- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana [1], iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra [2]. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava?

Iray amin'ireo tsy mitovy hevitra amin'izany filazana izany i Jiang Feng, tonia lehiben'i gazety miteny shinoa any Japana Taranaka-Shinoa-Vaovao Ampitan-dranomasina [3]; ao amin'ny lahatsoratra iray tamin'ny bolongana [4] [zh] tamin'ny fiandohan'ny herinandro no nijereny ny fomba nitateran'ny fampitam-baovao Japoney ny fandefasana [ny zanabolana] , napetrak'i Jiang fa ny tena nandrisika an'i Shina tamin'ity resaka habakabaka ity dia ny fahitana tsotra fa manambola noho ny ankamaroan'ny firenena hafa izy ahafahany mitety [mitrandraka] ny habakabaka.

Inside the Jiuquan satellite launch center. Image by AAxanderr via Wikimedia Commons, in public domain. [5]

Tao anatin'ny foibe fandefasana zanabolana tao Jiuquan. Saripika AAxanderr via Wikimedia Commons, lasan'ny rehetra.

Nandresy lahatra ihany koa i Jiang fa ho amin'ny tombontsoan'ny olombelona rehetra ny fitetezana ny habakabaka, na natao hampifanandrina ny karazana engineering [fahaiza-manao] Shinoa nahatonfa ny fifandonan'ny fiaran-dalamby tamin'ny volana jolay [6] amin'ny fahambonian'i Japan eo amin'ny robotika sy ny sehatry ny teknolojian'i fitetezana habakabaka.

Hoy ny nosoratany:

此时此刻,尽管中国官媒强调“中国不会因为有了自己的空间站就改变和平利用外空的原则立场”,但西方媒体仍然坚疑不信。可以这样说,中国在太空探索领域的卓著成就,让美俄等老牌太空强国倍感压力,其中感到压力最大的恐怕就是中国的近邻日本。

Amin'izao fotoana izao dia hitantsika ny fisalasalan'ny fampitam-baovao tandrefana [momba ny fikasantsika amin'ny habakabaka], eny fa na dia asongadin'i gazetim-panjakana aza fa “tsy hanova ny heviny mikasika ny fampiasana ny habakabaka ho amin'ny fandriampahalemana [7] satria manko manana tobin-danitra manokana [i Shina].” Raha tenenina amin'ny fomba hafa, nampafana ratsy an'i Etazonia, Rosia ary ny firenena hafa nanoloana ny zavabitan'i Shina eo amin'ny sehatry ny fitetezana ny Habakabaka. Fa ny firenena tena mahatsapa ho poritra indrindra dia tsy iza fa ilay mpifanolo-bodirindrina amin'i Shina: Japana.

中国“天宫一号”发射成功的新闻,日本主流媒体均给予突出报道。仔细阅来就会发现,《读卖新闻》注重的是中国特意把发射时间选定在国庆节前夕,希望以此振奋国威,提升民气;《每日新闻》注重的是世界上已有的空间站几乎都是几个国家联袂打造,如今中国则是凭一国之力独自开发,强调“独自的技术”;《东京新闻》指出中国开始走上“宇宙强国”的道路;《产经新闻》则刻意报道围绕着发射中心的名称,内蒙与甘肃正在进行激烈的“争夺战”;《朝日新闻》指出此举意味着中国正在宇宙开发领域紧随美俄之后,打开了新的突破口。应该说,《日本经济新闻》的报道最为给力,不仅在第一版做出要闻式报道,还在第十四版做出详细报道,其分析也很雷人,一方面指出包括日本在内的西方媒体都怀疑“中国正在企图建立宇宙霸权”。另一方面怀疑中国未来对此可能进行“军事利用”,有些无奈地指出现在世界上只有中国一个国家可以把国家预算集中性地投入到战略领域,西方发达国家都处于不同程度的财政危机中而无法这样去做,同时中国载人空间站的开发又是在解放军的主导下进行。

Notaterin'ny fampitam-baovao Japoney malaza rehetra ny fahombiazan'i Shina nandefa ny Lapan-Danitra 1 [1].

Raha jerena akaiky ireny fampitam-baovao ireny, hitantsika ny fifantohan'ny Daily Yomiuri tamin'ny nandefasan'i Shina ny toby an-habakabaka mialoha indrindra ny Fetim-Pirenena [8] hananan'ny olona aingam-panahy sy hananan'ny firenena rehareha; Ny Mainichi Daily News kosa nifantoka tamin'ny filazana fa manana ny toby an-habakabaka manokana avokoa ny firenen-drehetra, saika ny ankamaroany dia nahatratra izany dingana izany tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny firenen-kafa, fa i Shina kosa no firenena nahatontosa izany tamin'ny ezaka manokana nataony, tamin'ny alalan'ny “haitaony manokana”; Navoitran'ny The Tokyo Shimbun fa an-dalan'ny ho “fahefana an-habakabaka goavana” i Shina; Sankei Shimbun, mandritra izany fotoana izany mitatitra ny anaran'ny foibe fandefasana [5] sy ny “ady” eo amin'ny Mongolia anatiny sy ny faritanin'i Gansu milaza fa tao anatin'ny sisintaniny no toerana nandefasana ny sambondanitra; Noraisin'ny Asahi Shimbun kosa ny filazana fa miezaka ny manatratra ny tombondalana azon'i Etazonia sy Rosia eo amin'ny sehatry ny fitetezana habakabaka i Shina, ary andalam-pisongonana ny hafa [fisosososoana] amin'ny fombany.

Mampahery kosa amin'ny ankapobe ny tatitra avy amin'ny Nikkei, izay tsy nametraka ny tantara eo amin'ny voalohan'ny pejy ihany, fa eo amin'ny halalin'ny fitantarana hita ao amin'ny pejy faha-14. Nampiaiky volana ny fanadihadiana, manavoitra etsy andaniny ny ahiahin'ny gazety Japoney sy Tandrefana milaza fa “Mitady hanjakazaka eny an-habakabaka i Shina ankehitriny” nefa mandritra izany fotoana izany miahiahy fandrao mampiasa ny habakabaka amin'ny sehatra ara-tafika i Shina rahatrizay. Voasoratra ao ihany koa ny fampisongadinan'ny fampitam-baovao fa i Shina irery no firenena mahafantoka ny tetibolam-pireneny amin'ny fampiasam-bola ara-stratejika, fa ny ambaratonga samihafa mitranga any amin'ny firenena tandrefana no tsy ahafahan'ireo voatonona farany mahavita tahaka izany, nefa ny fampivelaran'i Shina toby an-habakabaka azo onenana dia tarihin'ny Tafi-Panafaham-Bahoaka.

必须看到,日本媒体这样报道是有原因的。在开发太空领域方面,日本一直是落后于中国。迄今为止,不但日本国民对宇宙开发没有取得共识,日本国家也没有将其列入重大决策范畴。也许正因为这样,现任日本首相野田佳彦此前才在国会积极推动制定“宇宙基本法”,声称要以此“开创日本的百年大计”。不过,在经济低迷、震灾需救的今天,日本要想用国家拨款开发载人空间站,实在不是一件容易的事情。

Mazava ankehitriny hoe nahoana ny fampahalalam-baovao Japoney no nifidy ny hamoaka ity vaovao ity. Eo amin'ny sehatry ny fitetezana ny habakabaka, tratra aorian'i Shina hatrany i Japana. Na dia amin'izao fotoana izao aza, tsy vitan'ny hoe mifanara-kevitra ny mponin'i Japana raha eo amin'ny fandaharan'asan'ny firenena amin'ny sehatry ny habakabaka, fa na dia i Japana ilay fanjakana aza nanadino ity lohahevitra ity ho manana ny lanjany ara-stratejia. Izay, angamba, ny antony nahatonga ny praiminisitra, Yoshihiko Noda, nankany amin'ny mpanao lalàna tany Japana vao haingana teo hanonta“Lalàna Fototra [9]” ho an'ny Oniversa, milaza fa io no mety ho fanombohan'ny drafitra “zato-taona” ho an'i Japana. Raha jerena anefa ny fikorosofahan'ny toekarena sy ny fanarenana vokatry ny fihovotrovotry ny tany, raha manapa-kevitra ny hampiasa vola avy amin'ny fitondrana i Japan hananganana toby an-habakabaka azo onenana, dia tsy ho mora velively ny fanatanterahana izany.