- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Nahakatona Bilaogina Mpametaveta Zazakely Ny Hetsika Tamin'ny Twitter

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora

Raha arahina ny hetsika lehibe hita any amin'ny valan-tserasera dia niezaka nanao izay hanakatonana bilaogina mpametaveta zazakely ny mpisera Breziliana ora vitsy taorian'ny fanairana voalohany nalefa tamin'ny Twitter ny marainan'ny Alatsinainy 3 Oktobra 2011.

Ilay bilaogy voatonona eto moa, izay antsoina hoe Sim a Pedofilia [1] (Eny amin'ny fametavetana Zazakely) [pt], dia mazava amin'ny antso ataony hametaveta tsy ampy taona. Votoaty iray monja no hita ao amin'ny takelaka izay miaty lahatsary ahitana sary mampihoron-koditra, nivoaka tamin'ny 15 Jolay ary ahitana tsikera 454. Saingy teo foana izy efa ho telo volana izay.

Ao amin'ny Fanjakana Alagoas, ny mpanao gazety Marcos Rodrigues, izay zatra mijery vaovao ao amin'ny valantserasera raha mandeha ny fampielezam-peony, no manazava ao amin'ny bilaogy Jornal do Ócio [2] (Gazetim-pialamboly) [pt] ny fandehan'ny raharaha:

Screenshot of Twitter action from blog Jornal do Ócio [2]

Screenshot of Twitter action from blog Jornal do Ócio

Hj, enquanto estava no ar com o nosso [programa de rádio] “Jornal do Povo” recebí no twitter uma postagem [3] dando conta da existência de um site de pedofilia. Em meio a tantos protestos de indignação também me revoltei ao ver a única postagem existente.

A cena era chocante. Uma criança estava sendo abusada por um adulto. No blog o autor, desconhecido e covarde, defendia a pedofilia. Cinicamente dizia sim a essa prática nefasta e abominável.

Diante deste fato repugnante não tivemos dúvidas. Acionamos a Polícia Federal e o delegado Políbio Brandão respondeu imediatamente. Depois de orientar no ar como se deveria proceder, poucas horas depois – duas especificamente- o site foi tirado do ar.

Androany, raha mbola nanentana tao amin'ny “Jornal do Povo” (Vaovaom-bahoaka) aho no nahazo siokantsera milaza ny fisiana vohikam-pametavetana zazakely aho. Nahatsiaro romotra tahaka ireo hafa naneho ny fahatezerany ihany koa aho nahita ilay votoaty tokana.

Nanafintohina ny sehatra. Zaza iray vetavetain'olondehibe iray. Ao amin'ilay Bilaogy dia miaro tokoa ny fametavetana zazakely ilay tsy fantatra anarana. Diza nekeny tokoa ilay fanao mampihoronkoditra sy manafintohina.

Tsy nanana fisalasalana intsony izahay raha nahita ny zavamisy. Niantso teo noho eo ihany ny polisy federaly izahay ary namaly avy hatrany ny sheriff Políbio Brandão. Rehefa nanorotoro ny tokony atao, dia nikatona ilay vohikala ora vitsy taty aoriana – ora roa raha ny tena marina.

Lenilda Luna (@lenildaluna), mpanao gazety ihany koa, dia manazava [4] [pt] fa ny tsirairay dia afaka mitatitra ny fisiana fandikan-dalàna ao amin'ny sehatra famahanam-bilaogy, tahaka ny Blogger:

@lwisster: @CanAlmeida @oscardemelo no próprio blog, em cima, tem “denunciar abuso”. Qto mais pessoas denunciarem, melhor!

@lwisster: @CanAlmeida @oscardemelo ao amin'ny bilaogy ihany, eo amin'ny tampony, ahitana bokotra misy soratra hoe “report abuse” (tatero ny fihoaram-pefy). Araka ny mahabetsaka ny mitatitra azy tsara kokoa!

Lua Beserra (@LuaBeserra), izay misera Twitter no mampihatra ny maha-olom-pirenena [5], mankalaza [6] [pt]:

@LuaBeserra: pedofilia na internet? DENUNCIEM! http://denuncia.pf.gov.br [7], hoje eu e meus companheiros do twitter tiramos do ar um blog de pedófilos!

@LuaBeserra: fametavetana zazakely amin'ny aterineto? TATERO! http://denuncia.pf.gov.br [7] androany nampikatona bilaogina mpametaveta zazakely izaho sy ny namako ao amin'ny Twitter!

Tarataratra fa tsy vao sambany no nivoaka ilay bilaogy. Nanoratra [8] [pt] i Verônica Muzzi (@VeMuzzi) :

@VeMuzzi: Eu não acredito que o filho da puta que criou o blog simapedofilia.blogspot.com voltou. Ele ainda não foi preso não ? af.

@VeMuzzi: Tsy mino aho hoe tafaverina ilay zana-pamosavy nanangana ny simapedofilia.blogspot.com. Tsy efa voasambotra moa izy iny? af.

Nametraka [9] Ronaldo Júnior (@RoonaldGomez) fa tsy tokony hijanona eo amin'ny fanafoanana ny bilaogy ihany ny katroka:

@RoonaldGomez: Galeeera o Blog simapedofilia.blogspot.com foi removido, ISSO É BOM, mas tem um grande problema, eu quero ver o cara É PRESO

@RoonaldGomez: O ry zalahy a, voaisotra ny bilaogy simapedofilia.blogspot.com. TSARA IZANY, fa misy olana goavana, tiako ilay zalahy iny VOASAMBOTRA.

Angamba azo atao izany, raha miaraka manadihady ity raharaha ity ny mpisera. Ny fehiny farany [2] [pt] avy amin'i Marcos Rodrigues, izay nilaza fa avy ny fotoana mila midina an-dalambe ny olona hihetsika, dia milaza, fa raha mivondrona ny mpisera valan-tserasera dia manana hery be:

Então, cheguei a conclusão que uma nova forma de cobrar e exigir está em prática. Mais do que nunca, precisamos usar essas ferramentas com mais habilidade. Alguém vai nos ler, nos ouvir e, principalmente, agir.

Ka dia tonga amin'ny fomba famantarana andraikitra vaovao sy fitadiavana fikatrohana isika. Izao no fotoana indrindra ilantsika fahaizana kokoa ny mampiasa ireny fitaovana ireny. Misy ny olona hamaky izay soratantsika, handre antsika, ary ny tena zava-dehibe dia handray andraikitra.