- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Izao Tontolo Izao: Misaona tamin'ny nampiharana ny didy famonoana an'i Troy Davis

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Barbady, Etazonia, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Na dia nahazo fampiatoana aza i Troy Davis androany maraina [alarobia], efatra ora monja taorian'ny tatitra nataonay [1] dia novonoina i Davis.

Manerana ny tany, ary indrindra any Etazonia, dia misaona ny Twitter. Malaza ankehitriny ny tenifototra #RIPTroyDavis ary milaza ny fihetseham-pony momba ity raharaha Davis ity ny tsirairay, ary dia voaresaka ihany koa ny momba ny fanamelohana faratampony any Etazonia.

Avy any Philadelphia, @ShamaraOnAir no mitatitra [2]:

Watching CNN 11:08 was time of death #RIPTROYDAVIS

Mijery CNN 11:08 no fotoam-pamonoana

Avy any Iowa, @Jasminenkelly no misiokantsera [3]:

Racism and injustice still exists just on a different scale… we dnt have KKK's in sheets anymore they are our law makers. #RIPTROYDAVIS

Mbola misy amin'ny ambaratonga samihafa ihany ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny tsy rariny… Tsy hitantsika an-taratasy intsony ny KKK ry zareo no mpanao ny lalàna.

Mikamenona manoloana ny didy famonoana ho faty ny mpanao gazety Dan Gillmor, tamin'ny fitenenana hoe [4]:

Bad enough that death penalty exists. But tonight, our system of “justice” killed another person whose guilt was hugely in doubt. Travesty.

Ratsy loatra ny fisian'ny famonoana ho faty. Saingy androany, namono olona hafa indray ny rafi-“pitsarana” eto amintsika nefa ahiahiana tanteraka ny mahameloka azy.

Avy any Barbados, @bajanswaggboy no nanamarika [5]:

#RIPTroyDavis. No murder weapon, no DNA, 7 of 9 witnesses recant their testimonies. Seriously? How do you execute someone without evidence?

Tsy nahitana fitaovam-piadiana, tsy voamarina ADN, niverina tamin'ny fijoroany vavolombelona ny 7 amin'ny 9. Tena ahoana mihitsy no hamonoanao olona tsy misy porofo?

Ary avy any Angletera, @tweety_coco no niteny [6]:

Still in shock. Just cannot believe this can happen in 2011. #riptroydavis

Mbola tohina. Tsy mety mino hoe mitranga izany amin'ny taona 2011.

Nanambara i [7] Linda Sarsour (@lsarsour) mpikatroka Palestiniana-Amerikana:

#TroyDavis will be the fuel I need to continue my quest for social justice. He will never be forgotten. #RIPTroyDavis

Troy Davis no ho solika ilaiko hanohizako ny fitakiako hisian'ny rariny ara-tsosialy. Tsy ho adinoina mandrakizay izy.

Na dia nampifantoka ny sain'ny besinimaro aza ny raharaha Troy Davis, maro no nilaza fa tranga naningana iny, ary tsy hiady hanohitra ny fampiharana famonoana ho faty ny olom-pirenena Amerikana. Na nametraka [8] toy izao ilay Palestiniana @Falasteeni fotoana fohy nialoha ny famonoana ho faty:

What saddens me most abt expected murder of #TroyDavis is tht nothing will happen, no movement will grow to make sure it never happens again

Ny mampalahelo ahy kokoa manoloana ny hamonoana an'i Troy Davis dia tsy hisy zavatra hafa hitranga, tsy hitombo ny hetsika hanome toky fa tsy hisy intsony ny tahaka izao