- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Tanora Mpanao Fihetsiketsehana Maty Nisy Nitifitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vonjy Voina

Sarin'i Ahmed Al-Qattan, tanora mpanao fihetsiketsehana maty nisy namono.

Nitrangàna fihetsiketsehana tao Barhain tamin'ity herinandro ity noho ny fahatezeran'ireo olona misaona nandevina an'i Ahmed Al-Qattan 16 taona, maty voatifitra tamin'ny basim-borona araka ny voalazan'ny minisitry ny Atitany, izay tsy mba milaza ny marina momba ny antony nahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana:

@moi_bahrain [1]: Nilaza ny tatitra avy amin'ny dokotera mpizaha ao amin'ny minisiteram-panjakana fa ratra avy amina basim-borona no nahafaty an'i Ahmed Jaber .

@moi_bahrain [2]: Nampanao fanadihadiana haingana momba ny nahafatesan'i Ahmed Jaber ny Minisitry ny ATitany

Mifanohitra amin'izany kosa, ny an'ny Sampana Fampahalalam-baovao Bahrain, izay namoaka ireo zava-bita manafintohina tamin'ny alalan'ny famoronana tantara marobe nandritra ny fanoherana ny volana Febroary, nilaza ireo antony isan-karazany nahafaty ireo tanora:

@bna_en [3]: Minisitrin'ny Atitany: Maty noho ny Aretim-po i Ahmed Al Jaber http://tinyurl.com/3cxrub4 [4]

Bilaogera Britanika Marc Owen Jones (@marcowenjones [5]) ni-tweet, nanao fanamarihana ilay fampahalalam-baovao Bahrainita mikasika ny filazany ny antony nahafatesan'i Al-Qattan:

@marcowenjones [6]: Tsy nisy gazety Barhain amin'ny teny anglisy namoaka ny fahafatesan'i Ahmed Jaber al-Qattan. Steve Jobs no nibahana tamin'ny pejy anankiroa.

Al-Wefaq, Sekretera Jeneralin'ny antoko mpanohitra Ali Salman (@WefaqGS [7]) nisaona tamin'ny fahafatesan'i Al-Qattan ary nilaza hoe:

شعب البحرين يزف أحمد القطان شهيدا اخر على طريق الحرية والديموقراطية اللهم تقبل منا هذا القربا

@WefaqGS [8]:  Raisin'ny vahoaka ao Bahrain ho toy ny maritiora hafa nitondra tamin'ny fahafahana sy ny demokrasia i Ahmed Al-Qattan. Mangataka an'ilay Avo indrindra izahay mba hanaiky izany sorona izany.

Mpisiokantserasera Bahrainita mafana fo, Mohammed Ashour (@MohmdAshoor [9]) naneho hevitra hoe:

@MohmdAshoor [10]: Ahmed Shams 15 taona .. Moh'd Farhan 6 taona .. Ali AlShaikh 14 taona .. Ahmed Al Qattan 16 taona .. Ankizy maritioran'i Bahrain.

Rula Al-Saffar (@alsaffarrula [11]) lehiben'ny mpitsabo mpanampy ao amin'ny Toeram-pitsaboana Salmaniya izay vao avy nomelohina [12] higadra 15 taona an-tranomaizina noho ny fitsaboana nataony tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ni-tweet mikasika ireo tanora maritiora:

@alsaffarrula [13]: Raha azo antoka ny hopitalim-panjakana antsika sady manana mpitsabo mahay! mety avotra ihany i Ahmed! Marary ny foko!

Mpisiokantserasera Bahrainita (@BuMuhsin [14]) ni-tweet momba ny dikantsoratry ny taratasy fanamarihana ny fahafatesan'i Ahmed izay manambara fa ratra avy amin'ny basimborona no antony nahafaty azy:

[15]

Taratasy fanamarihana ny fahafatesan'i Ahmed Al-Qattan

Amin'ity lahatsary [16] ity,  sarimihetsika nalaina tamin'ny fotoana farany niarahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'i Ahmed. Mampiseho ny sarin'ireo vondrona tanora mitangorona eo amin'ny Ahmed izay mitsapa azy sy manamarina  raha mbola velona izy eo am-piandrasana ny fitsaboana atao any an-trano. Matahotra andeha hamonjy hopitaly ireo olona noharatrain'ny polisy satria mety hosamborin'ny polisy any indray izy ireo.

Mpanao gazety Bahrainita Abbas Bu Safwan ni-tweet hoe:

@abbasbusafwan [17]: TOKONY HO FANTATRY NY TSIRAIRAY FA IREO MPANAO FIHETSIKETSEHANA NARATRA TAO #BAHRAIN DIA TSY NAHAZO FITSABOANA TAO AMIN NY HOPITALY NOHO NY TAHOTRY NY FANENJEHANA #UN #USA #EU #UK #ARABSPRING

Marina tokoa fa tsy fandevenana tsotsotra no atao noho ny fahafatesan'i Al-Qattan . Bahrainita an'arivony avy amin'ny faritra maro no nirona tamin'ny fandevenana azy, izay nitarika fifandonana tamin'ny polisy misahana ny rotaka izany avy eo.

@jihankazerooni [18]: Bahrainita an'arivony no nandray anjara tamin'ny fandevenana ny Maritiora Ahmed Al qattan ankizy vao 16 taona monja.

Bahrainita hafa (@loveforbahrain [19]) no namoaka horonantsary misy ny fiaran'ny polisy manohitra ny fanoherana izay manenjika ireo olona mamonjy ny fandevenana:

@loveforbahrain [20]: Miezaka manenjika ny olona mamonjy ny fandevenana ilay Martiora Ahmad Alqattan ny polisy.

 

Ity koa lahatsary tamin'ny fandevenana an'i Al-Qattan izay nivadika ho fihetsiketsehana nahitana antsoantso manohitra ny fitondrana

Fantatra indray ny harivariva teo fa maro ireo olona naratra .