Tantara tamin'ny 25 Septambra 2011
Zambia: Mankalaza ny Fandresen'i Michael Sata ny Mpisiokatserasera
Michael Sata, mpitarika ny antoko mpanohitra Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front), no Filohan'ny Repoblika vaovao ao Zambia. Nanao fianianana teo anoloany ny Lehiben'ny Fitsarana Ernest Sakala ary noraisiny avy tamin'ny filoha...
Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery
Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.
Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa
Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy. Bilaogera maro sy mpilaza vaovao maro no nanao izay ametrahana io resaka io ho laharam-pahamehana.