Ejypta : Libane, Bilaogera Sady Mafana Fo Voasakana Tsy Hiditra Ary Nalefa Niverina

Imad Bazzi, ilay libane bilaogera nahazo ny loka ho bilaogera mendrika,  sy talen'ny CyberACT, fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana miady ho amin'ny fiovàna sy ny fanavaozana any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra izay mampiasa ny fitaovana filazam-baovao sosialy,  dia voasakana tsy hiditra tao Ejypta ny Alatsinainy 05 Septambra 2011.

Imad izay fantatra ao amin'ny Twitter amin'ny hoe @TrellaLB, dia niantso ireo namany sasany,  ary nandefa bitsika avy any amin'ny biraon'ny polisy tao amin'ny seranam-piaramanidina Ejyptiana,  hanely ilay hafatra hoe nilazàna izy fa ny anarany dia “ao anatin'ny lisitr'ireo olona voarara tsy hiditra ao, didy avy amin'ny fiadidiana ny  filaminana anatiny”,  ary dia halefa fiaramanidina hiverina any Libanona izy afaka fotoana fohy.

Vetivety tao aorian'izay,  ireo mpampiasa Twitter dia nanomboka nanontany tena hoe nahoana ny zavatra toy izany no mitranga ao Ejipta taorian'ny revolisiona sy taorian'ny Mubarak.

@Dima_Khatib : Ilay Libane bilaogera @TrellaLB dia notazonina, ary naverin'ireo manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kairo teo am-pahatongavany. Tanaty “lisitra mainty”izy!!! Aiza ny #jan25?

@JustAmira : Ilay bilaogera Libane (@TrellaLB) dia naverina avy ao Ejypta.  Niverina ao amin'ny fitondrana indray ve i Mubarak?

Tohina tamin'ny nandrenesana ilay vaovao ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona toy ny  The Arab Network for Human Rights Information [Ar] (na Tambanjotra Arabo ho amin'ny Zo Hahazo Vaovao) sy  Samir Kassir Eyes (na Mason'i Samir Kassir) .

Tao aorian'ny niverenany tany Libanona , Imad dia nanoratra momba ny niainany ny fitazonana azy tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Kairo. Nanoratra momba ny fiheverany ny fitsidihany tao Kairo izay lasa tantara toy izany izy, indrindra indrindra ny fanapahan-keviny hijanona ary hiasa ao Kairo. Nanampy ihany koa izy hoe tsy noheveriny ho toy ny talohan'ny revolisiona ihany i Ejypta taty aorian'ilay revolisiona.  Avy eo dia nofintininy ny resaka nifanaovany tamin'ireo mpanao famotorana tao amin'ny seranam-piaramanidina.

الى ان حضر شخص بمرافقة من الشرطة فيما كان هو باللباس المدني وكان في غاية الإحترام وسأل سؤالين وانصرف
الظابط : ما سبب إصابتك في الظهر
الجواب: ديسك
هل انت من “ولاد” الفايسبوك؟
الجواب: لم افهم السؤال
حسناً يا استاذ، عشر دقائق واعود…

Mandra-pisian'ny olona iray nanao akanjo sivily tonga avy any narahana polisy,  ary dia nanaja tokoa izy ka nametraka fanontaniana vitsy tamiko dia lasa.

Ilay mpitandro filaminana : Inona ny antony naharatràn'ny lamosinao ?
Valiny : Disc.
Ilay mpitandro filaminana : Iray amin'ireo “Tanoran'ny Facebook”  ve ianao?

Valiny : tsy azoko ny fanontanianao
Izao ary, ilaozako 10 minitra ianao aloha dia avy eo aho miverina.

Avy eo nisy mpitandro filaminana iray hafa tonga niaraka tamin'ny pasipaoron'i Imad ary nanomboka nametraka fanontaniana maro be indray.

الظابط: من هو وائل عباس ؟
الجواب : صديق
الضابط: و…. (لم يتمكن من قراءة الإسم فإستعان بشرطي) ومينا ذكري؟
الجواب: صديق الكتروني
الظابط: اي ده الفورين بوليسي مين دول؟
الجواب: مجلة عالمية
الظابط: ولم تمنحك جائزة؟
الجواب: ليست جائزة، انما تقدير
الظابط : على ماذا ؟
الجواب: نشاطي الإلكتروني
الظابط: هو انت من اللي بيدعموا الثورة؟
الجواب: هزة بالرأس بمعنى لم افهم ما يقصد

Ilay mpitandro filaminana : Iza i Wael Abbas ?
Valiny : Namako.
Ilay mpitandro filaminana :(tsy hainy ny namaky ilay anarana, ka nangataka fanampiana tamin'ilay polisy teo izy) ary Mina Zekri?
Valiny : Namako anaty aterineto.
Ilay mpitandro filaminana : Inona io Politika ivelany io ? Iza ireo?
Valiny : Gazetiboky iraisam-pirenena.
Ilay mpitandro filaminana : Fa maninona no nomen'izy ireo loka ianao ?
Valiny : Tsy loka, fa fankasitrahana.
Ilay mpitandro filaminana : Tamin'ny inona?
Valiny : Ny hafanàm-poko anaty habaka.
Ilay mpitandro filaminana : Ianao ve isan'ireo olona manohana ny revolisiona?
Valiny : Nahozongozoko ny lohako nilazana hoe tsy azoko ny fanontaniany.

Nisy mpanao famotorana fahatelo tonga nametraka fanontaniana roa fanampiny tamin'i Imad,  ary ny iray mahakasika ny fifandraisany amin'i Maikel Nabil, ilay bilaogera voalohany nogadraina hatramin'izay nienjeran'i Mubarak izay,  ary ilay notsidihan'i Imad vao haingana tany am-ponja, hatramin'ny naha-mpandala filaminana azy sy i Imad izy tenany dia voasarika amin'ny fianarana ny resaka “pacifisme”

Io fanontaniana io no toa nanazava ny antony nandraràna an'i Imad tsy hiditra tao Ejypta. Ilay gazety Libane Al-Akhbar koa dia niezaka ny nikaroka ny antony nandraràna an'i Imad tsy hiditra tao Ejypta.

يكشف بزّي عن السبب الحقيقي لترحيله من مصر: «لا شكّ في أن نشاطي على الإنترنت أثار شكوكهم، لكن الأهم هو زيارتي للمدوّن مايكل نبيل في سجن المرج العمومي في شهر حزيران/ يونيو

Imad dia namoaka ny tena marina momba ny antony namerenana azy avy any Ejypta : “Mazava be fa nahasosotra azy ireo ny fahazotoako anaty habaka, nefa ny tena lehibe indrindra dia ilay fitsidihako an'i Maikel Nabil tao Al-Marg tany am-ponja ny volana Jona lasa teo.”

Farany,  Imad dia nanoratra tao amin'ny Twitter hoe ahoana no tsy malahelo izy,  raha mbola ho afaka hamerina ny fireneny sy ny zony tsy ho ela ry zareo Ejyptiana.

@TrellaLB : Tsy maninona raha naverina avy any Ejypta aho. Mbola hanam-bitana hipetraka sy hijery ireo mpihoko hiverina haka ny firenena aho rahampitso, mirary soa#Egypt

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.