- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

Sokajy: Amerika Latina, Azia Atsinanana, Karaiba, Brezila, Filipina, Haiti, Japana, Meksika, Shily, Shina, Thailandy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Teratany, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba  atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Empty plastic water bottle [1]

Tavoahangy plastika foana

Tavoahangin-drano [1] CCBy [2] Ahoana ny hanodinako azy ity [3]

Andeha isika hanomboka amin'i Alfredo Moser, ilay atidoha nahita ny jiro tavoahangy plastika avy amin'ny masoandro. Amin'ny maha-teknisiana azy nandritra ny fahatapahan-jiro matetika tany Brezila tamin'ny 2002, nahita fomba hanazavana ny toeram-piasany ihany izy hanohizany ny asany: nohazavainy ny momba ny jiro sy ny fiantraikany teo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy ao amin'ity lahatsary tamin'ny 2008 ity [4]:

http://youtu.be/_zMAWztZ6TI [4]

Ny tetikasa Litatry ny Jiro (Hazavana) [5] any Filipina dia nandray ity hevitra ity avy tamin'i Massachusetts Institute of Technology (MIT) ka nanodina azy ho taozava-baventy [6] izay tsy ahazoan'ny olona miaina any amin'ireo trano vao nahazo jiro vaovao [7] tombotsoa irery fa ny fianakavian'ireo olona mametraka ny jiro ihany koa.

Mora hamaroina ny jiro ka naparitaky ry zareo nanerana izao tontolo izao: Ny lahatsary manaraka dia mapiseho ny fampiasana azy any Meksika [8], Haiti [9] ary any amin'ny fiarahamonina zanatany lavitr'andriana any Chile [10].

Ampiasaina hanafanana rano ihany koa ny tavoahangy plastika any Brezila: ity lahatsary manaraka ity [11] dia ahitana fanafanan-drano amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro vita amin'ny tavoahangy plastika ao amin'ny Fantsona YouTube Eco-Ideas [12]:

Tao amin'ny Eco-Ideas ihany koa no nahitana ity lahatsary [13] avy any Thailandy ity, ka hananganan'ny mpianatra amin'ny Anjerimanontolo biriky vita amin'ny fako hananganana trano:

Raha liana ny hanatsara ny fiainanao manokana amin'ny alalan'ny fanodinana  ianao, maninona raha mandrary harona fiantsenana namboarina avy amin'ny alominiôma fonon-javatra [14] tahaka ity vehivavy Finlandezy ity?

Na mianara [15] manao harona isan-karazany amin'ny alalan'ny kirakira sy vona isan-karazany, izay fantatra any Japan amin'ny hoe furoshiki: