- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina : Ireo Fandaniam-bolam-bahoaka Telo Sy Ny Tsiambaratelom-panjakana

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Politika

Ny teny hoe “ireo fandaniam-bahoaka telo” na san gong jingfei, dia miainga avy amin'ireo fandanian'ny governemanta noho ny fivoahana mankany ivelany, sakafo sy fialamboly ary ny fiaram-panjakàna. Ireo fandaniana telo ireo no noheverin'ny vahoaka manontolo ho toy ny tena fototry ny kolikoly ho an'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta.

Tamin'ny May 2011, ny Fahitalavitra Foibe mpampita vaovaom-Panjakana dia namoaka fa fandaniam-bola isan-taona ho an'ireo fandaniam-bola telo dia tafakatra ho 1900 lavitrisa RMB[zh] [1] ho an'ny firenena ny taona 2010, manome ny 60% ‘ny fandaniam-bolam-panjakana rehetra. Ho fifehezana ny fandaniana, ny Ministeram-Panjakana dia nitaky ny hanomezan'ireo departemanta sy birao 98 mazava tsara ny “fandaniam-bolam-bahoaka telo”-n'izy ireo.

Ny 30 Jona 2011, ny Komity Mpitantana ny Kaongresy Nasiônalim-bahoaka dia namoaka ampahibemaso ny “fandaniam-bolam-bahoaka telo”-n'ny Governemanta Foibe. Tafakatra ho9.4 lavitrisa RMB [2] [zh] ny salan'isa (manodidina ny 1.5 lavitrisa USD). Na dia teo aza ny fanoherana, hatreto ny ankamaroan'ny departemanta sy birao 98 ao amin'ny governemanta foibe no namoaka ny fandanian'izy ireo. Kanefa tao anatin'ny roa andro lasa, ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny (MFA), Raharahan'ny Sinoa any Ivelany (OCA) ary ny Raharahan'i Macao sy Hong Kong (HKMA) dia nilaza [3] fa tsiambaratelom-panjakana ny” fandaniam-bolam-bahoaka telon”-n’ izy ireo.

Satria nahazo fanohanana avy  tamin'ny vahoaka ny hetsiky ny Ministeram-panjakana ho amin'ny fangaraharan'ny tetibolan’ ny fandaniam-bolam-bahoaka telo (tamin'ny fitsapan-kevitra natao ny Jolay 2011, mihotra ny 96.4% tamin'ireo natao fanadihadiana no nanohana izany [4] [zh], ny fialantsiny hoe ” tsiambararatelom-panjakana” dia nolavin'ny ankamaroan'ireo vahoaka Sinoa ankitsirano. Ity ambany ity ny sariitatra iray, an'i Zhai Haijun, maneho ny hasarotry ny fitondràna fanovàna ao amin'ny governemanta mikasika ny olan'ny “fandaniam-bolam-bahoaka telo”.(avy amin'ny China Media Project [5]).
Ilay bilaogera He Jun dia manondro fa ny “tsiambaratelom-panjakana” dia ala olana iray hiarovana tombotsoa sy kolikoly.

Ilay bilaogera He Jun dia manondro [6] fa ny “tsiambaratelom-panjakana” dia ala olana iray hiarovana tombotsoa sy kolikoly:

国家机密,很有意思。原来以为导弹发射设计图,军事基地内部情况,自主创新的科研数据,相关经济数据,宝贵的矿藏地质资料……这些,才是国家机密,却不料,三公花费,官员们拿国家的票子,人民的劳动成果,咱们那个老百姓的纳税金,坐了轿车,吃了公饭,出了国考了察,这么一种特殊享受的花费,居然也是“国家机密”!

Fanazavana mahaliana momba ireo tsiambaratelom-panjakana. Zatra nihevitra foana isika fa ny fanamboarana ny balafomanga, ny toby miaramila, torohay mifandray amin'ny fanavaozana ny fikarohana, ny vola ary ireo mineraly tsy fahita firy sns. dia tsiambaratelom-panajakana. Ankehitriny ny ” fandaniam-bolam-bahoaka telo” an'ireo olona ambony ao amin'ny governemanta izay mandany ny hetrantsika, ny vola miditra ho an'ny firenentsika amin'ireo fiara, sakafom-panasàna, fandehandehanana ary ireo tombontsoa maro samihafa amin'ny fandaniana manokana, no nanjary ” Tsiambaratelom-panjakana”!

任何一个中国人,一旦沾上点“国家机密”的好处,一定会铁了心跟D走,因为,这些好处如此甜蜜可爱令人生出无比动力——再不能当傻逼乱嚷嚷政治上不成熟了,弄上三公的好处你就偷偷乐去吧,然后坐在主席台上装比样子一脸马列主义三个代表四个现代化三大纪律八项注意,“人民”知道个啥?反正人民是个看不见的东西。反正有“国家机密”给咱们护着。。。

Izay Sinoa misitraka ny tombontsoa manokana azo avy amin'ny atao hoe ” tsiambaratelom-panjakana” dia tokony hanaraka ny fitsipika apetrany. Raha tsy hay tohaina ny hamamin'ny valisoany–tsy ho tsy matotra indray  ianao, hiaino fotsiny ny fahafinaretana amin'ny maha tsiambaratelo azy. Ny tokony ataonao dia mipetraka eo ambony sehatra miaraka amin'ny endrika izay mampatsiahy ny vahoaka ny Marksisma, Leninisma, ireo Solotena Telo [7], ireo Fanatontoloana Efatra [8], ireo Fepetra Telon'ny Fitsipika ary ireo Teboka Valon'ny Fitandremana [9], tsy hahamarika na inona na inona ny vahoaka. Tsy hita maso ny vahoaka. Ankoatra izany dia arovan'ireo “tsiambaratelom-panjakana” isika.

Notsikerain'i [10] Lisa tamin'ny fomba fijery nasiônalista iray ny MFA  noho ny diplômasia ny tsy nahomby:

外交部作为联系五洲四海的一个纽带,肯定是“三公消费”的大户,这不足为怪。问题是你花了钱究竟办了多少事,交了多少朋友?。。。可是,放眼一望,南海诸岛还有多少属于中国?有多少渔民、船长被外邦无理扣押?以牺牲领土为代价换取所谓的和平环境,以屈辱外交换取好伙伴、好邻居、好朋友咄咄逼人的联合吼叫,外交部的“三公经费”究竟干什么用了?

花了大头钱,没办多少事,还丢了大片国土。那么,外交部还有脸面公布“三公经费”么?不敢公布还拿什么国家机密来说事,来遮丑,真是天大的谎言。

Tsy takatry ny saina ny antony mahatonga ny MFA hanao fandaniana goavana amin'ny “Fandaniam-bolam-bahoaka Telo” amin'ny filazana fa ny andraikiny dia ny fifandraisana amin'izao tontolo izao. Ny olana mipetraka dia ny hahalalana hoe mety hoatrinona ny laninao ary namana firy no azonao…Andeha ho jerentsika. Firy ireo nosy any amin'ny ranomasina atsimo no mbola eo am-pelatanan'ny Sinoa? Firy ireo mpanjono sy tantsambo sinoa mbola voafonja tsy amin'antony any amin'ny firenen-kafa? Ho fanaovana sorona ny tanintsika amin'ilay antsoina hoe tontolo iainana feno filaminana, ho fakàna namana an'ireo mpiray vodirindrina amintsika amin'ny fanambaniana ny tenantsika ihany. Manontany tena aho hoe fomba ahoana no nandanian'ny MFA an'ireo ” fandaniam-bolam-bahoaka Telo”-ny?

Nandaniana vola be, nefa mbola very ny tanintsika. Eny fa ny MFA dia minia tsy manena “ny fandaniam-bolam-bahoaka telo”. Kanefa, mbola sahy ihany ny mampiasa ny “tsiambaratelom-panjakana” hanafenana ny henatr'izy ireo. Tena lainga be izany.

Tao amin'ny Weibo, dia nisy adihevitra maromaro natao momba ity hevitra fototra vaovao mikasika ny “tsiambaratelom-panjakana” ity. Ireto ambany ireto ny fifantenana ireo valinteny nalefan'ireo mpampiasa Weibo avy hatrany tao amin'ny vaovao vaovao nalefan'ny 21cbh [11] [zh]:

天边火林中风 外交部怎么做账的?机密开销放到三公经费里?(今天 09:32)

老狼_深圳 可笑,他们花我们的钱,我们只不过要个帐单,他们居然说这是是秘密!!!(今天 09:31)

峰回路转转路回峰 费用高了 敌对势力不就发现我们的外交很猛(今天 09:40)

李晋宁AARON 陈水扁当初也是用同样理由贪腐的,如果外交部执意不公布,那干脆就从国务院里独立出去,省得毁了一锅汤。(今天 09:39)

风一逸 国家丑闻当属国家机密,(今天 09:35)

共和一体 公款吃喝,公款出国,公款购车…为神马不能公开?除非我们养的间谍太多??(今天 09:45)

天边火林中风 Mba fomba ahoana no nandrafetan'ny MFA ny tatitra ara-bolan'izy ireo farany? Ahoana no ahafahan'izy ireo mametraka ny tsiambaratelom-panjakana anatin'ny resaka fandaniam-bolam-bahoaka telo?

老狼_深圳 Lanian'izy ireo ny volantsika, ny hany angatahantsika dia ny rosia nefa sahin'izy ireo ny milaza amintsika fa tsiambaratelom-panjakana izany!!!

峰回路转转路回峰 Raha vao hitan'ny heri'ny fahavalontsika ny fandaniam-bolantsika midangana be, dia ho fantatr'izy ireo ny tanjaky ny MFA-ntsika

李晋宁AARON Chen Shui Bian [Filoham-pirenen'i Taiwan Teo aloha]  dia nampiasa ny fialàna bala mitovy amin'izay ihany koa mba hiarovany ny kolikoliny. Raha niziriziry ny tsy hamoaka ny fandaniam-bolam-bahoaka telony ny MFA, dia tokony tsy hiankin-doha amin'ny Mininteram-panjakana, fa mety hanimba ny governemanta manontolo izany.

风一逸 ny savorovoro eo amin'ny fanjakana dia efa tsiambaratelom-panjakana, mazava ho azy.

共和一体fandaniana ny volam-bahoaka aminà sakafom-panasàna, fandehandehanana sy fiara, nahoana no tsy ho azo haseho ampahibe-maso izany ? Raha tsy ohatra angaha ka manakarama mpitsikilo maro isika.

Fanehoan-kevitra [12] maro [zh] avy amin'ireo Lohatenim-baovao nalefan'ny Weibo :

飘泊在南方的云 不公開也罷,看那些公開的又有幾份是真實帳?!(今天 11:12)

法拉盛上官 其他已经公布三公的部门郁闷了,怎么之前没想到郭家咪咪这一招(今天 10:03)

lemon5212011 除了要给国外的亲属生活费学费什么的还有养着一帮国内的杂碎,能公布吗?(今天 10:02)

蘇奕安 三公系指公车、吃喝、差旅,这个也涉及机密?莫非系秘密与基地组织吃饭游玩??

飘泊在南方的云 Na dia mamoaka aza ry zareo, azontsika itokisana ve fa tena marina  izy ireo?

法拉盛上官 Ireo sampan-draharaha hafa izay namoaka ny fandaniam-bolan'izy ireo dia tsy maintsy hanenina, ahoana no tsy nieritreretan'izy hampiasa ny “Tsiambaratelom-panjakana” ho fialantsiny.

lemon5212011 Tsy maintsy nanefa ny fandanian'ny fianakaviany sy ny saram-pianarana any ivelany izy ireo ary mamahana ireo alikany tavela mikarenjy aty an-tanindrazana, mazava loatra fa tsy afaka hamoaka antontan'isa izy ireo.

蘇奕安 ny dikan'ny hoe “fandaniambolam-bahoaka telo” dia fiara, sakafom-panasàna ary fitsangatsanganana. Inona no zavatra iraisan'izany amin'ny tsiambaratelo? Niara-nisakafo sy niara-dia taminà vondrona mpampihorohoro ve izy ireo??