Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisionan'i Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia.

Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Navotsotra tamin'io andro io ihany izy.

Tsy misy na iray aza mahalala ny sangisangy nataon'i Amamy, fa toa nampiakatra afo ireo mpitandro filaminana izany. Araka izany, ny herinandro lasa teo, nanao fanambarana ho an'ny vahoaka ny Praiminisitra mpisolo toerana, Beji Caid Sebsi. Nandritra ny fanambaràny, nilaza izy fa “97 isan-jaton'ny Mpiambina Nasionaly no ao tsara, ary ny sisa dia babakoto avokoa.” Nahatohina ireo mpitandro filaminana izany tsikera izany, izay nangataka ny fialantsiny avy amin'ny PM.

Azyz Amami, Twitter profile.

Azyz Amami, Twitter profile.

Mety hanazava ny antony nanaovan'ireo mpitandro filaminana fihetsika maherisetra tamin'ny hanihanin'i Amamy izany.

Mitatitra i Liliopatra :

Cet après midi, 14 septembre 2011, soit 8 mois après la fuite du dictateur ben ali, la police continue à agir comme des voyous :Le militant Aziz Amami alias @Azyyoz a été arreté par la police parce qu'il aurait sorti une voyous sur les bananes devant un poste de police.Il a été emmené au poste de police rue Yougoslavie et il a été violemment tabassé.

Rappel: Aucune loi en Tunisie n'autorise la police à tabasser-violenter ou même insulter un citoyen même s'il est CRIMINEL. Merci de noter toute atteinte aux droits de l'homme de la part de la police hors la loi.

Ny tolakandron'ny 14 Se.ptambra, valo volana taorian'ny fitsoahan'ny mpanao didiko fe- lehibe, Ben Ali, manohy mitondra tena tahaka ny jiolahim-boto ny mpitandro filaminana: voasambotry ny mpitandro filaminana ny mafana fo Azyz Amamy (@Azyyoz) noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro teo anoloan'ny tobin'ny mpitandro filaminana. Nentina tany amin'ilay tobin'ny mpitandro filaminana (Araben'i Yogoslavia) izay nidarohana azy mafy izy.

Fampatsiahivana: any Tonisia dia tsy misy lalàna  mamela ny mpitandro filamianana hidaroka na koa hanompa fotsiny olom-pirenena na dia olon-dratsy aza izy. Miangavy,  raketo an-tsary / tehirizo ny fanitsakitsahina zon'olombelona ataon'ny mpitandro filaminana na inona izany na inona ka  tsy manaraka ny lalàna.

Nahatohina ireo Tonisiana mampiasa aterineto ny famelezana an'i Amamy, izay mbola nampatsiahivina indray mandeha indray fa ny ady ho an'ny fahalalahana miteny dia tsy vita tamin'ny fitsoahan'ny Filoha teo aloha hiala ny firenena.

Ireto misy fihetsehampo vitsivitsy ao amin'ny Twitter:

@slim404:Azyz @azyyoz vient de m'appeler. il est arrêté au poste de police rue Yougoslavie. Je vais le voir.

@slim404: vao avy niantso ahy i Azyz @azyyoz. Voasambotra : voatàna anatina tobin'ny mpitandro filaminana (Araben'i Yogoslavia) izy. Handeha hijery azy aho.

@slim404 Les policiers disent qu'ils ont relâché @azyyoz . Son téléphone est occupé.

@slim404: Nilaza ireo mpitandro filaminana fa efa navoakan'izy ireo i @azyyoz. Mitohana ny fifandraisana.

@FaresAzzabi D'après des pages fb @azyyoz est arrêté pour avoir sorti une blague sur les bananes devant un policier! Qui confirme? @Zinga_ @Slim404

@FaresAzzabi: araka ireo pejy Facebook sasany, voasambotra noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro teo anoloana mpitandro filaminana iray i @azyyoz! Iza no afaka hanamarina izany?

@Beheeddine: j'espère que @azyyoz portera plainte contre ses agresseurs .. blague ou pas .. ils n'ont pas le droit de le toucher .. #Tunisie

@Beheeddine: Manantena aho fa hametraka fitoriana an'ireo nidaroka azy i @azyyoz..na sangy na tsia.. tsy manan-jo hikitika azy izy ireo.

@slim404: Je viensd'avoir @azyyoz au tel. Il a ete relâché. Il s'est fait tabasse. Il va porter plainte.

@slim404: Vao avy nahazo an'i @azyyoz tamin'ny finday aho teo.  Navoaka izy. Nodarohana. Hametraka fitoriana izy.

@MiDovSkyTN: Solidaire avec @Azyyoz

@MiDovSkyTN: Miray hina amin'i @azyyoz.

@emnamejri: j'aimerai savoir nokta eli 9alha @Azyyoz 3al banane

@emnamejri: te-mba hahafantatra ny sangisangy nataon'i @Azyyoz momba ny akondro aho

Mijoro am-pirahalahiana miaraka amin'ilay tanora mpitoraka bilaogy, nanoratra tononkalo [ar] natolotra ho an'i Amamy i Insane. Ity ny ampahany amin'izany:

فيق يا عون يا ضابط يا رفيق ، فيق يا مدير : يا حسرة على زمان التغيير ، تضرب عزيز ينبتلك ألف عزيز ، أحنا اليوم نقرروا المصير قدّاش من عزيز وقدّاش من ثورة تلزمك باش تولي إنسان ؟
!

Mifohaza ry mpitandro filaminana, mifohaza ry namana, mifohaza ry mpitondra: tsy amin'ny “fotoanan'ny fiovàna” intsony isika izao (rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Ben Ali dia nametraka ny fitondrany ho “fotoanan'ny fiovàna” izy), midaroka an'i Azyz ianareo, hahazo dika mitovy amin'i Aziz an'arivony ianareo; androany dia izahay no misafidy ny làlam-piainanay. […] Dika mitovy amin'iAziz firy sy  fiovàna firy no ilainareo mba hahatonga anareo ho Olombelona?

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisionan'i Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.