- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sakanan'ny Governemanta Siriana Ny WordPress

Sokajy: Syria, Fahalalahàna miteny, Teknolojia, GV Mpisolovava

Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, [1] dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta

Ny mpampiasa Twitter @firasoo82 dia nikiaka [2] androany maraina:

[2]

Ary nanamafy [3] [ar] ilay tatitra ny mpampiasa @seemdu, sady nampatsiahy fa maro amin'ireo Siriana mpampiasa Aterineto no mampiasa fitaovana hihodinana ny sivana mahazo an'ireo vohikala tena malaza voasakana any amin'ny firenena efa an-taonany maro izao (oh. Facebook, Youtube). Hoy izy:

[3]

Nosakanan'izy ireo ny WordPress… toy ny dia efa hoe mbola mampiasa ny "proxy" Siriana iny ery ny vahoaka. Havendrànana re izany! #Syria

Mbola tsy dia mazava loatra raha voasakana any amin'ireo ISP rehetra any Siria ny WordPress. Havaozina miaraka amin'ireo antsipiriany sy ireo sary ity lahatsoratra ity arakaraky ny hahazoana azy ireny.