- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Mivondrona Hampandroso ny Literatiora Latino-Amerikana ny Fivarotamboky Nomerika sy Andavanandro

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Haisoratra, Mediam-bahoaka

La Casa Azul [1] – fivarotam-boky an-tserasera izay tantanin'i Aurora Anaya-Cerda – no vao nilaza fa hiasa miaraka amin'ny fivarotam-boky vaovao miorina ao Washington Heights,  New York. Manana tanjona roa ny Word Up [2] (@wordupbooks [3]): Mampiely ny literatiora Latina Amerikana sy fivarotam-boky mahaleotena.

Tsy vitan'ny hoe nahazo loka matetika ny La Casa Azul, fa maro ihany koa ny asa goavana vitany. Ao amin'ny dinika nifanaovana tamin'ny Latina Book Club [4] no anazavan'i Aurora fa efa hatramin'ny 2008 no manana boky – sy boky henoina – amin'ny teny anglisy sy espaniola ny sehatra nomerikany. Efa nikarakara vondrona famakiam-boky tao amin'ny Museo del Barrio [5], tanànan'i New York, ihany koa i Aurora, ary hatramin'ny nisokafan'ny vondrona dia afa-nifampitafatafa tamin'ny mpanoratra isan-karazany tao ny olona. Ny vahiny manokana amin'ny tafatafa manaraka  [6] dia i Esmeralda Santiago [7] izay hiresahany momba ny boky tantara noforonina vao navoakany Conquistadora.

Na dia somary hafa kokoa aza ny tantaran'Izao Tontolo Izao Mitsangana, dia tsy mampino ihany koa. Volana maromaro lasa izay i Veronica Liu mpiara-manorina ny Fractious Press [8] sy ekipan'ny Seven Stories Press [9], no nihaona tamin'ny olona avy ao amin'ny Northern Manhattan Arts Alliance [10] sy ny Vantage Residential [11] hamakafaka amin'izay ahafahana manangana vondrona fivarotam-boky. Tratra izany tanjona izany.

Ny lahatsary manaraka avy amin'i ArtbyDJBoy no mampiseho ny aingam-panahy goavana dia goavana naterak'ity tahala ity :

Ampidirinay ihany koa ity rohy nobitsihana [12] ity hanohanana ny vondrona ho tetikasa maharitra fa mbola vonjimaika manko izy izao.

Mahafinaritra tokoa ny fiarahan'ny fivarotam-boky roa tonta. Raha ny lazain'ny gazety fampahalalam-baovao an-tserasera Casa Azul, dia mamoaka vaovao amin'ny fiteny roa ao amin'ny gazety-boky The Rio Grande Review izay noforonin'ny mpianatra tia manoratra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Texas, ao El Paso izy. Azonao jerena ato [13] ny kinova an-tseraseran'ny gazety-boky.

Azonao tsidihana avokoa ny fivarotam-boky roa tonta, na ny an-tserasera (nomerika) na ny tena misy andavanandro.