- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libia: Lalao Baolina Kitra Voalohany Nandreseny amin'ny maha-Firenena Malalaka azy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Fanatanjahantena, Politika

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libya 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Resin'i Libia tamin'ny isa 1-0 i Mozambika tamin'ny fifantenana ireo hiady ny Tompon-dakan'i Afrika amin'ny baolina kitra, fandreseny voalohany hatramin'ny nionganan'ny fitondran'i Muammar Gaddafi. Feno fifaliana ao anatin'ny Twitter satria dia mankamamy ny fandreseny voalohany amin'ny maha-firenena malalaka an'i Libia.

Mamintina ny fihetseham-po anatinà bitsika iray ilay Libiana Ibn Omar ka miteny hoe:

@IbnOmar2005 [2]: VITA NY LALAO! NANDRESY NY LALAO VOALOHANY AMIN'NY MAHA-FIRENENA MALALAKA AZY I #LIBIA!

Nandritra ny fifaninanana, natao tany Ejipta, Ismael Zmirli, izay ao ambadiky ny ChangeInLibya, mampatsiahy antsika ireo fepetra hentitra napetraka tamin'ny lalao baolina kitra nandritra ny fotoan'andron'i Gaddafi :

@ChangeInLibya [3]: Sarotra inoana ny fahenoako mpitsikera iray ao amin'ny TV Libia manonona ny anaran'ireo mpilalao baolina kitra – izay tsy nanara-dalàna 100% teo anatrehan'i Gaddafi lol #libya

Mampatsiahy antsika ihany koa izy:

@ChangeInLibya [4]: Ny ankamaroan'ireo mpilalao Libiana izay nandresy an'i Mozambika androany no lohan'ireo nifanandrina tamin'ny herin'i Gaddafi vao herinandro vitsy lasa izay #libya

Mizara ity sarinà fianakaviana Libiana mijery ny lalao any Tripoli ity i Ibn Omar:

@IbnOmar2005 [5]: fianakaviana #Libyan iray mijery ny lalao any #Tripoli. Raha izaho izy ireo dia mety nitifitra kely ny fahitalavitra aho lol yfrog.com/nybqosj

Tripoli family watching match [5]

Ny fianakaviana iray mijery ny lalao ao Tripoli

Niafara tamin'ny tifitifitra ho fankalazana sy firavoravoana nanerana an'i Libia izany fandresena izany.

Mitatitra i Libya-Horra:

@libya_Horra [6]: Vao avy niantso namana tany #Tripoli aho, nilaza izy fa ambony ambany ny tanàna noho ireo fankalazana, ireo karazana tifitifitra fankalazana rehetra, mety hampihevitra anao hoe niverina  ny ady.

Manamarika i Akram, izay mitoraka bitsika ao ambadiky ny solon'anarana flyingbirdies avy any Tripoli:

@flyingbirdies [7]: Mila afomanga isika amin'izao fotoana izao. miangavy ny tsy hisian'ny tifitifitra fankalazana intsony 🙁 #Libya #football

Voatatitra ihany koa ireo fankalazana tany Benghazi, izay toerana itorahan'i Kelvin Brown bitsika:

@kelvinbrownnews [8]: lasa adala noho ny hafaliana i Benghazi satria nandresy an'i Mozambika tamin'ny fifantenana ireo firenena hiady ny amboara i Libia

Tristan Redman, mpitatitra avy ao amin'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy, dia manamafy hoe :

@TristanAJE [9]: Mifaly havanja i Benghazi taorian'ny fandresen'ny ekipa #libya mpilalao baolina kitra tany Kairo. Mitondrà aroloha raha hivoaka ianao androany alina: betsaka ny hiraradraraka eny manodidina eny.

Septimius-sever miteny [10] fa na i Gaddafi aza dia tsy te-ho tara amin'ity fety ao Tripoli ity ka mamoaka ity sary ity:

Libyans watch Libya's football victory with Gaddafi [10]

Ireo Libiana mijery ny fandresen'ny tarika mpilalao baolina kitrany miaraka amin'i Gaddafi

Mandritra izany fotoana izany, Shabab Libya, ny kaonty Twitter-n'ny Hetsiky ny Tanora Libiana, dia efa mitsinjo sahady ny fandresen'izy ireo  manaraka

@ShababLibya [11]: Tsy maintsy mandresy an'i Zambia i Libia amin'ny volana ho avy mba hahazoana toerana amin'ny Fiadiana ny Tompon-dakan'i Afrika 2012 #Libya.

Ampahany amin'ny fandrakofana manookana ny Fikomian'i Libia 2011 [1] ity lahatsoratra ity.