- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Mankatoa Lalàna Henjana Momba ny Fifindrà-monina Ny Fanjakana Ao Alabama

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ny 29 Septambra 2011, nankatoavin'ny fanjakan'i Alabama ny lalàna HB56, ny henjana indrindra amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina any Etazonia, nanaraka ny dian'ilay S.B.1070 an'i Arizona izay efa niteraka resabe tokoa, manao ny satan'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ho toy ny mpanao heloka bevava

Ilay fepetra, nankatoavin'ilay Mptsaran'ny Fitsarana Federaly ao Birmingham, Alabama, dia manome alàlana ireo olona mpampihatra  ny lalàna, na izany eny amin'ny faritra, na eo anivon'ny fanjakana, hisambotra ireo ahiahiana ho tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna, Fanampin'izany dia tsy maintsy manao filazana ny fisian'ireo mpianatra tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna any an-dakilasiny koa ireo mpampianatra sy tompon'andraikitra ara-panabeazana.

Marching against the HB56 Alabama anti-immigration law. Image by Flickr user SPROSS (CC BY-NC 2.0). [1]

Diabe fanoherana ny lalàna HB56 ao Alabama momba ny fifindra-monina. Sary avy amin'i SPROSS, mpampiasa Flickr. (CC BY-NC 2.0).

Ny governoram-panjakana, ilay Repoblikana Robert Bentley, dia manantena [2] fa mbola hisy tolo-kevitra hafa hampidirina hanamafy misimisy kokoa  ity lalàna ity, tahaka ny fandraràna ny fampiantranoana sy fitaterana ireo mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna, ary fanakànana ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna tsy ho afaka hisoratra anarana na handranto fahaizana any amin'ireo Anjerimanontolom-panjakana.

Raha toa ka mety tsy ho fatiditra ao anatin'io lalàna io ireny tolo-kevitra ireny, dia nanome toky ilay governora fa hampakatra izany amin'ny ambonimbony kokoa. Araka ny efa nampoizina, ny fitantanan'ingahy Obama dia nanao fanohanana federaly (appel) tao amin'ny Fitsarana Eleventh Circuit tao Atlanta,  tsy hampiharana ity lalàna mametra ny fifindra-monina ity.

Manomboka miseho ny vokany

Anatin'izany rehetra izany, manomboka hita ny vokatry ny lalàna HB 56. Araka ny The [3]San Francisco Chronicle [3], vokatr'ilay fanapahan-kevitry ny fitsaràna dia manomboka tsy hita any an-dakilasy izao ireo mpianatra avy any Amerika Latina.

Araka ny loharanom-baovao ofisialy, nesorin'ireo fianakaviana mpifindra-monina tsy ho any an-dakilasy  ny zanak'izy ireo, noho ny tahotra ny mety ho faneriterena na fisamborana. Toy izany koa, ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ireo mpitantana asa fihariana eny ambanivohitra sy ireo mpitarika ara-pivavahana dia samy naneho ny tsy hafaliany manoloana ilay fepetra, satria maro amin'izy ireo no nivaky fa tsy afaka mamita ny adidiny.

Tsy nisalasala naneho hevitra ny teo amin'ny tontolon'ny bilaogy. Ao amin'ny tsangànana “Re-think Immigration”, na ‘Avereno dinihana ny Fifindra-monina’, ao amin'ny bilaogin'i MATT [4], i Verónica Morales dia manamarika fa ny lalàna HB56 dia hisy voka-dratsiny amin'ireo vondrom-piarahamonina miaina eto amin'ity firenena ity:

Ity lalàna ity dia afaka manohintohina ireo vondrom-piarahamonina vitsy an'isa. Manohintohina ny asa fihariana isan-karazany ka mahatonga ho sarotra sy lafo ny fanaramàna mpiasa vaovao. Manohintohina ny rafitra fanabeazana iray manontolo- ny tahotra sy ny tsindry aloka dia tsy hanome tontolo sahaza ho an'ny fanabeazana ary hametraka vesatra fanampiny ho an'ny sekoly any amin'ny distrika sy ny fitantanana izay  miezaka ny manabe. Amin'ny teny hafa dia manohintohina ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Alabama io lalàna io.

Bilaogy iray hafa, ao amin'ny Al.com [5] no nanana lahatsoratra nanehoan'olona tsy mitonona ny anarany ny tsy fifanarahan-dry zareo amin'ireo mpampianatra izay toa hoe tsy nanao fanambaràna momba ireo mpianatra ao aminy:

Rehefa mahita sy mandre mpampianatra miteny aho hoe, “Tsy asanay ny manao polisy amin'ny mpianatray mba hahalalana na ara-dalàna izy ireo na tsia, mpampianatra izahay”; na mpiandraikitra ambony miteny hoe “ny olantsika voalohany dia ny fanabeazana ny mpianatsika ka noho izany tsy hiditra amin'izay fisian-dry zareo eo isika , hoe ara-dalàna sa tsia, tsy misy tokony hampiahiahy an-dry zareo,” mivanàka aho.

Maureen Costello avy ao amin'ny bilaogy Teaching Tolerance [6] dia miantso ilay lalàna momba ny fifindra-monina ao Alabama ho “Ny Lalàna Jim Crow amin'ny endriny vaovao”, entiny manondro ilay lalàna izay nanavàhana ny Amerikana manam-piaviana Afrikana sy  ny fotsy hoditra tamin'ny taonjato faha-19 ka hatramin'ny tapatapaky ny taonjato faha-20:

Ny lalàna vaovaon'i Alabama [7]—izay misy votoaty mandràra ny fanaramàna, fampiantranoana ary fitaterana ireo mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna—dia tena ratsy ho an'ny olon-dehibe; nefa koa faran'izay manimba ny ankizy…. Raha ny hita ety ivelany, ilay H.B 56 any Alabama dia toy ny novolavolaina avy amin'ilay lalàna ratsy laza tany Arizona, ny lalàna S.B. 1070 [8]. Saingy tsy lavitra akory ny tena lasitra. Jereo tsara. Ity lalàna ity dia nalaina tàhaka tamin-javatra tsy mifanalavitra amin'ny misy antsika: Jim Crow.

Cully Stinson sy Hans von Spakovsky avy amin'ny The Foundry [9]dia ravo tamin'ny fankatoavana ilay lalàna:

Betsaka ny vaovao tsara androany mikasika ny ady ataon'ny fanjakana hanoherana ny fifindra-monina tsy ara-dalàna (sy vaovao ratsy ho an'ny politikam-pitantanan'i Obama manohitra ny fampiharana ilay lalàna momba ny fifindra-monina)… Mbola afaka mampàkatra ilay didy navoakan'i Blackburn ny fitondran-draharaha, saingy ny ampahany betsaka amin'ilay lalàna vaovao ao Alabama dia efa mihatra amin'izao fotoana

Misy ireo vondrona ao amin'ny Facebook izay, ankoatry ny fanoherana ilay lalàna, dia manome torohay amin'ny ankapobeny, tahaka ny  “manohitra ny lalàna H.B 56 ao Alabama momba ny fifindra-monina aho.” [10] Etsy ankilany, vondrona iray hafa, “Manohana an'i Alabama (Manohitra ny Fifindra-monina tsy ara-dalàna),” [11] no faly amin'ny fankatoavana ilay lalàna H.B.56

Latino Rebels (@latinorebels [12]) nampiditra ny hoe ny asan'ireo avy any Amerika Latina dia ireo asa tsy tian'ny ankamaroan'ny Amerikana atao akory:

Noho izany dia mandositra an'i #alabama ireo fianakaviana avy any Amerika latina. Ka hiasa any amin'ireo toeram-piompiana famokarana atody ary ve izao ireo mpiasa Amerikana? Ireo no asa “nangalarina” taminy.

Ny sasany toa an'i ResistTyranny (@ResistTyranny [13]) dia nanamarika  hoe tratr'ilay  lalàna ny tanjona nokendreny

Ny lalàna henjana ao Alabama momba ny fifindra-monina (#immigration) dia niteraka vokatra TENA ARAKA izay nandrasana mihitsy – NANDOSITRA ireo tsy ara-dalàna: http://is.gd/Q1oYlh #NoAmnesty