- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Mankalaza an'i Tawakkol Karman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny fihetsiketsehana an'i Yemen  2011 [1].

Tawakkol Karman, mpanao gazety tso-po sady mpitolona momba ny zon'olombelona, voalaza ao amin'ny Guardian ho “tsilo manembatsembana an'i [filoha Yemeni Ali Abdullah] Saleh”, dia nahazo androany ny “loka nobel” fandriampahalemana voalohany avy any Yemen [2]. Ohatra voalohany amin'ny herim-po sy herin-tsaina izy tany Yemen nanomboka tamin'ny taona 2007.

Ato amin'ity lahatsary manaraka ity, navoaka tao amin'ny fantsom-baovao an'ny “Mpanao gazety vehivavy tsy voafatotra“, izay tarihan'i Karman, hita iy mitarika diabe am-pilaminana, manameloka an'i saleh sy ny fidiran'i Arabia Saodita amin'ny revolisiona any Yemen, ary manome toky fa hamerina ireo andro taloha tamin'ny fotoanan'ny filoha teo aloha Ibrahim Alhamdi, izay nofidian'ireo Yemeni omem-boninahitra androany (7 Oktobra) ary niantso izany ho “Zoma ho an'ny Maritiora Ibrahim Alhamdi”. (Lahatsary nampiakarin'i: belaquood [3]

Mivoaka manerana an'i Twitter ireo fanehoan-kevitra momba ny fandresen'i Tawakkol Karman. Ireto misy santionany amin'izany.

@tota770: [4]:

ANDRIAMANITRA O ! Azon'ilay mpitolona Yemeni Tawakol Karman ny loka #Nobel fandriampahalemana, ho ela velona #Yemen #YF

@Dory_Eryani [5]:

Yemeni izy ary vehivavy nefa azony izany! #yemen #woman #tawakkolkarman #nobel

@mainoman [6]:

Nirehareha foana ny vehivavy, ary ananany ny zo rehetra hanao izany! Nefa androany dia fantatr'izao tontolo izao hoe nahoana #Yemen #tawakkolkarman #nobelprize

@brrhom: [7]:

#TawakkolKarman malaza maneran-tany amin'ny twitter #Yemen

@OmarMash: [8]:

Nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana androany ilay vehivavy Yemeni mpitolona Tawakol Karman, fandresena manoloana an'i Saleh izany, ary fandresena ho fampaherezana ny vehivavy Yemeni sy Arabo

@Saphsaf [9]:

Zoma mahafinaritra ho an'i #Yemen sy ny #Fandriampahalemana sy ny #Vehivavy sy ny #ArabSpring ary i #TawakkolKarman, Aung San Su Kyi antsika manokana ho an'ny #demokrasia

@WomanfromYemen [10]:

ny tokony hotsiahivina momba an'i #TawakkulKarman dia ny anjara azany amin'ny fanandratam-peo manohitra ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena nanomboka tamin'ny taona 2007 #supportyemen #yemen

Notaterina ihany koa ny fanehoan-kevitra nataon'i Twakkol Karman:

@OmarMash [11]:

Tawakul Karman: “Faly dia faly aho nahazo ity loka ity. Omeko ny tanoran'ny revolisiona ao Yemen ity sy ho an'ny vahoaka Yemeni.”

Ity lahatsoratra ity dia amphany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Yemen 2011 [1].