Miharatsy hatrany ny toe-karena Amerikana. Manampy ny tahan'ny tsy fisian'asa efa tsy mety miala ihany koa ny tahan'ny fahantrana izay mahakasika vahoaka maherin'ny 46 tapitrisa, 15,1 isan-jaton'ny vahoaka, araka ny hita tamin'ny fanisam-bahoaka farany [1]. Nanamafy ny manam-pahaizana fa ity no taha ambony indrindra hatramin'ny taona 1993.
Mampanahy tanteraka ny toe-draharaha noho ny tarehimarika mivoaka. Nidina 2,3 isan-jato ny vola miditra isan-tokantrano hatramin'ny taona 2009. Eo amin'ny 50 tapitrisa eo ny isan'ny olona tsy manana fiantohana ara-pahasalamana, tafakatra 83,3 tapitrisa kosa ny isan'ny olona 16 taona no miakatra no tsy niasa farafahakeliny herinandro tamin'ny taona 2009 raha toa ka tafakatra 86,7 tapitrisa izany tamin'ny taon-dasa.
Indrisy fa tsy afa-miala amin'ny fahantrana ny foko vitsy an'isa, indrindra ny Hispanika. Nihena 2,3 isan-jato ny vola miditra, avy amin'ny US$39.667 no nidina US$37 37,759 tamin'ny taona 2009, izay midika fa mbola tsy tafarina tamin'ny vokadratsy tamin'ny taona 1999 izay niteraka fitotongan'ny toekarena ny taona 2001 ity antokon'olona vitsy an'isa ity. Mba ahitana taratra tsara ity lohahevitra ity, nihoatra noho ny an'ny firenen-kafa ao Amerika Latina ny tahan'ny fahantrany misy ao Etazonia tahaka an'i Arzantina (8,1%), Shily (9,8%, Orogoay (6,3%), ary mifanakaiky ny tahan'ny fahantrana ao Brezila ny azy (19,3%), araka ny tatitra navoakan'ny Vaomiera ekonomika Latino-Amerikana sy Karaiba (ECLAC).
USA español [2], bilaogin'i Cristina F. Pereda, nanome antontan'isa mahasanganehana izay mampikatso tanteraka ny fandrosoan'ny hispanika:
Mientras que la renta per cápita se redujo en 1.2 por ciento para el conjunto de la población, en el caso de los hispanos descendió un 3.5 por ciento entre 2008 y 2009. También empeoró el nivel de ingresos de las familias, que se redujo casi un 8 por ciento, sólo por detrás de las afroamericanas (con un 11.8 por ciento) y en comparación con niveles del año 2000.
Ahitana horonantsary fanadihadiana ny bilaogy GB Latino TV [3] ana mpanao gazety arzantina iray, talanjona tanteraka tamin'ny fahitany ny tahan'ny fahantrana ao Etazonia. Nasiany fehinteny fohy miaraka aminy:
El 15,2% de los estadounidenses vive en la pobreza, lo que se traduce en más de 46 millones de habitantes. Su nivel más alto desde 1993, informó la oficina de censos de ese país.
InmigranteTV [4], etsy ankilany nahita tarehimarika mitovy tamin'ilay antontan'isan'ny ankohonana Hispanika ihany koa, navoitrany fa manamaloka ny fitondran'i Obama izany toe-draharaha ara-toe-karena misy ankehitriny izany:
Esta es otra situación muy negativa, sobre todo cuando el presidente acaba de presentar un plan de empleo con el cual se espera darle un estímulo a la economía.
Tsy niandry ela ny fihetseham-po tao amin'ny Twitter. PV Marketing (@pvmkt [5]) [es] nizara horonantsary:
Video que habla de que uno de cada cuatro #hispanos [6] en EU, son pobres. http://goo.gl/bKMkX [7]
Meredith Dodson (@dodsonadvocate [8]) [es] tsy taitra amin'izany tarehimarika mahakivy izany:
Alarmante, pero no del todo 🙁 RT @alexcawthornedc [9]: tasas de pobreza para negros e hispanos (>27%) más de 2 veces q los blancos #povertydata [10]#Census [11]
Carmen Ortiz-McGhee (@ortizmcghee [12]) [es] kosa talanjona mahita ny fahantran'ireo ankizy Hispanika:
Hispanos=37 por ciento de los niños en pobreza según un nuevo reporte del censo…espeluznante!
Alex Guerrero (@Vzla22 [13] ) [es] namerina izany indray tao amin'ny tweet-ny:
Inaceptable: 15% de estadounidenses viven en pobreza. Entre los latinos el % es 26.1% = 1 de cada 4 >> http://1.usa.gov/pCOqCe [14]#latism [15]
Farany, araka ny hevitr'i Eileen C. Rivera (@eileencrivera [16]) fambara ratsy hafa ho an'ny minorite roa tonta ao amin'ny firenena ny tarehimarika navoakan'ny fanisam-bahoaka:
Más malas noticias del reporte del Censo: tasa de pobreza para hispanos se disparó al 26.6 por ciento, para los negros aumentó a un 27.4 por ciento. http://wapo.st/nF4sMS [17]
Vaovao ratsy hatrany mikasika ny tatitra tamin'ny fanisam-bahoaka: niakatra 26.6 isan-jato ny tahan'ny fahantran'ireo Hispanika, tonga hatrany amin'ny 27.4 isan-jato izany ho an'ny mainty hodidra. http://wapo.st/nF4sMS [17]