Ireto ireo teny nosoratan'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011:
Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo.

Somayeh Tohidloo
Nafana fo i Somayeh nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2009 tamin'ny fampielezan-kevitra ho an'i Mir Hussein Mousavi, ary notanana am-ponja nandritra ny 70 andro izy ny taona 2009, taorian'ny fipoahan'ny hetsi-panoheram-bahoaka tany Iran. Navoaka izy taorian'ny nandoavany onitra, nefa dia nampiharina ihany ny famaizana amin'ny karavasy.
Green City dia manoratra hoe [fa]:
Eto no Iran, toerana izay nikaravasiana an'i Somayeh Tohidloo, manampahaizana manana doctorat, raha tsy misy kosa hetsika atao hanasaziana ny halatra $3 lavitrisa dollar izay mitranga [amin'ny tetikasan'ny farihin'i Urmia]
Ny bilaogy Gomnamian dia manoratra [fa]:……
Voampanga ho naniratsira an'i Ahmadinejad i Somayeh… Gaga aho mahita olombelona karavasiana noho ny fanoratana lahatsoratra mahakasika mpanao heloka bevava
Azarmehr dia manoratra:
Androany, tondrak'ireo hafatra marobe maneho fanohanana ny pejy facebook-n'i Somayeh. Mohammad Ali Abtahi, mpanolotsaina fahiny an'i Khatami, dia manoratra hoe: “Ny rehetra izay mahafantatra an'i Somayeh Tohidlou, mihevitra azy tahaka ny mariky ny fahendrena, fandeferana sy ny fananany toetra entitra. Androany rehefa naheno aho fa nokaravasiana in-50 izy noho ny faniratsirany ny ‘filoha ambony hajaina’, nahatsapa aho fa ny reharehan'ny Iraniana no voakaravasy fa tsy ny vatan'i Somayeh. Somayeh, ianao no hany tokana tsy afa-baraka noho ny vokatr'ilay famaizana”
Nampiditra am-ponja mpitoraka bilaogy maro ny Repoblika Islamika tato anatin'ny taona vitsy. Omid Reza MirSayafi, Iraniana mpitoraka bilaogy , maty tany am-ponja ny 18 Martsa 2009, noho ny antony mampiahiahy.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...