Zambia: Ampiasaina Tsara ny Valantserasera Hanaraha-maso ny Fifidianana 20 Septambra

Natsangana hampiasana ny herin'ny valan-tserasera ny Bantu Watch, vohikala natsangan'ny fiaraha-monim-pirenena entina hanaraha-maso ny fifidianana hototosaina ao Zambia amin'ity 20 septambra ity.

Natsangana avy amin'ny sehatra Ushahidi ny Bantu Watch handrisihana ny mpifidy sy ny antoko mandray anjara hitatitra izay mety ho fisiana tranga-na herisetra mandritra ny fotyoam-pifidianana, na kabarim-pankahalana, kolikoly na zavatra hafa hita amin'ny alalan'ny serasera tranonkala na amin'ny alalan'ny hafatra an-tsoratra (sms).

Hita ao amin'ny Facebook, izay manangona ny lahatsoratra manana tenifototra #Zambialections misoratra mivantana ao amin'ny vohikala avy hatrany koa ny Bantu Watch.

Misy teny iditra ao amin'ny Facebook miresaka ny Bantu Watch manazava ny anjara asan'ny vondrona:

Protect YOUR vote in this year’s election by reporting electoral offences to BantuWatch – send an SMS to 3018 or report online on www.bantuwatch.org YOUR reports will be online next to those of formal observers. Become part of a national monitoring exercise. In every step of the process you remain anonymous You can make a difference – Watch and Report!

Arovy ny safidiNAO mandritra ny fifidianana amin'ity taona ity amin'ny alalan'ny fitaterana izay hitanao ho zava-tsy manjary amin'i BantuWatch – Alefaso any amin'ny 3018 ny SMS na tatero ao amin'ny www.bantuwatch.org izay lazaiNAO fa hiseho an-tserasera aorian'ny fanamarinana fanaon'ny mpanara-maso. Andao ho anisan'ny mpanara-maso. Azonao atao hatrany ny tsy mitonona anarana mihitsy mandritra ny dingana rehetra [ahafahanao manova zavatra] – Araho maso dia tatero!

Misy tatitra iray “tsy voamarina” milaza fanaovana kolikoly any amin'ny faritanin'i Copperbelt mivaky toy izao:

MMD is districting (distributing) maize in masati constitency todaytoday (sic) they are at lumano basic school

Mizara katsaka any amin'ny faritry ny masati ny MMD androanyandroany ary ao amin'ny SFF ao lumano ry zareo izao

Mbola misy tatitra “tsy voamarina” hafa heverina ho avy any amin'ny antoko mitondra MMD mivaky toy izao ihany koa avy any amin'ny Faritany atsinanana ao amin'ny distrikan'i Katete:

The polling offices are being bribed by some political party in katete-MMD.

Tsoloran'ny antoko sasany ny mpikambana ao amin'ny biraom-pifidianana ao katete – MMD.

Mandeha ao amin'ny Twitter ihany koa ny hafatra toy izao:

@Kamukwape: Zambian President to commision Ndola Stadium a day before elections, after campaign is over…#copperbelt #bantuwatch

Maka ny kianjaben'i Ndola ny Filoha Zambiana andro iray mialoha ny fifidianana, tapitra ny fampielezan-kevitra aorian'izay…

Napetraky ny Vaomieran'ny Fifidianana Zambiana ny andron'ny 18 Septambra ho andro farany hanaovana ny fampielezan-kevitra hifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika, ny mpikambana amin'ny Antenimiera ary ny mpikambana ny governemanta isam-paritra. Saingy nanokana ny kianjabe namboarin'ny Shinoa andro iray mialoha ny fifidianana ny filoha mitantana ankehitriny Rupiah Banda. Heverina ho tetikadim-pampielezan-kevitra avy amin'Atoa Banda, izay nandray ny asa maha-filoha azy taorian'ny fahatfatesan'ny filoha Levy Mwanawasa tamin'ny 2008, izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.