Tantara tamin'ny 09 Oktobra 2011
Okraina: Bilaogera Maneho Hevitra Momba Ny Fitànana Mafàna Fo Iray

Tany amin'ny tapaky ny volana Aogositra tany, Nampikorontan-tsaina ireo bilaogera Okrainiana ny nisamborana an'i Irina Teplinskaya, ilay Rosiana mafàna fo amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny zavamahadomelina, nampangaina ho mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina rehefa niverina avy nanaraka fitsaboana tany Okraina. Toa efa nafahana tany am-ponja i Irina ary nesorina daholo ireo vesatra rehatra nitànana azy.
Yemen: Arahabaina i Tawakkol Karman
Fitantarana manokana mikasika ny Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra avoakanay ity. Nisesisesy ny fiarahabana avy eny rehetra eny hatramin'ny nanambarana ny anaran'ny olona nahazo ny Loka Nobel ny Fandriampahalemana...
Kolombia: Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana Fahamehana
Ny marainan'ny 5 Oktobra 2011, dia nanatontosa Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana Fahamehana [es], andraisan'ny tanàndehibe 14 anjara i Kolombia. Ny Hevitra moa dia hoe misy voina (horohorontany) ka ajoro ny dingana fanentanana ny olona amin'ny andraikitra tokony raisiny raha misy voina tena mitranga tokoa.