Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba  atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Empty plastic water bottle

Tavoahangy plastika foana

Tavoahangin-drano CCBy Ahoana ny hanodinako azy ity

Andeha isika hanomboka amin'i Alfredo Moser, ilay atidoha nahita ny jiro tavoahangy plastika avy amin'ny masoandro. Amin'ny maha-teknisiana azy nandritra ny fahatapahan-jiro matetika tany Brezila tamin'ny 2002, nahita fomba hanazavana ny toeram-piasany ihany izy hanohizany ny asany: nohazavainy ny momba ny jiro sy ny fiantraikany teo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy ao amin'ity lahatsary tamin'ny 2008 ity:

http://youtu.be/_zMAWztZ6TI

Ny tetikasa Litatry ny Jiro (Hazavana) any Filipina dia nandray ity hevitra ity avy tamin'i Massachusetts Institute of Technology (MIT) ka nanodina azy ho taozava-baventy izay tsy ahazoan'ny olona miaina any amin'ireo trano vao nahazo jiro vaovao tombotsoa irery fa ny fianakavian'ireo olona mametraka ny jiro ihany koa.

Mora hamaroina ny jiro ka naparitaky ry zareo nanerana izao tontolo izao: Ny lahatsary manaraka dia mapiseho ny fampiasana azy any Meksika, Haiti ary any amin'ny fiarahamonina zanatany lavitr'andriana any Chile.

Ampiasaina hanafanana rano ihany koa ny tavoahangy plastika any Brezila: ity lahatsary manaraka ity dia ahitana fanafanan-drano amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro vita amin'ny tavoahangy plastika ao amin'ny Fantsona YouTube Eco-Ideas:

Tao amin'ny Eco-Ideas ihany koa no nahitana ity lahatsary avy any Thailandy ity, ka hananganan'ny mpianatra amin'ny Anjerimanontolo biriky vita amin'ny fako hananganana trano:

Raha liana ny hanatsara ny fiainanao manokana amin'ny alalan'ny fanodinana  ianao, maninona raha mandrary harona fiantsenana namboarina avy amin'ny alominiôma fonon-javatra tahaka ity vehivavy Finlandezy ity?

Na mianara manao harona isan-karazany amin'ny alalan'ny kirakira sy vona isan-karazany, izay fantatra any Japan amin'ny hoe furoshiki:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.