- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolgaria: Fifandonana Eo Amin'ny Roma Sy Ny Teratany

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Fifandonana mahery vaika teo amin'ny tanànan'i Bulgaria tao Katunitsa [1], akaikin'i  Plovdiv [2],  no niseho ny Zoma alina teo, taorian'ny fahafatesan'ny teratany Bolgara iray 19 taona, Angel Petrov, izay voahosin'ny fiara nentinà lehilahy manam-pifandraisana amin'ny mpitarika ny vondrona Roma ao an-toerana.

Araka ny nambaran'ny Focus Information Agency [3] :

127 ny olona nosamborina tao Atsimon'ny tanànan'i Katunitsa, toerana nifanandrinan'ny Bolgara sy ny vondrom-piarahamonina Roma, taorianà lozam-piarakodia nahafaty olona nahavoarohirohy fianakavin'ny lehiben'ny  Roma – Kiril Rashkov, fantatra amin'ny hoe Tsar Kiro. Ireo voasambotra dia noampangaina nohon'ny fanombàna fanana'olona, fandoroana ary ompa maro isan-karazany.

Ireo fifandonana nahavoarohirohy olona 2.000 dia niantomboka rehefa nandeha nanafika ny tranon'ny raiamandreniben'ny Roma ny fianakavian'ny tanora iray voahosin'ny fiaran'ny fianakaviana Rashkov. Nisy olona hafa maty ary dimy no naratra.
Polisy telo sy olon-tsotra roa no voa tamin'ilay hetsika, raha toa ka ankizy 16 taona tao amin'ilay hetsika no nanana olana teo amin'ny fony ka nentina tany amin'ny Hopitaly, ary maty tany taoriana kely. […]

Ny valin-kafatra tanaty aterineto momba ilay hetsika dia naneho tsara ny hasaro-padin'ny fihenjanana teny an-kianja.

Ao amin'ny Facebook, dia misy  pejy [4] iray[bg] mangataka ny hamonoana ‘ilay lehiben'i Roma, Kiril Rashkov (“Ny maso solon'ny maso, ary ny nify solon'ny nify)” – ary maherin'ny 23.000 no olona  “tia” io resaka io.

Iray amin'ireo mpikambana ao amin'ilay pejy no nanoratra hoe [bg]:

Bolgara isika, eto Bolgaria isika – aoka izay ity  savorovoro ity! Ato amin'ny firenentsika dia toy ny vahiny isika! Ady no tadiavin-dry zareo? Omentsika azy ny ady!

Pejy Facebook iray hafa [bg] no noforonina ho fanohanana ireo teratany Bolgara mpanakorontana voasambotra tao Katunitsa [5] – hatreto,  41.001 ireo olona “tia” ilay pejy.

[6]

Hetsiky ny polisy tao an-tanànan'i Katunitsa. Sary avy amin'ny Georgi Kozhuharov/Dnevnik.bg, nahazoana alàlana ho ampisaina.

Fifanakalozan-kevitra nafàna dia nafàna no nitranga tany an-kafa tany tao amin'ny Facebook koa.  Tao amin'ny pejin'ny Hetsika Fanoherana ny Fanavakavaham-bolon-koditra ao Bolgaria, [7] nitatitra ny olona fa maherin'ny folo ireo pejy sy vondrona misy resaka miantso fifankahalàna ny votoatiny. Mpikambana iray ao amin'ilay hetsika ho fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra no nanoratra hoe [8][bg]:

Mahatsiravina ny fanavakavahana noho ny fitambaran'ny resaka foko sy ny heloka bevava. Misy ohabolana iray manao hoe “Noho ny Elijah-ntsika, dia nanomboka nankahala ny Saint Elijah aho “[“Pokrai nash Iliq namrazih i Sveti Iliq.”] Rashkov (Tzar Kiro) dia iray amin'ireo mpanao herisetra sy mpanao trafika ao Bolgaria ary izy dia mampiasa tsy am-pieritreretana ny karatra rehetra eo am-pelatanany momba ny foko.  Raha mandray an-tànana ity karazanà mpanao herisetra ity mifanaraka amin'ny lalàna ny manam-pahefana dia hampihena be ny romoromo ara-poko izany, izay natsangan'ireo mpanao herisetra ireo ihany mba hanamafisan'izy ireo ny fahefana ananany amin'ireo vitsy an'isa.

Isan'ny toerana iray ikarakaran'ny olona ny hetsi-panoherana iadiana amin'ny vahoaka Roma ny pejy Facebook-n'ireo Mpankafy [9] an'ilay ekipa baolina kitra “Botev” (Plovdiv). Iray tamin'ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona no nanoratra ity [bg] :

Tsy maintsy diovina ireto fakonà Roma tsy misy saina ireto!

Tao amin'ilay Bilaogy Bolgara Bai Dalai [10], ny mpanoratra dia nanoratra hevitra hafa [bg]:

Mora ny mahita fa io dia fitroarana hanoherana ny tsy rariny ara-sosialy mampangirifiry, hanoherana ny fiarovan'ny fitondrana ireo mpanan-karena mpamono olona fa kosa tsy mahavita manone fandriam-pahalemana ho an'ny sarambabem-bahoaka.

Tao amin'ny Twitter, @lazarov (Alexei Lazarov) nanoratra [11] [bg] hoe:

Ny fifandonana ara-poko tao Katunitsa, Putin dia hihazakazaka ho  Filoha indray  – indraindray toa miverina any aoriana ny fotoana.