Georgia aty ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia aty Londona aho mangatsiaka sady mijery #thewholeworldiswatching

Mbola avy any Grande Bretagne ihany, i @CatherineBee dia nizara ny heviny [14]:

“Tsara lavitra ny manafaka olon-dratsy toy izay manameloka olona tsy nanao na inona na inona.” Voltaire #thewholeworldiswatching #troydavis

@LizLemonCologne dia naneho fihetseham-po [15] izay angamba nifampizaràn'ny maro:

Nahavaky ny foko tsotra izao ny fanarahana ‘ny tenifototra #thewholeworldiswatching . #troydavis

@monstris dia nalahelo [16]:

Jereo ny Demokrasia amin'izao fotoana izao. Ankehitriny. Jereo ny firodanan'ny demokrasia ho an'i #TroyDavis. Dia manontany tena ny olona hoe maninona aho no nandao an'i Amerika. #thewholeworldiswatching

Ary avy any Gresy, i @helion dia niteny [17]:

Demokrasia tandrefana iray, antsoina ho tanin'ny zon'olombelona, tsy tokony hàka ny ain'ny olom-pirenena iray mety ho nanan-tsiny #thewholeworldiswatching

Tamin'ny farany, lasa hiaka fiantsoana fidinana an-dalambe manohitra ny fanamelohana ho faty ny lehilahy iray mety ho  tsy meloka akory ireo bitsika –feno hafanam-po. Minitra vitsy monja taorian'ny tamin'ny 7 ora alina, nipoaka ny vaovao tao amin'ny Twitter fa nahazo fampiatoana ny fanamelohana ho faty azy i Davis. Hoy [18] @Colorlines:

Tsy mahaloa-peo! nitatitra ny @democracynow tamin'ny minitra farany fa nahazo fampiatoana ny fanamelohana ho faty izy! Jereo mivantana: http://democracynow.org #troydavis

Avy any Grande Bretagne, i @GrahamSimmons no mitsikera [19]:

fandresen'ny maha-olombelona ny androany alina #troydavis #thewholeworldiswatching #fb…..

Nefa manoloana ny hafaliana, @graceishuman – mitatitra ireo vaovao avy any amin'ireo mpanangom-baovaon'ny @DemocracyNow ao amin'ny trano fitsarana – nanazava ireo vaovao, milaza [20] hoe:

Namoaka fampiatoana ny fanamelohana ho faty an'i #troydavis ny SCOTUS – izay midika fa nahemotra (noho ny famakafakana lalina kokoa?) fa tsy nampiatoana. (avy amin'ny Democracy Now)

Nanamarina ilay tantara [21] ny ABC News, nanambara fa “Ny Fitsarana Avo dia mety hanapa-kevitra amin'ny fotoana rehetra androany alina na mandritra ireo fito andro manaraka, na hanatanteraka na tsia ny fanamelohana azy ho faty.”