Hatramin'ny 2004 no nanomboka tsikaritra tao China ny tsy fahampian'ny hery afaka mamokatra; mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Araka ny antontan'isan'ny Biraon'ny Fanabeazana, ny isan'ny mpianatra any amin'ireo Lisea manofana hiasa dia niainga avy amin'ny 12,56 tapitrisa tamin'ny 2003 ka tonga amin'ny 21,95 tapitrisa tamin'ny 2009.
Tamin'ny 2006, nampidirin'ny governemanta ny atao hoe “Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina” na lasitra fiaraha-miasan'ny sekoly sy ny orinasa. Na izany aza, ireo mpianatra miditra amin'izany dia tsy voaaron'ny karama farany ambany akory, sady ireo orinasa dia tsy mila akory mandrotsaka fiahiana ara-tsosilay ho azy ireny, na dia miasa toy ny mpiasa tsotra rehetra aza ireo mpianatra.
Herim-pamokarana sady mpianatra
Ny Asia Monitor Resource Centre na Foibe Fanaraha-maso ny Loharanon'angovo ao Azia dia namoaka tatitra amin'ny antsipirihany, ‘ Cheap Labour in Essence, Students in Name: Vocational School Interns In China [Eng]’, momba ny fanararaotana an-kitsirano ny mpianatra mianatra asa ao Sina
…ny hany tena ilain'ireo orinasa Sinoa rehetra dia mpiasa tsy manana fahaizana manokana; ; ny ankabeazan'ny mpianatr’ ireo lisea manofana hiasa, na inona na inona làlam-piofanana arahan-dry zareo, dia alefa any amin'ny seha-pamokarana daholo amin'ny farany, ka any dia lazain'ireo mpianatra sasany fa iray andro monja no lanin-dry zareo ianarany ny asany no sady tsy ilàna fahaizana manokana momba ilay asa akory. Vokatr'izay, ny fandraisana ireo mpiasa mianatra asa, ny tena votoatiny, dia fanilihana fotsiny ireo mpianatra tsy ho isan'ny mpiasa manana fifamatorana matotra amin'ny orinasa, ary dia tsy voaaron'ny lalàna mifehy ny asa ry zareo amin'izany, ka dia azon'ny orinasa atao ny mampidina ny fandaniana natokany ho an'ny herim-pamokarany.
Io zava-misy io dia tsy hoe fotsiny manakana ireo mpianatra tsy hahazo ny zony amin'ny maha-mpiasa azy, fa koa mitondra voka-dratsy ho an'ireo rehetra tonga eo amin'ny tsenan'ny asa. Orinasa maro no mampiasa mpianatra mandritra ny fotoana maharitra, ny sasany amin'izy ireny no mampiasa azy ireny hatramin'ny 70%-n'ny herim-pamokarana ilain-dry zareo…
Mpianatra-mpiasa maro avy ao amin'ny Sekoly Miaramilan'ny Guoyang na ny Sekoly Fianarana Asa ao Guoyang no nanapa-kevitra hamaky bantsilana ny olana teto amin'ny aterineto. Ito ambany ito ny fampidirana nataon-dry zareo tao amin'ny Sina Weiblog [zh] tamin'ny 19 Jolay 2011:
我们是贵阳市国防学校的毕业生,被学校当成了赚钱工具,长期实习。我们感到不愤,走上了维权路,为自己讨公道。希望分享我们的经历,请大家支持我们!我們的博客:http://t.cn/aWSbkR
Ny iray amin'ireo mpianatra-mpiasa, Xiao Luo, dia nilaza ity tantarany ity tao amin'ny gazety iray ao an-toerana[zh] tamin'ny Jolay:
“在 学校根本学不到东西。”小罗学的是市场营销专业,2007年7月入校,在学校只待了5天,他就被安排到深圳的一家公司实习。直到2008年2月才回到学 校。在学校上了两三个月的课之后,他再次被送到外面当没有人指导、实习内容完全不对口的“学生工”。小罗说:“每次勤工俭学回去后,都会有一个星期的假 期,学校就会给我们很多招生简章,并下达任务,回家要招多少学生,如果招不够回来的话,我们的教官就会被罚钱。如果帮他们招一个学生的话,就给600元奖 金。实际上,这笔奖金不是学校支付,而是在所招到学生的实习工资里扣除。”
按照法律规 定,实习期间的劳动报酬应该发到实习生手里。但据他们介绍,3年来,小罗及他们同学的所有工资都直接打入学校账户。…此 外,学校帮他们每个人都申请了国家补助金,两年共计每人3000元,小罗这级共有1801人。他们至今不知道这些钱长啥样子。“
Nampiasa ny Weibo ihany koa ilay mpianatra mba hanairana ireo mpiasan'ny mpampahalala vaovao ao an-toerana [zh] mikasika ny momba azy ireo:
对@中国新闻周刊 说:你们好!我们是贵阳市的中职学生,学校违规办学,包括学校滥收费、强迫学生长时间实习、强迫童工实习、克扣学生工资、代收和骗取国家补助金等。我们已向教育局、物价局、教育厅投诉,可教育态度搪塞,学校恐吓学生,我们媒体报导。我们有个材料,是否有邮箱给发过去。谢谢!
Farany, maro ireo famoaham-baovao eo anivon'ny aterineto no nanaraka akaiky ilay raharaha, toy ny Caixin.cn [zh]. Avy eo ireo mpianatra dia namelabelatra misimisy kokoa, tamin'ny 26 Aogositra[zh] tamin'ny alalan'ny kaonty Weibo an-dry zareo, fa ny sekoly dia mandefa ny ankizy ho herim-pamokarana hiasa any aminà orinasa mpanao akanjo.
我是这个学校的,2007年刚入学,才15岁,也跟着所有工人一样,每天上12小时的班,一个月只有一两天休息。那时候我们所在的工业区有一家厂的童工工伤死亡,学生童工被原来的工厂退出来了,学校又把学生集中起来,改了我们的出生日期,调到另一个工厂上班,当时候100多个同学都不满16的,有些才14岁!
Ny 8 Septambra, roa andro nialoha ny Andron'ny Mpampianatra, namoaka lahatsary iray ireo mpianatra, manainga ny mpanabe an-dry zareo hihetsika handray andraikitra mikasika ny fanararaotana ny mpianatra miasa: