Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

30 Septambra 2011

Tantara tamin'ny 30 Septambra 2011

Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...

Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera

Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata, ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny olona. Ankehitriny moa raha lany hitarika ny firenena ihany ny tenany, dia nanomboka nanisa andro amim-panantenana amin'izay ny mpiserasera. Efa resy lahatra...

Kenya: Mandria am-piadanana #WangariMaathai

Mbola misesy ny Tweets manome voninahitra ilay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana Wangari Maathai nodimandry tamin'ny herinandro rehefa niady tamin'ny homamiadana