07 Oktobra 2011

Tantara tamin'ny 07 Oktobra 2011

Kamerona : Afaka Hifidy Ve Isika Amin'ny Alahady Izao?

  07 Oktobra 2011

Ny Alahady 9 oktobra ho avy izao, fanineniny eo amin'ny tantaran-dry zareo no antsoina daholo ireo Kamerone rehetra mba hifidy izay ho filohan'ny repoblikany. Fifidianana iray hiavaka noho ny hamaroan'ny mpirotsaka ho fidiana ary ny mpifidy, maherin'ny 7 tapitrisa, na izay ao Kamerona ihany, na any ivelany, ary ireo fanontaniana mipetraka momba ny fihetsika asehon'ny Elecam, kaomisiona iray nampiandraiketina ny fandrindrana ny fifidianana.

Kamerona: Resabe Manodidina Ny Fampielezan-Kevitra Amin'ny Fifidianana

  07 Oktobra 2011

Niditra amin'ny herinandro farany amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidiana izay ho filoham-pireneny ny Repoblikan'i Kamerona ao Afovoan'i Afrika, izay hofarana ny 9 Oktobra 2011. Raha efa tonga ao an-toerana ireo mpanaramaso iraisam-pirenena momba ny fifidianana mba hijery ny fizotry ny fifidianana, tsy dia mahavita mandresy lahatra loatra ny vahoaka Kamerone amin'izay tena maha-zava-dehibe an'izany ny fampielezan-kevitra.

Tontolo Arabo: Mandria Am-piadanana Steve Jobs

Misaona ny tontolo Arabo noho ny fahafatesan'i Steve Jobs , mpitarika manana vina ao amin'ny orinasa Apple. Mameno ny valantserasera ny Fanomezam-boninahitra azy ary taitra tamin'ny torimasony ny mpiserasera raha nandre ny vaovao. Avy any Arabia Saodita, Aziz Shalan ni-tweet hoe: شكراً ستيف، ماقدمتة لنا ليس منتجات ربحية، بل فرصة لتغير...

Brezila: Nahakatona Bilaogina Mpametaveta Zazakely Ny Hetsika Tamin'ny Twitter

  07 Oktobra 2011

Raha arahina ny hetsika lehibe hita any amin'ny valan-tserasera dia niezaka nanao izay hanakatonana bilaogina mpametaveta zazakely ny mpisera Breziliana ora vitsy taorian'ny fanairana voalohany nalefa tamin'ny Twitter ny marainan'ny Alatsinainy 3 Oktobra 2011. Ilay bilaogy voatonona eto moa, izay antsoina hoe Sim a Pedofilia (Eny amin'ny fametavetana Zazakely) [pt],...