- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera

Sokajy: Afrika Mainty, Zambia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata [1], ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny olona. Ankehitriny moa raha lany hitarika ny firenena ihany ny tenany, dia nanomboka nanisa andro amim-panantenana amin'izay ny mpiserasera.

Efa resy lahatra sahady ny mpanohana an'i Sata sasany ao amin'ny Facebook [2] fa tsara fiaingana ny fanatanterahana anatin'ny 90 andro raha misy kosa ny milaza fa sarotra tanterahina izany.

Any amin'ny famelabelarana hafa, nisy vondrona “90 Day Agenda [3]” [Diary 90 Andro] nanokatra takelaka Facebook mandrisika ho amin'izany.

Zambians try to catch a glimpse of the new President at his inauguration ceremony in September 2011. Image by Commonwealth Secretariat Flickr page (CC BY-NC-SA 2.0). [4]

Zambiana miezaka mijery topimaso ny filoha vaovao nandritra ny lanonam-pianianana Septambra 2011. Saripika Commonwealth Secretariat Flickr page (CC BY-NC-SA 2.0).

Henry Mando ao amin'ny The Zambian Peoples PACT [Vahoaka Zambiana]no manaramaso [5]:

Efa an-dalana ara-teorika ny 90 andro..Efa nampakatra karama hatramin'ny 80% ho an'ny mpiasany ny mpandraharahan'ny fitrandrahana Copperbelt, raha nanomboka nandoa ny karama tsy voaloa izay nofihinina teo aloha ny Sun International ary niaraka tamin'ny fampakarana ny karama izany. Dia azonao eritreretina amin'izany ny hitranga rehefa hahena ny hetra ka hiditra anaty paosintsika hatrany ny vola…

Na vazivazy moa io na tsia, dia  mba nananihany kely [6] tamin'ny fampanantenan'ny filoha Sata i Festus Daka:

From the tym pf [ruling Patriotic Front] was anouced wina of polz [winner of the polls],i v sold more than 600 piece of cargo pants.reasons from the client is tht thy want cloths wit plenty of poket since its mo money in our pokets

Avy amin'ny antoko mitondra pf izay nolazaina ho nandresy tamin'ny fifidianana, nahalafo pataloha 600 isa avy any amin'ny sambo aho. ny antony avy amin'ny mpividy dia hoe mitady akanjo betsaka paosy izy fa ho maro ny vola hiditra am-paosintsika

Mpisera iray, Hachi Beekay, nanatsonga [7] ny tenin'ny mpitarika ny fanoherana United Party for National Development (UPND) Hakainde Hichilema [8] amin'ny tanora hanamarika ny andron'ny 23 Desambra, andro ahataperan'ny fampanantenana fa hahazo vola bebe kokoa ny olona:

Nihaika ny PF i HH hampihatra ny politika amin'izay fa efa tapitra ny fotoanan'ny fampanantenana, nampiany fa tapitra amin'ny 23 desambra ny fampanantenan'ny antoko mitondra 90 androka anjaran'ny Zambiana ny mandray ny fampanantenana tontosa ho toy ny fanomezana krismasy.

Nampian'i Kaimfa Chandang [9] fa ny baikon'i Hakainde Hichilema ho an'ny tanora dia ny hanoa diabe ho eny amin'ny lapam-pnjakana raha tsy tontosa ny fampanantenana:

Nandrisika ny tanoran'i Mandevu i HH [Hakainde Hichilema] fa raha “tsy mitombo ny vola any am-paosiny” dia tokony hiara-mizotra ho an'ny amin'ny Lapam-panjakana izy ireo hitaky ny volany . . .

Lissa Ngenda Mwenda miaro ny Filoha Sata [10]:

Vao manomboka ny herinandro ny filohantsika nefa dia faingana ery ry Tomasy isany hitaky ny tsy fahampian'ny andraikitra raisiny. Ny marina dia ny jamba ihany no tsy mahita ny fiovana. Ny sasany amin'ireny fiovana ireny aza dia efa nentintsika satria ny asa no mitarika antsika. Aza faingana hitsara fa tsy misy loatra ny azo nireharehana tamin'ny fitondrana teo aloha afa-tsy hoe “tsara vintana” ihany satria havana na sipany.

Ao amin'ny takelaka Facebook Diary 90 andro, Yewa Kumwenda no mijery ny [11] vaindohan-draharahan'ny governemanta ao anatin'ny 90 andro:

Ny tolokevitra kely omeko tokony iasan'ny governemanta PF anatin'ny 90 andro. Efa voalaza nandritra ny fampielezan-kevitra ny sasany, ary tsy voalaza kosa ny hafa. Jereo kely dia lazao ny hevitrao.

1.Mametrapetraka ny Fombafomban'ny Lalampanorenana (Tadiavin'i Mungomba) [hanova?]

2.Mamerina mijery ny hetram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany

3.Manaisotra ny lalàna lany andro

4.Mampandoa haba ny sehatra tsy manara-penitra ary mampihena ny sandany

5.Mampihena ny karaman'ny minisitra sy ny mpitana toerana ambony

6.Manome fomba hampazoto ny mpandraharaha hiasa ao Zambia

7.Politikam-pambolena sy fikojana ny ala azo ampiharina

8.Tetibola 2012 manohana ny Fanabeazana, Fahasalamana, Fambolena, Siansa sy Teknolojia ary fanamaroana sehatr'asa ankoatra ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Nahazo domberina maro [12] ny lahatsoratra iray [13] miangavy ny mpanao politika ao amin'ny fanoherana Hakainde Hichilema mba hampifantoka ny antoko mitondra any amin'ny 90 andro nanaovana fampanantenana fa tsy hanao herisetra. Nanoratra i Katongo:

Efa nampakatra ny karaman'ny mpiasa ny shinoa eto ndola !!!!

moa ve tsy vola ao anaty poketra mitombo no tianao ho hita ao anatin'ny 90 andro? manaraka koa ny lalàna momba ny asa izao . HH [Hakainde Hichilema] asehonao vahoaka ny fankahalanao ny PF ary efa atombokao izy ity nefa mba mahandrasa kely 90 andro monja dia manontania ny olona miasa any amin'ny orinasa shinoa dia ho azonao ny tian'ny filoha lazaina afa-tsy hoe mbola dalo [matroka] tahaka ny nialoha ny fifidianana ihany ianao.

ny tokony ataonao dia ny mijery ny lesoka ao aminareo dia manavao ny rafitry ny antokonareo dia mety handresy amin'ny fifidianana amin'ny 2027 ianareo

Ho fanesorana ny fanendrikendrehana fa miteny feno lonilony i HH no anoratan'i The Real Muntu:

Tsy miteny noho ny hadisoam-panantenana izy. Nahoana moa ny antoko nandresy tamin'ny fifidianana ary manana mpitarika tsara no hamela ny jiolahimboto handray ny lalàna ho eo ampelantanany? Tsy misy na iza na iza tokony hihorakora-pandresena anaty korontana satria ianao nankalaza io no ho tratrany amin'ny manaraka. Jereo fa efa manomboka sahady ny fanapahan-kevitra mandeha ila. Efa nomena anarana vaovao sahady androany ny seranam-piaramanidina telo nefa tsy mbola tafatsangana akory ny governemanta. Moa ve tsy fitondrana jadona izany? Aoka re tsy hifanompa eto amin'ny aterineto fa hitony sy hanampy ny mpitarika antsika. Fotoana fohy ihany ny fitsinjatsinjahana. Vetivety dia hiposaka amin'ny tava rehetra ny marina ary dia hidradradradra ny olona rehetra nihorakoraka. Miangavy jereo ny zavamisy. Tsy mahatsara na iza na iza ny herisetra ary raha izany no nataon'ny PF mandritra ity 90 andro malaza ity dia mahakivy.