Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta
Ny mpampiasa Twitter @firasoo82 dia nikiaka androany maraina:
Ary nanamafy [ar] ilay tatitra ny mpampiasa @seemdu, sady nampatsiahy fa maro amin'ireo Siriana mpampiasa Aterineto no mampiasa fitaovana hihodinana ny sivana mahazo an'ireo vohikala tena malaza voasakana any amin'ny firenena efa an-taonany maro izao (oh. Facebook, Youtube). Hoy izy:
Mbola tsy dia mazava loatra raha voasakana any amin'ireo ISP rehetra any Siria ny WordPress. Havaozina miaraka amin'ireo antsipiriany sy ireo sary ity lahatsoratra ity arakaraky ny hahazoana azy ireny.