03 Oktobra 2011

Tantara tamin'ny 03 Oktobra 2011

Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen

Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta

Global Voices Podcast 4: Misandratra Isika Miaraka

Amin'ity andiany ity dia handre ireo mpamaham-bolongana Grika avy ao amin'ny fikambanana Rising Voices ianareo, ny fomba fanatsaran'ny olotsotra tia mampita vaovao Goatemalteka ny talentany hiatrehana ny fifidianana ary izay kasaina hotontosaina mandritra ny Vovonan'ny Mpamaham-Bolongana Arabo hotontosaina ny 3-6 oktobra 2011 any Tonizia ary anisan'ny mpikarakara ny Global Voices