- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fahatezerana Manoloana Ilay Lahatsary Mampiseho Fampijaliana Orsa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Nanomboka ity raharaha ity raha namoaka lahatsary [1] mampiseho “mpihaza” avy any Samirom faritanin'i Isfahan [2] namono orsa volontany sy nampijaly ny zanany ho toy ny kilalao eo anoloan'ny fakantsary ny Fikambanana Iraniana mpiaro ny biby. Noloaran'izy ireo ny kibon'ny zanany iray ary natsipiny manodidina avy eo raha mbola velona ilay zavamananaina.

Niteraka fahatezerana sy alahelo lehibe teo amin'ireo Iraniana marobe ny lahatsary, nisy ny pejy Facebook [3] noforonina mba hanairana ny manam-pahefana Iraniana hanasazy ireo mpihaza. Olona maherin'ny 1,900 no namaly ny antso tao amin'ny pejy Facebook . Naneho hevitra tao amin'ny pejy ny Solombavambahoaka iray avy any Samiron, Behrouz Jafari, fa ” manitatra hanomezana endrika ratsy ny tontolo iainan'ny Repoblika Islamika.” Mpanohana iray ao amin'ny vondrona Facebook no nanontany:

“Fa maninona ianareo no te-hiala andraikitra ary avadikareopolitika daholo ny zava-drehetra.”

Tati-bovao [4] no nandrenesana fa tratra ny “mpihaza” roa. Ny anaran'ny iray dia Hamzeh Ali Ansari, ka mpiasa ao amin'ny minisiteran'ny Fampianarana izy io, ary manana fifandraisana manokana amin'ny dolombavambahokan'i Samirom.

Manoratra i [5] Pashmak:

Mampiseho ny maha-tsimifaditrovana ny olombelona amin'ny biby ity lahatsary ity… Novonoin-dry zareo ny orsa ary noloarany ny tsinain'ny zanany dia noraketiny an-tsary ihany koa izany… Tsara aloha ny nanaovan-dry zareo ilay film satria nanampy tamin'ny fisamborana azy ireo izany… Hamzeh Ali Ansari, mpampianatra, no tompon'nadraikitra voalohany ary efa injato nandika lalàna saingy tsara fifandraisana amin'i Behrouz Jafari, Depioten'i Samirom.

Mpamaham-bolongana Iraniana, Kamalia no manontany momba ireo orsa ireo [6], “Fa inona ny fahotany no novonoina tahaka izao izy ireo?” Nanamarika ny fifandraisana ara-politika amin'ny “mpihaza” iray ny mpamaham-bolongana.

Bilaogera iray hafa, Joosh no manoratra hoe [7]:

32 taona niainana tambanin'ny herisetran'ny Repoblika Islamika, lasa miankin-doha amin'ny fahafatesana ny firenena Iraniana… Tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy aho… Ankehitriny, menatra amin'ny maha-Iraniana ahy aho.