Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly

Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny fotoana anoratana dia manana “mpankasitraka” 27.526 ny pejy ofisialiny, izay ahitana ny sarin'ny fitsidihana, ny fivoriana nataony ary ny fiankaviany. Namoaka lalao antsoina hoe Fifidianana izay ahafahan'ireo nitia ny pejiny mifaninana ho mpikambana parlemantera virtoaly ihany koa i Bakradze.

From David Bakradze's Official Facebook Page http://www.facebook.com/dbakradze

Tsotra ny fepetra: Afaka misoratra anarana ho kandidà ny tsirairay na mifidy ny hafa, ho an'ireo izay hirotsaka dia mahavita mameno ny fintin'ny mombamomba azy sy ny efa nataony ary manasa ny namany hifidy azy. Ny kandidà mahazo ny vato betsaka indrindra no lasa filoha virtoalin'ny antenimiera miaraka amin'ny efatra hafa nisongadina izay ‘voafidy’ ho filoha-lefitra virtoaly.

Bakradze no iray amin'ny mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana be namana indrindra ao amin'ny Facebook. Tamin'ny Aogositra 2011 dia nanasa ny mpikambana mavitrika indrindra ao amin'ny pejiny i Bakradze hihaona aminy sy hanao fitsidihana ny Antenimiera, ary tamin'ny volana lasa teo dia nanasa olona folo fanampiny ho ao amin'ny biraony i Bakradze. Nolazain'i Bakradze tamin'ny mpanao gazety fa ny tanjon'ny lalao dia ny hisarihana ny tanora ho liana amin'ny fifidianana ary handrisihana ny fifandraisana eo amin'ny governemanta sy ny olom-pirenena.

Na izany aza dia mizarazara be ihany ny hevitry ny olona raha misy ny mieritreritra fa fihetsika mety ilay izy; ny hafa kosa milaza fa fandaniam-potoana fotsiny izany. Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny Facebook, ohatra, dia nilaza tsotra “tsy ho ela isika dia hifidy filoha amin'ny alalan'ny “Likes” raha ny hafa kosa mieritreritra fa “dingana iray irosoan'ny mpikambana ao amin'ny governemanta lalindalina kokoa ao amin'ny Facebook izao.”

Chiti” (Vorona), mitovy amin'ny Ngah zety Zeorziana dia nahazo vahana tokoa tamin'ny fomba fananihaniany (satirika).

თბილისი, 21 სექტემბერი – სოციალურ ქსელ Facebook-ზე პარლამენტის თავმჯდომარის ინიციატივას, “ვირტუალური არჩევნები,” მხოლოდ სიმბოლური დატვირთვა არ ექნება. პარლამენტის აპარატის მიერ გავრცელებულ განცხადებაში ნათქვამია, რომ თამაშში გამარჯვებული ადამიანი, დავით ბაქრაძესთან ერთი დღის გატარებასთან ერთად ხელფასსა და პენსიასაც მიიღებს.

Tbilisi, 21 Septambra – Tsy vitan'ny hanana dika symbolika tsotra fotsiny ny fandraisana an-tanana nataon'ny filohan'ny Antenimiera ao amin'ny Facebook amin'ny – “Fifidianana Virtoaly”. Araka ny fanambarana nataon'ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta dia hiaraka indray andro amin'i David izay mandresy ary hahazo karama sy tambin-karama.

Amin'izao fotoana izao dia 760 ny isan'ny olona nandray anjara tamin'ilay fifidianana ary ny ‘kandidà’ mitana ny laharana voalohany amin'izao fotoana izao dia efa nahazo vato 328. Angamba misy dikany lehibe manamarika ny ezaka ataon'ny fitondrana Zeorziana hampisa ny herin'ny valantserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.