Tantara tamin'ny 08 Oktobra 2011
Bolgaria: Fifandonana Eo Amin'ny Roma Sy Ny Teratany
Fifandonana mahery vaika teo amin'ny tanànan'i Bulgaria tao Katunitsa, akaikin'i Plovdiv, no niseho ny Zoma alina teo, taorian'ny fahafatesan'ny teratany Bolgara iray 19 taona, Angel Petrov, izay voahosin'ny fiara nentinà lehilahy manam-pifandraisana amin'ny mpitarika ny vondrona Roma ao an-toerana. Nanadihady i Rosiana Trad mikasika ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Bolgaria.
Panama: Rava ny Governemanta Iombonana
Nesorin'ny filoha Panameana Ricardo Martinelli teo amin'ny toerana maha-Chancelier azy ny filoha lefitra Juan Carlos Varela, niteraka ny faharavan'ny fiombonana teo amin'ireo antoko eo amin'ny fitondràna. Haingana dia haingana ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter. Saika teo noho eo dia noforonin'ireo mpampiasa twitter ny tenifototra #siyofueravarela (raha izaho no Varela) izay hiresahan'ireo Panameana izay mety ho nataony raha izy no nalàna tsy ho Chancelier.
Bahrain : fanagadrana 15 taona ho an'izay mitsabo ireo mpanao fihetsiketsehana
Bahrain dia nanameloka dokotera maro higadra 5-15 taona antranomaizina, niapanga azy ireo taminà karazana heloka isan-karazany ao anatin'izany ny fitazonana fitaovam-piadiana tao aminà hopitalim-panjakana.
Tonizia: Bilaogera Arabo Niresaka Momba ny Toe-draharaha ao Syria
Notsarovana sy noresahan'ireo mpandray anjara marobe manokana i Syria tamin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo andiany fahatelo tao Tonizia tamin'ity herinandro ity. Tsy nolazaina firy tamin'ny adihevitra momba ny Syria ny fifaliana nateraky ny...
Yemen: Mankalaza an'i Tawakkol Karman
Tawakkol Karman, mpanao gazety tso-po sady mpitolona momba ny zon'olombelona, voalaza ao amin'ny Guardian ho "tsilo manembatsembana an'i [filoha Yemeni Ali Abdullah] Saleh", dia nahazo androany ny "loka nobel" fandriampahalemana voalohany avy any Yemen. Ohatra voalohany amin'ny herim-po sy herin-tsaina izy tany Yemen nanomboka tamin'ny taona 2007.
Kamerona: Mipoitra Mialoha ny Fifidianana ny Nasionalisman'ny Mpiteny Anglisy
Tahaka ny maha-anatin'ny fampielezankevitra fifidianana amin'ny 9 Oktobra 2011 izao, fifidianana ho filoha any Kamerona, niezaka nanao hetsika tao Buea renivohitr'i Kamerona Atsimo nozanahin'ny Anglisy taloha ny mpanohana ny hetsika mpisintaka sy mpiteny anglisy tamin'ny voalohany oktobra teo.