- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Vonomoka Nandeha Mivantana Tamin'ny Aterineto

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Ady & Fifandirana, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana Yemen 2011 [1].

Vonomoka iray no nojerena maso mivantana , isak'izay bitsika nalefa, tao Sanaa renivohitr'i Yemen. Ny tafika mitam-piadiana Yemenita dia nitifitra ireo mpanao hesi-panoherana, nahafaty olona 22 raha kely indrindra ary naharatràna an-jatony maro hatreto. Mandeha mivantana amin'ny alalan'ny live feed [2] ilay zava-mahatsiravina, ary hitan”ireo mpijery an'aliny maro izay tohina nanerana ny tany.

Habibiana tafahoatra no hita tamin'ilay “livefeed” araka ny nambaran'ireo nahita azy.

A protester who received a head wound after an attack by government security forces receives medical care at the makeshift hospital/mosque near Sana'a University. Image by Luke Somers, copyright Demotix (18/09/2011). [3]

Mpahao fihetsiketsehana naratra teo amin'ny lohany taorian'ny fanafihana nataon'ny mpitandro filaminana avy amin'ny governemanta, mandray ny fitsaboana atao azy eo amin'ny toeram-pitsaboana/Maoske napetraka vonjimaika tao akaikin'ny Anjerimanontolon'i Sanaa. Sary avy amin'i Luke Somers, copyright Demotix (18/09/2011)

Mitatitra ireo mafana fo eo amin'ny sehatry ny virtoaly:

@virtualactivism [4]: Milaza ny iraka any an-toerana fa nisy nitondra teo aminy ny lohan’ olona iray nivantanan'ny roquette nalefa tamin'ny RPG &  fa nisafidy ny tsy hamoaka ilay sary nandritra ny fampitàna mivantana izy #yemen

Omar Mashjari mamoahafantatra antsika hoe:

@OmarMash [5]: nanafika mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana ary nikendry ireo tanora tovolahy teny amin'ny lohany ny RPJ. Tsy misy toa azy ity halozàna ity. #Yemen #SanaaMassacre

Wounded Yemeni demonstrators are helped to a waiting ambulance during clashes following a peaceful demonstration in the capital. Sana'a. Image by Saleh Maglam, copyright Demotix (18/09/2011). [6]

Fanampiana ireo Yemenita mpanao hetsi-panoherana, naratra, mandram–piandry ny fiara mamonjy voina, nandritra ny fifandonana taorian'ny hetsika am-pilaminana tao Sanaa renivohitra. Sary avy amin'i Saleh Maglam, copyright Demotix (18/09/2011).

Iyad El Baghdadi dia manamafy:

@iyad_elbaghdadi [7]: Voamarina: fitaovana fanoherana fanafihana an'habakabaka no nampiasain'ireo mpomba ny fitondrana tao #Yemen androany hanoherana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy nisy afa-tsy tanam-polo. 22 no maty, “an-jatony” naratra. #Sanaa #Massacre

Nadine mampitandrina:

@earthtoinadine: Ny Yemenita no vahoaka tena isan'ny mitàna fitaovam-piadiana indrindra, nefa dia nijanona ho mpandàla hatrany ny filaminana ry zareo nanoloana ireo habibiana efa ho am-bolana maro. Monkon-doha izany.

Ary ilay Maoritaniana mafàna fo, Nasser Weddady dia mamintina hoe:

@weddady: [8] Raha ny hita nandritra ireo volana lasa te aloha, ny vono olona tao #Yemen androany dia tsy hafa fa vokatry ny tsy firaikàna iraisam-pirenena

Miaraha aminay mba hahazo vaovao misimisy kokoa momba an'i Yemen.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana Yemen 2011 [1].