- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Vehivavy Iray Mpitoraka Bilaogy Voakaravasy in-50

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Ireto ireo teny nosoratan'ilay [1] Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011:

Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo.

Somayeh Tohidloo

Somayeh Tohidloo

Nafana fo i Somayeh nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2009 tamin'ny fampielezan-kevitra ho an'i Mir Hussein Mousavi [2], ary notanana am-ponja [3] nandritra ny 70 andro izy ny taona 2009, taorian'ny fipoahan'ny hetsi-panoheram-bahoaka tany Iran. Navoaka izy taorian'ny nandoavany onitra, nefa dia nampiharina ihany ny famaizana amin'ny karavasy.

Green City dia manoratra [4] hoe [fa]:

Eto no Iran, toerana izay nikaravasiana an'i Somayeh Tohidloo, manampahaizana manana doctorat, raha tsy misy kosa hetsika atao hanasaziana ny halatra $3 lavitrisa dollar [5] izay mitranga [amin'ny tetikasan'ny farihin'i Urmia]

Ny bilaogy Gomnamian dia manoratra [6] [fa]:……

Voampanga ho naniratsira an'i Ahmadinejad i Somayeh… Gaga aho mahita olombelona karavasiana noho ny fanoratana lahatsoratra mahakasika mpanao heloka bevava

Azarmehr dia manoratra [7]:

Androany, tondrak'ireo hafatra marobe maneho fanohanana ny pejy facebook-n'i Somayeh. Mohammad Ali Abtahi, mpanolotsaina fahiny an'i Khatami, dia manoratra hoe: “Ny rehetra izay mahafantatra an'i Somayeh Tohidlou, mihevitra azy tahaka ny mariky ny fahendrena, fandeferana sy ny fananany toetra entitra. Androany rehefa naheno aho fa nokaravasiana in-50 izy noho ny faniratsirany ny  ‘filoha ambony hajaina’, nahatsapa aho fa ny reharehan'ny Iraniana no voakaravasy fa tsy ny vatan'i Somayeh. Somayeh, ianao no hany tokana tsy afa-baraka noho ny vokatr'ilay famaizana”

Nampiditra am-ponja [8] mpitoraka bilaogy maro ny Repoblika Islamika tato anatin'ny taona vitsy. Omid Reza MirSayafi [9], Iraniana mpitoraka bilaogy , maty tany am-ponja ny 18 Martsa 2009, noho ny antony mampiahiahy.