- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Sarimihetsika Fanadihadiana Vaovao Manasongadina ny Fiainan-dry Klitschko Mirahalahy sy ny Asany

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Okraina, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika

Diso fantatra amin'ny hoe  “The Klitschko Brothers” – “Ry Klitschko Mirahalahy “, ireo Okrainiana Vitali [1] sy Wladimir [2] Klitschko no nibahana ny divizionan'ny  lanja mavesatra rehefa nisintaka i Lewis tamin'ny 2004. Na izany aza, ny horonantsary fanahihadiana ny fiainany mitondra ny lohateny hoe Klitschko, navoakan-dry zareo  (azo jerena eto [3] ny ampahan-tsary fampahafantarana), hatramin'ny nofinofy ara-politikan'ilay zokiny indrindra amin'izy mirahalahy [4], Vitali, dia maneho fa ireto lehilahy ireto dia tsy vitan'ny hoe atleta tsotra fotsiny.

Ny 21 Jona tamin'ity taona ity [5], ny bilaogy Nothing But The Doc dia nanambara fa Klitschko dia haseho ao amin'ny  Tribeca Film Festival. Manao teny tsy loa-body ihany koa amin'ilay olo-malazan'ny ady totohondry teo amin'ny tantaran'ny sarimihetsika, na ny Némésis-n'i Rocky Balboa ho an-dry zareo Sovietika, Ivan Drago [6]:

The official Klitschko movie poster

Ny saribe ofisialin'ny sarimihetsika Klitschko

[…] Corinth Releasing dia nanambara ny andro hamoahana voalohany amin'ny fomba manetriketrika ny “Klitschko” mandritra ny  Tribeca Film Festival. Hisokatra ao amin'ny Vohitry ny Sarimihetsika ao NYC izy io amin'ny 21 Oktobra, miaraka amin'ny anankiray hafa any Los Angeles, aoriana kely amin'io volana io ihany. Eo ambany fitantanan'i  Sebastian Dehnhardt, ilay sarimihetsika fanadihadiana dia mitantara ny tantaran'ireo Okraniana mpanao ady totohondry, Vitali sy Wladimir Klitschko, diso fantatra amin'ny maha-mpirahalahy voalohany azy ireo nibata niaraka ny anaram-boninahitra erantany teo amin'ny fanatanjahantena tao anatin'ny fotoana iray mitovy. Ny fanambaràna ho an'ny mpanao gazety dia manao azy ho toa an'i Dolph Lundgren ao amin'ny “Rocky IV”  saingy eo anivon'ny fiainana tena izy. Ary toa an'i Lundgren, ry Klitschkos dia maranin-tsaina tsy araka izay mety ho noheverinao, samy manana diplaoma ambony “doctorat’ avokoa izy mirahalahy […]

Ny bilaogy Moviefone dia nampiditra an'i Klitschko ho ao anatin'ny lisitr'izy ireo misy ny [7] antony “31 Tokony Hividianana Tapakilan-tsarimihetsika iray amin'ny Volana Oktobra”:

[…] Eh, tadidinao ve ny fanatanjahantena ady totohondrin'ny lanja mavesatra? Mbola misy izany an! Ary mbola misy mihitsy aza ny fiadiana ny anaran'izay ho tompon-daka amin'izao fotoana — izany Wladmir Klitscko izany. Izay izany, izy sy ny  rahalahiny, Vitali (izay mpiangaly ady totohondry ihany koa),  dia nanao ny horonantsary fanadihadian-dry zareo manokana, voakaly nomeny lohateny hoe, ‘Klitschko.’ Io dia afaka hampahatsiahy anao ny Rocky lalainao (na, raha tsy izany, i Ivan Drago).

Na dia tsy mbola niaka-tsehatra velively tany Etazonia aza ireto mpirahalahy, nampiasain-dry zareo ny famoaham-baovao Amerikana mba hampahafantarana ny sarimihetsik'izy ireo, izay hanomboka ao New York amin'ny 21  Okt. 2011. Ny bilaogin'i Wladimir sy Vitali Klitschko dia nampakatra lahatsary iray [8] misy azy mirahalahy miresaka momba ilay horonantsary fanadihadiana tao amin'ny NBC

Ireo tompon-daka amin'ny lanja mavesatra, Wladimir sy  Vitali Klitschko dia tao amin'ny NBC, tsy ela akory izay,  nanao fampahafantarana ny horonantsary fanadihadiana vaovao novokarin-dry zareo, ary ny tsirairay dia samy namelabelatra ampahany tamin'ilay fanadihadiana zavatra sasany momba azy ireo toy ny tenim-pirenena hainy sy ny hafanam-pon-dry zareo amin'ny politika, sns.

Ny tafatafa, izay natao tamin'ny teny Anglisy, dia nanamarika fa na i  Vitali na i  Wladimir dia samy manana ‘doctorat’ avokoa amin'ny resaka Siansa momba ny Fanatanjahantena ary samy mahay tenim-pirenena maro. Izy ireo dia niresaka, ankoatra ireo nofinofy politikan'i Vitali, ireo ray aman-drenin-dry zareo sy ny nanomezany toky an-dreniny fa tsy hifanandrina na oviana na oviana izy mirahalahy. Na dia tsy nisy nitarika azy ho amin'izany aza, noresahan'izy mirahalahy ny fifandraisana misy amin'ny zava-nahatsiravina tao Chernobyl [9] sy ny  olana atrehan'i Japana ankehitriny [10] iadiana amin'ny fipariahan'ny taratra nokleary. Ilay sarimihetsika dia nambara ho mandoko fomba nahafaty ny rain-dry zareo tamin'ilay loza nokleary tao Chernobyl tamin'ny 1986.

Colin Linneweber dia namariparitra tao amin'ny bilaoginy [11], ny  FanNation.com, ny nahafatesan'ny rain-dry  Klitschko tamin'ny Jolay 2011:

Wladimir Rodionovich Klitschko, Kolonely taloha tao amin'ny tafika an'habakabaky ny Firaisana Sovietika, ray nirehareha fatratra  tamin'ny fananany an-dry Vitali sy Wladimir ho tompon-daka malaza tamin'ny lanja mavesatra, dia lavo tamin'ny herinandro lasa teo tao Kiev, Okraina rehefa niady ela tamin'ny homamiadan'ny ‘ganglions lymphatiques’ .

Ity raim-pianakaviana tao amin'ny fianakaviana Klitschko,  niravaka mariboninahitra ity dia tany akaikin'ny Chernobyl no nonina nandritra ilay loza nokleary nahatsiravina ary nanampy tamin'ny fanadiovana ireo vondrom-pihary nisy nitsonika.

Tamin'ny May 2008, ny bilaogy  Wladimir sy Vitali Klitschko dia niresaka momba ny faharesen'i Vitali tamin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna [12] talohan'ny namerenana ho an'ny mpanaraka fa i  Vitali dia nieritreritra ny hijanona foana eo ambany mason'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny naha-mpiangaly ady totohondry azy:

Araka ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka, tsy nivoaka nandresy tamin'ny  fifidianana izay ho ben'ny tanàna i Vitali Klitschko tamin'ny 2008. Ny valin'ireo fitsapan-kevi-bahoaka ireo dia mampiseho fa tany amin'ny toerana fahatelo no nisy azy, niaraka tamin'ny salam-bato 19 isan-jato. I Leonid Chernovetsky, izay avy teo ihany no niala, no nivoaka ho mpandresy niaraka tamin'ny 30 isan-jaton'ny vatom-pifidianana. Tsy mbola antenaina hivoaka alohan'ny Alatsinainy ny tena vokatra ofisialy

Tena zavatra tsara tokoa ho an'i  Vitali raha tafita tamin'io fifidianana io. Tsara ihany koa ho an'ny ben'ny tanànan'ny tanàna lehibe iray ny miakatra ringa hiady ny anaram-boninahitra WBC. Saingy, niaraka tamin'ny fahavitàn'ny fiidianana sy ny adidy tsy dia maro loatra ivelan'ny fiangaliana ady totohondry dia azontsika eritreretina ny hahita an'i Vitali ao anatin'ny heriny alohan'ny hahatongavan'ny faran'ny taona mba hiatrehany ny fifaninana ho tompondaka amin'ny WBC.

Araka izany, maneho fiaraha-miory amin'i Vitali noho ilay fifidianana veriny, saingy mirary soa sy fiarahabana sahady ho an'i Vitali amin'ny fifaninanany ho tompondaka WBC.

Ry Klitschko mirahalahy koa dia sady nampiasa, na ny Twitter, na ny Facebook mba hampahafantarana ilay sarimihetsika.

Ao amin'ny kaonty Twitter-ndry zalahy, Klitschko News [13], dia marihan-dry zareo [14] indray ilay tafatafa tao amin'ny NBC:

Vitali sy Wladimir miresaka momba ny sarimihetsika “Klitschko” ao amin'ny NBC California fb.me/Z7JneiSB

Tamin'ny 7 Oktobra, ny Twitter an'i Klitschko News [13] dia nanisy rohy [15] mankany amin'ny Pejy Facebook vaovao natao ho an'ireo Mpankafy.

Tongasoa daholo ireo mpankafy Klitschko rehetra vaovao ato amin'ny pejy vaovao Facebook natao ho an'ny mpankafy! Nisy pejy vitsivitsy navondrona. Eto ianareo afaka [hahazo ny vaovao farany mikasika azy mirahalahy!] fb.me/125v0LPjj

Ny Pejy natao ho an'ireo mpankafy Klitschko [16] ao amin'ny Facebook dia ahitàna fanamarihana ampolony mahery mifandraika amin'ilay sarimihetsika fanadihadiana, ary doka no betsaka amin'izy ireny. Maro no talanjona fa hay mba olombelona ihany ireto mpiangaly ady totohondry ireto. Ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny Facebook dia azo itarafana ihany koa ny fihetsehampo mitodika amin'ny sehatra iraisam-pirenena avoakan'ilay sarimihetsika

Ireto ny sasany amin'izy ireny [17]:

Anjeli Jana: tiako ery ny nahita azy ity tao amin'ny vaovao avy eto an-toerana fanàrako isa-maraina – te-hamihina mafy an'i Wlad aho raha nifanatri-tava taminy rehefa miresaka mikasika ny namoizany ny rainy izy.

David Klimov: Tamin'ny teny Alemana no nahitako ilay sarimihetsika, nisy teny Polone misosa ery ambany.. na dia tsy miteny ny Alemana sy ny Polone aza aho, kanto ilay sarimihetsika! Fanadihadiana mahafinaritra! Tokony navoakan-dry zareo teto izy iny, teto Etazonia! Dia rahoviana ny tohiny no hivoaka?

Akos Szegedi: Tena ilain'ny taranaka mpiangaly ady totohondry ho avy ity sarimihetsika ity… na ny zanako lahikely ihany koa aza. Misaotra. Fiarahabana avy aty Hongria

William Perrigo: Tena goavana ilay sarimihetsika! Saingy tsy azonao andrandraina ho toy ny an'i James Bond. Fanadihadiana izy io!

Toa sahala amin'ny ohatra iray hafa mihitsy ny famoahana ny Klitschko, mpirahalahy manjohy làlana maro samihafa mba hanelezana ny aloky ry zalahy. Sahala amin'ny hoe fankasitrahana ny halavitry ny nisondrotany, dia mpanolotra iray ao amin'ny  vavahadin-tserasera BoxingScene.com no nanamarika hoe [18]:

Klitschko mirahalahy dia mety ho ny olona roa eto ambonin'ny tany faran'izay tsy dia azo antoka loatra raha resaka antontan'isa.